Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manevateva: na Mitevateva (tevateva) mt, p. (maneuateuà, maneuateuazà na miteuateuà, miteuatevazà): Manao ho tsinontsinona, manaratsy, maniratsira Ahitsio
Manevika: (tevika) mt. p. (maneveha): Mandoaka (ny ravintsofina hasiana kavina): Iza no nanevika ny rahavavinao? 1 Mitana (amin'ny paingotra): Maneuika sary amin'ny paingotra, 1 mt,s,: Manindrontsindrona: Misy manevika ato amin'ny tratrako ato izany, - F.-p.: Manevika ny tendrombohitra: mandeha manaraka hodimirana amin'ny tehezan-tendrombohitra fa tsy manitsy ny tendrony a-vo. Ahitsio
Maneviky: (Tsm) a: Bozaka misy tsilo fanao tafontrano. Ahitsio
Manevingevina: (hevingevina) mt, p. (manevingevena): Mampirona miankavia miankavanana, mampidoladola, manakivilivily. Ahitsio
Manevoka: (evoka) mt. p. sady p.t. (manevoha): Mampanao evoka: Nanevoka ny zanany voan'ny bonibony Rasoa 1 p. t.: Manempotra, manempontsempotra (enti-nlaza hafanana na fofona mahery): Manevoka ny fofona auy amin'io fitoeram-pako io. Ahitsio
Manevokevoka: (evoka) p.t.: Enti-milaza ny andro mafana aoka izany, misy rivotra toti manempotsempotra, Ahitsio
Maneza: (heza) mt. p. (manezà): Manisy heza. Ahitsio
Manezaka: (ezaka) mt, p. (manezaha): Manenjana, maninjitra. 1 Manao am-paharisihana, am-pikelezana aina: Nanezaka ise tamin'it$y uolana ity matoa nahazo voalohany. 1 Manomboka: Nanezaka nitomany ilay zaza raha uao lasa reniny. 1 Maka an-keriny; manao angovy: Aza manezaka zauatr'olona Ahitsio
Manga: p. t.: Sora-javatra na volon-doko fitambaran'ny maitso sy ny vony; volon-dokon'ny lanitra tsy misy rahona: Manga ny habakabaka. 1 h.o.: Tsara, mahafinaritra: Manga ny dia. / Manga feo izany raha mpihira 1 Ambony, malaza: Tsara horaketina ny tantaran'ny olo-mangan'ny firenena. i tif: Amanga, mangaina, hamangaina, voamanga / manamanga, fanamanga, mpanamanga / anamangana, fanamangana / mahamanga / mangamanga / hamanga, fahamanga / hamangana, fahamangana. - F.-p.: Manga feo: tsara feo eo am-pihirana, — entimilaza koa ny fahaizana mandrobo sy misaroro na manambaka amin'ny fiteny tsara lahatra. / Manga maso: manana maso mahatehotia manome endrika kanto ny tompony. i Olo-manga: olona mendrika manan-tombo amin'ny fahaizana, hatsaran-toetra, fikarohana ny hahasoa ny vahoaka. / Omby manga: omby dia na haolo. Ahitsio
Manga: a.: Karazan-kazo mamoa midoroboka misy voany maitso manopy vony rehefa masaka, izay mamy be mpankafy. Misy karazany maro ny manga: manga lava: lavalava ny voany; manga uato: tsy mba misy hozatrozatra ny voany; manga vato voasary: manga vato miendri-boasary; manga uolomparasy: volomparasy ny volon'ny voany rehefa masaka; manga uory: manga boribory kely mamy aoka izany; manga eso: manga mamy avy any avaratra; mangan' omby: manga vaventy be faroratra tsy dia manao ahoana ny tsirony. Ahitsio
Mangabaka: (habaka): Tsy ao intsony ny ao anatiny fa efa foana. Ahitsio
Mangabakabaka: (habaka) p.t.: Loaka lehibe, mangoana ngeza. Ahitsio
Mangaboka: (haboka) p. t.: Matroka, mangavoka. 1 Entimilaza zava-masaka manomboka havao. Ahitsio
Mangadihady: (hadihady) p.t.: Enti-milaza toerana foana tsy misy na inona na inona fa 'osa daholo izay zavatra tao, toy ny tany tsy misy ahitra na voly izany, na toy ny loha nokakasana: Nataony nangadihady ny lohany ka saika tsy fantatro izy. Ahitsio
Mangadona: (hadona) mt. P. (mangadony): Mitoto (vary): mikapoka na mipaika mafy. Ahitsio
Mangady: (hady) mt.p. (mangadia): Mandoaka, mitrandraka amin'ny angady, nefa tsy fiteny firy intsony izy io, fa soloana ity manaraka it?: mihady. Ahitsio
Mangafoka: p.t.: Maimaina kely rano. 1 Tsy mifatratra tsara fa mibohabohaka. 1 Makafoka. 1 Mararirary toa maimaina ny ambavafo. Ahitsio
Mangafokafoka: (hafoka) p.t.: Marisarisa, hafahafa. Ahitsio
Mangahazo: a.: Karazan-javamaniry fihinam-bodiny anisan'ny haninkotrana naman' ny vomanga. (Vomangahazo no anarany taloha, izay nohafohezina taty aoriana hoe mangahazo na voangahazo — niavian'ny hoe ravim-boangahazo): Hatao sola-dena ve ny fahandro mangahazo ity? ¶ M.h.: Balahazo, kazaha, mahozo. Ahitsio
Mangaihay: (haihay)p.t.: Malahelo fa namoy zavatra nana-nana; nanantena zavatra ka tsy nahazo, hany ka toa tsy mahita hatao na holazaina: Lasa ilay voronkely efa azon' Isambilo ha nangaihay foana teo izy, ¶ M.h.: Mangasihasy, mipitrapitra, mihaingihaingy, mitanatana vava, manola-nify, gaina, diso paika, diso tetika, diso fanantenana, mangaina, malazo molotra, manjahatra, manjahana, mangotsoka, manjetoka, mitokaiky, mitsako dilana, kepoka. Ahitsio