Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandrobona: na Manorobona (robona) p.t.: Midoroboka fatratra, milobolobo: Haro manorobona no hitako uoalohany teo an-tokotany. Ahitsio
Mandroborobo: (roborobo) mt. s.: Mampiroborobo, mampiredareda. Ahitsio
Mandrodaka: (rodaka) mt: p. (mandrodaha): Mandanilany betsaka foana, mitobatoba, mirobaroba. Ahitsio
Mandrodana: (rodana) rit. p, (mandrodàna): Manjera, mandrava: Iza no nandrodana it? tamboho it?? 1 Mividy izaitratra: Nandrodana hena izy ireo hanomanany ny famadihana. Ahitsio
Mandrodaroda: (rodaroda) mt. p.: Mandanilany foana: Mandrodaroda ny louany ny zaza maditra. Ahitsio
Mandrodona: (rodona) mt. P. (mandrodôna): Mandroaka omby aman'ondry miaraka be. ~ Manentana (hira) miaraka. 1 Mandany vola be indray mandeha. Ahitsio
Mandrodorodo: (rodorodo) mt. p. (mandrodorodoa): Manao zavatra haingana; mandodona, mampanao zavatra haingana. Ahitsio
Mandrohona: (rohona) mt. s.: Miraondraona, toy ny kotroka any lavitra, na ny onjandranomasina. ? h.t: Mande-ha miara-be. Ahitsio
Mandrohy: (rohy) mt. p. (mandrohiza): Mamatotra mafy: Mandrohy lakana. 1 Misambotra (omby) amin'ny fanipazana tady handringotra sy hamatotra ny lohany na ny tandrony na ny tongony: Kinga er? Rakoto raha handrohy omby. Ahitsio
Mandroka: (roka) mt. s.: Entimilaza ireo hatina na ny atody hao mamorofotra. 1 Mihantitra. Ahitsio
Mandrokidroky: (droky) mt. p. (mandrokidrokia): Manambitamby mba hahazoana tombontsoa; manao izay hahafaly mba hanambakana: Nandrokidroky an-drainy marary izy mba hahazoana betsaka amin'ny zara loua. ¶ M.h.: Manolikoly, manojikojy, manangoly, mamoky. Ahitsio
Mandroky: (roky) mt. p. (mandrokia): Mamitaka amin'ny fodiana adala. Ahitsio
Mandrombaka: (rombaka) mt, p. (mandrombaha): Maka haingana sy an-kery: Tonga izy dia nandrombaka ny hena teny an-tanako. 1 Manapaka tenin'olona, mitsaraingona, mitsatsaingoka: Aza mandrombaka ny tenin'ny sasany. Ahitsio
Mandrombina: (rombina) mt. p. (mandrombina): Manabanga na manasilaka kely eo amin'ny sisiny, amin'ny molony: Nisy nandrombina tamin'ny ontsipika it? latabatra it?. Ahitsio
Mandromborombo: (rombo) mt. p. (mandromboromboa): Mamela romborombo hitarozadrozaka amin'ny lamba. Ahitsio
Mandrombotra: (rombotra) mt. p. (mandrombota): Misintona ka mandrovitra na mandrombina: 1t? fantsika ity no nandrombotra ny lambanao. / Auy ilay alika dia nandrombotra ny akanjony. Ahitsio
Mandromotra: (romotra) mt. p. (mandromota): Manaikitra, mandrovitra amin'ny nify, amin'ny tanana. ? h. i.: Mandidy amin'ny antsy dombo, manapaka amin'ny tsofa. Ahitsio
Mandrompotra: (rompotra) mt. p. (mandrompota): Manorotra, mioty eran-tanana. Ahitsio
Mandrona: (rona) mt. p. (mandrbna): Mampihilana, mampiraika. Ahitsio
Mandronaka: (ronaka) mt. P. (mandronaha): Mampitia fatratra. Ahitsio