Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandrary: (rary) mt.p. (mandraria) : Mandrandrana: Mahay mandrary tsihy io uehivauy io. ~ Man amboatra, mamitrana: Izy no nandrdry ny fihavananay. Ahitsio
Mandrasa: (rasa) mt.p. (mandrasà): Mandidy sy mitetikahena. Ahitsio
Mandratra: (ratra) mt.p. (mandratrà): Manisy na mamely olona amin-java-maranitra ka mahatonga azy hanana fery: Esory io uy maranitra io sao mandratra ny zanakao. • h. o.: Mampitondra alahelo:Nanao teny nandratra ny fony ianao. ? Mahatonga fahavoazana, mampahita loza, mamohehatra, mampidi-doza: Tandremo fandrao mandratra anao io ady any amin'ny fitsarana io. ~ Manimba, mahatonga fatiantoka: Nanahy ihany izy sao handratra azy ilay vahiny nampiantranoiny tao aminy. Ahitsio
Mandrava: (rava) mt.p. (mandraud): Manimba, mandevona, manongotra: Nandrava ny tanànan'i Toamasina ilay riuo-doza tamin'ny 3 marsa 1927, f. h.o.: Ny ahiahy mazdna mandrava fihauanana ? Mamaha, manasaratsaraka: Mandraua fiarakodia • Mandefa, manaparitaka, mampihahaka: Ny orana no nandrava ny mpivory. - F.-p,: Mandrava efa ohatra ny voalavo: ilazana ireo olona manimbanimba ny zavatra tsars, manakorontana ny efa milamina, / Mandrava laharana, mandrava sivana: manakorontan-javatra, tsy mahay mandamina fa mampisaritaka Ahitsio
Mandravaka: (ravako) mt.p. (mandravaha): Manisy ravaka, mampihaingo: Olona ma-ro no nandravaka ny vauahady handalouan'ny manampahefana. Ahitsio
Mandravasarotra: a: Anaran-javamaniry fanao fanafody voalaza ho mahomby fatratra, indrindraamin'ny fery, Ahitsio
Mandravina: (ravina) mt.a: Mitsiry ravina, Ahitsio
Mandraviravy: (rai: iravy) dit P. (mandraviraueza): Manantona, manakirozaroze, ~ Mampiseho, mampideradera vola mba hitaomana olona hanao zavatra iray, Ahitsio
Mandravitra: (ravitra) mkp, (mandravita): Manambatra ravindravitra samihafa, voanjavatra maro, ravin-taratasy hatao boky,., Ahitsio
Mandravoka: (rauoka) mt.p. (mandravoha): Mitoto vary betsaka, izaitratra. ~ Mikapoka ela amin'ny tehina na langilangy, ? Maharitra, mahari-pery. Ahitsio
Mandravona: (ravona) mt.p. (mandrauàna): Mampitovy tantana, manovona ny iva ary misoroka ny avo ho marin-tampona, manarina:Mandrauona ny arabe. • h.o.: Mampitovy: Mandravona ny fananana Ahitsio
Mandravoravo: (ravoravo) mt, p. (mandrauoravoa): Marnalifaly, mandokadoka, Ahitsio
Mandray: (ray) mi'. p. (mandraisa): Mikasika amin'ny tanana:Nandray baolina ilay mpilalao ka notsofin'ny mpitsara ny kiririoka. ? Mananty: Mandray fanomezana. ? Mitsena sy mampiantrano: Teo an-kiarya no nandray ny filohan'ny Nosy ny vahoaka * Mitokana: Nandray ny mpitandrina tamim-pomba lehibe ny fiangonana. 1 Manaiky ho isan'ny,..: Nandray azy ho mpikambana ao aminy ny Akademia. ? Mahazo: Nandray ana be taminy ianao ka mahaiza mankasitraka. / Vao avy nandray vola izy. ? mt.a: Miraikitra: Tsy mandray tsara it? loko it? izany. Ahitsio
Mandrazorazo: (razorazo) mt, p. (mandmxomzoa): Manantona, manakiraviravy zavatra lavalava, Ahitsio
Mandre: (re) mt.p. (mandrenesa): Mahalala fisiana feon-javatra iray amin'ny alalan'ny sofina: Tsy mandre na inona na tanna ny sofiko fadonton' ny kininina. ? Mahafantatra: Vao izao aho no nagdre fa narary ny zanakao. ~ Maha• tsiaro: Tsy mandre maharary rehefa mitsindrona amin'it? fana fody - F,-p,: Tsy mahare na tsy mandre izay ambonin'ny tany: matory mata.. / Mandre faty: mandre fa maty Ranona. / Tailam-pandrenesana: mihaino ilany na diso fan• dray hevitra, ka mivaona a • min'ny tsy izy. Teny mifandray hevitra: Mahare, Mihaino, mitaino, manongilan-tsofina, mampandry sofina, mihaino vilana, mitaino ilany, tailam-pandrenesana. Tsy mihaino, manentsin-tadiny, mamono sofina, manary sioka, manao henoy izany ry hazon-damosiko! Mafy sofina, mafy tadiny, lalodalovana, donto sofina, domelina, karenina, marenina. Ahitsio
Mandrebaka: (rebaka) mt. P. (mandrebaha): Mahatonga ho noana, mahavalaka, mahasasatra, mahavizana. Ahitsio
Mandrebireby: (reby) mt. p. (mandrebirebe): Mitarika ny resaka hivily lalana: Rangahy iny koa mandrebireby. ~ Manadala, manolikoly, mamitaka amin'ny hevitra manodoka: Nandrebireby ny zanako iny zazalahy iny ka lazao amin'ny ray aman-dreniny. ¶ M.h.: Milalao olona, manadala, mamendrivendry, mandraikiraiky, mandraviravy, manorisory, mamery andro, mampanary andro, mampitotototo, mahavery rariny, mamer?' dia, rnanary dia ny rariny. Mandrebireby, misangisangy, manao sangy mihoatra ny loha, mamazivazy, mihomehy olona, mananihany, mivarotra saka be loha. Ahitsio
Mandreboka: (reboka) mt. p. (mandreboha): Mambosibosika, mihinana an-kisesy. Ahitsio
Mandredaka: (redaka) mt. p. (mandredaha): Mampiredareda afo. Ahitsio
Mandredareda: (redareda) mt, p. (mandredaredà): Mahatonga hiredareda. Ahitsio