Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manavaka: (avaka) mt. p. (manavaha): Mampisaraka, manasaraka: Ny saina no manavaka ny olona amin'ny biby. ~ Manokantokana, manefitra, manisy fefy: Tsy tsara ny manavaka ny mahantra na ny mauomauo satria samy olombelona ihany. - F.-p,: Tsy an-kanavaka: rehetra rehetra, daholo. Ahitsio
Manavana: (havana) mip. (manauàna): Manatsikera, na ma-nais ny lavenona avy ao ampatana. Ahitsio
Manavanana: (havanana) rat. s. sady mt. p.: Mampiasa ny tanan-kavanana: Raha mbola kely ny zaza dia hita sahady na hanavanana na hanavia. ~ Mahakinga: Manavanana azy ny miteny. ~ Mahavantana, mora arahina: Manavanana ny olona itti lalana • Tsy mahamenamenatra, tsy manahirankirana: Lazainy fa manavanana azy ny lehibe mpampiasa azy ka vonona haneho ny fanirian'ny mpiara-miasa izy. - F.-p.: Mahay manavia manauanana: (sady mahay miasa amin'ny tanan-kavia no mahay miasa amin'ny tanankavanana); kinga amin'ny hevitra sy ny fanaovan-javatra rehetra, na inona izany na inona. Ahitsio
Manavandra: (havandra) mt. s.: Misy havandra latsaka: Manavandra ny andro, Ahitsio
Manavangavana: (havana) mt. Manary ny havana ory. Ahitsio
Manavangongo: (vangongo) nit p. (manavangongôa): Mampitangoron-javatra miavoavo amin'ny toerana iray. Ahitsio
Manavao: (vao) mt.p. (manavaoza): Manolo hafa: Manavao mpiasa, hono, io tranombarotra io. ? Manamboatra ho tonga tahaka ny vaovao: Nahay izay nanavao ity trano itý. ~ Mamerina indray: Tsy nety nanavao ilay fanekena intsony Rakoto. *Mampikaviavia (...) satria voalohany: Manavao ahy ny mampianatra. Ahitsio
Manavareraka: (vareraka) mt. p.: Mamaia (fitafiana) hiborotsaka, hirefarefa, Ahitsio
Manavaroraka: (varoraka) mt. p.: Manaketraka, managedrage dra Ahitsio
Manavarozaka: (varozaka) mt. p.: Manakiraviravy, manakirazorazo. 1 Milaza zavatra atao mitarozaka ary miverimberina. Ahitsio
Manavasava: (savasava) mt.p.: Mampihatakataka (olona na zavatra) mba handehanana, handrosoana: Tokony hanavasava ny ravina, hoy ny Ntaolo, hahitana ny fotony. Ahitsio
Manavatsava: (tsavatsaua) mt.s. (manavatsauà): Tsy mandeha amin'ny tena lalana famanapatapaka manao hitsin-dalana hatraiza hatraiza; mande-ha amin'ny toerana tsy misy sori-dalana masaka: Efa mai-ka izahay ka nanavatsava eran'ny tampon-tanety. Ahitsio
Manavazina: (vazina) mt. p, : Manala baraka. Ahitsio
Manavembena: Manasavembena (vembena) mi p,: Marnezivezy, manasavilivily. Ahitsio
Manavenavena: na Manasavenavena (uenavena) mt.p.: Manokatra be, manatanatana. Ahitsio
Manavia: (havia) mt.p.: Mampiasa ny tanana havia. ~ Mamp an ahir ana, m amp ananosarotra, sarotra: Manavia ahy itti tohatra itti. / Tsy manavia azy ny miteny anglisy. ? Mahamenatra, manahirankirana: Manavia ahy io olona io. Ahitsio
Manavika: (savika) mt.p.: Misarangotra (fiteny amin'ny vahy misarangotra amin'ny hazo), Ahitsio
Manavina: (avina) mt.p.: Mandeha mamonjy raharaha; manontany zavatra tiana ho fantatra na hofotorana; mandeha mankany ifotony mba hijery akaiky: Lasa nanauindraharaha'any amboniuohitra izy. Ahitsio
Manavoavo: (avo) mt.p.: Manondrotra, mankalaza, midera. Ahitsio
Manavodrevo: a: Anaran-kazo voalaza ho manana hasina mahasitrana. Ahitsio