Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandramby: (ramby) mt.p. (mandrambasa): Misambotra tampoka ary an-kery amin' ny nify. Ahitsio
Mandrampa: (rampa) mt.p. (mandrampà): Manabanga, manala. Ahitsio
Mandrandrana: (randrana) mt p. (mandrandràna): Mamboatra ny volo lavan'ny vehivavy ho misy amboara na ampehezany telo avy izay ampidipidiriny ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatoriny hanana endrika samihafa araka ny karazana tiana hatao: randra-madinika, randran-telo, fito an'ila. Ahitsio
Mandranga: (ranga) mt.p. (mandrangà): Manainga, mamPiakatra (tanana, sofina...). ? mt. s.: Mininginingina amin' ny loba rantsana. Ahitsio
Mandrangitra: (rangitra) mt.p. (mandrangita): Manao izay hampaharanitra; mandranitra. Ahitsio
Mandrangotra: (rangotra) mt p. (mandrangota): Mandratra amin'ny hoho. Ahitsio
Mandrangy: (rangy) p.t.: Mahia, mihamahia, mihakaoza• tra, mandràka. Ahitsio
Mandranitra: (ranitra) mt.p. (mandranita): Mahatongaharanitra: Mandranitra tsipika ¶ M.h.: Manasa, maka maso. 1 Mahatonga hahery: Vao mainka mandranitra ny filon' ny nofo ny mijery sary mamoafady. 1 Mitana sakaiza ratsy. - F.-p.: Mandrani-tena: manandra-tena. / Mandranitra ny mpiady: mampirisika ny mpiady. Ahitsio
Mandranjo: (ranjo) p.t: Entimilaza parasy izay mananika ary mandrakotra ny ranjo noho ny habetsahany: Mandranjo ny parasy amin'ity trano vao Ahitsio
Mandranofotsy: (rano, fotsy) p. t.: Tondraka be mangeniheny, safotry ny rano avokoa. Ahitsio
Mandranoka: (ranoka) mts.: Mitera-drano: Tsy ho sitrana na oviana na oviana ferinao ity raha mandranoka lava toy izao. ? Mahatonga ho osa, reraka: Ny are tina no mandranoka ny marary (mt. p.). / Tonga reraka, valaka izaitsizy: Nandranoka indray ny marary androany. Ahitsio
Mandranorano: na Mitsiranorano (rano) p. t: Misy rano mivoaka, mitera-drano: Mbola mandranorano na mitsiranorano itti ferinao. ¶ M. h.: Mitoraka ivy. Ahitsio
Mandrantiranty: (ranty) mt.p. (mandrantirantia): Mampiseho ho hita tsara, miharihary : mametraka amin'ny toera t avo ho hita tsara. Ahitsio
Mandrantsana: (rantsana) mt. s. (mandrantsàna): Manapa• ka rantsana: Iza no nandrantsana it? paiso ity? 1 Mamoaka rantsana kely: Kely sisa dia handratatsana it? hazo it?. ? Mikitika (valiha). Ahitsio
Mandraoka: (raoka) mt.p. (mandraofa): Meta eran'ny tanana, manangona amin'ny tanana, lapely: Mandraoka fasika ? h. o.: Mandraoka vo-la, hono, izy amin'ny varotra omby any andrefana any. 1 Mipaoka, mifaoka zavatr' olona. ~ Mamabo, manosy (f anan an' olona). Ahitsio
Mandraotra: (raotra) mt.p. (mandraota): Manongotra ahitra amin'ny tanana, antsy...; manatsikera, mameravexa, mamohavoha; maka ankery; mandrovitra. Ahitsio
Mandrapaka: (rapaka) mt. p. (mandrapaha): Mihinana avy hatrany dia any am-bava. • Mandray tsy mifidy, ? Mandray tsy mifidy izay rehetra hita. Ahitsio
Mandrara: (rara) mt.p. (mandrarà): Manakana, tsy marne-la: Nandrara ny marary tsy hihinan-tsira ny dokotera Ahitsio
Mandraraka: (raraka) mt.p. (mandraraha): Manary: Iza no nandraraka ny so!itany teto? rr Mampitobaka, manabosasaka: Iza no nandraraka ny ro teo ambony Iota batra. ~ Mandrotsaka: Mandrara dranomaso. ~ mt.s.: Mande-fa fofona mana tonetona: Mandraraka aoka izany ireto telomiova ireto. Ahitsio
Mandraratra: (raratra) mt.p. (mandrarata): Mandravaka, mampihaingo. Ahitsio