Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamotsotra: (votsotra) mt.p. (mamotsàra): Mamaha, manaboraka: Iza no namotsotra ity kofehy it?? •Mitery (ombivavy): Lasa namotsotra omby any an-tsaha izy. *Manafaka gadra na mpanompo: Iza no mpanjakavavy namotsotra ny mpanompo raha mba fantatrao? t• Manala (ny fahotana): Nahazo lalana tamin'ny Tompo hamotsotra ny fahotana izy. 1 Miala, mamadika: Mahagaga fa namotsotra indray ny iray tamin' ireo nilatsaka hofidina 1 Enti-milaza biby miteraka ka tsy mahazo ny zanany: Namotsotra indray Ikalamavo! Ahitsio
Mamotsy: (fotsy) mt.p. (mamotsia): Manadio (metaly, nifY ): Mamotsy sabatra • Mitoto vary fanintelony (rehefa avy nanamaivoka dia nanatsaitsaika azy): Ndeha mamotsy vary rankizy a! Ahitsio
Mamovo: (vovo) mt.p. (mamovàa): Malts amin'ny vovo: Mamovo trondro. Ahitsio
Mamovoka: (vovoka) mt. s.: Mandrakotra vovoka: Mamovoka io tany mianjera io fa amboary. 1 Manetsika, mampibofoka vovoka, mampitera-jofo: Tandremo ny mamovoka rehefa mamafa trano. • Enti-milaza ny vovoky ny kitrotro izay miendaka amin'ilay marary ka manidina mifmdra amin'ny mbola tsy voa: Mamovoka izao ny kitrotron'ny ankizy ka aza mbola mamangy any aminay aloha ianareo. Ahitsio
Mamoy: (foy) mt.p. (mamoiza): Very zavatra, maty havana ka tsy manantena azy intsony: Efa namoy ilay bokiko very aho kango hay hitako ihany. / Ny harivan'nyandro uoalohany amin'ny Fandroana ny Malagasy no mamoy. - F.-p.: Mamoy aina: manao sorona ny ainy, mitolo-tena ho faty. / Mamoy fo: manary toky; kivy tsy manam-panantenana intsony. Ahitsio
Mamoy: (foy) mt. s.: Vaky mandeha nana, mivoaka nana: Namoy ilay vay teo an-kandriny. Ahitsio
Mamoy: (foy) mt.p. (mamoiza): Mamotsika: Mamoy hao (fiteny koa ny hoe mifoy: mifoy hao). Ahitsio
Mamozafoza: (foza, fozafoza) mt.p. (mamozafozà): Mamoriporitra. Ahitsio
Mamozezika: (vozezika) mt.p. (mamozezéha): Manavovona, manavosa zavatra befahatany. Ahitsio
Mamozezy: (vozezy) p.t.: Mitombo mihamaro eo an-toeran a. Ahitsio
Mamozona: (vozona) mt.p. (mamozbna): Manery, manao an-terisetra, manao anterivozona. Ahitsio
Mampahendry: (hendry) mt.p.: Manao izay hahatonga han-dry: Ny mpampianatra azy no nampahendry ireto zaza ireto. Ahitsio
Mampaka: (moka) mt.p.: Manome baiko haka. Ahitsio
Mampakatra: (akatra) mt. p. (mampakara): Mitondra amin'ny toerana ambony: Iza no nampakatra ireo entana ireo taty ambony rihana? Manondrotra: Izaho ihany no nampakatra anao amin'io toerana io. ~ Mitondra min' ny lehibe: Nampakatra fitarainana any an-tampony aho. ~ Mankalaza fanambadiana amin-dRa..: Vao tamin'ny asabotsy teo no nampakatra an-dRazanany Rabe. Ahitsio
Mampamangy: (vangy) mt. p. (mampamangia): Mampitoncira famangiana olona noho ny tsy fahafahan'ny tena mankany. Ahitsio
Mampangatsiaka: (hatsiaka) mt p. (mampangatsiaha): Manao izay hahatonga mangatsaka Ahitsio
Mampaninona: (inona?) mt.p.: Mahatonga ho inona: Mainpaninona ahy moa izay ompanao? Ahitsio
Mampanjanaka: (zanaka) mt. p. (mampanjanàha): Mampisam-bola misy zanany; manao petra-bola misy zanany: Nampanjanaka vola telo art-vo tamin'io taozava-pirenena io aho. Ahitsio
Mamparikivy: (marikivy) mt.p.: Mahatonga m arfkivy. Ahitsio
Mampatahotra: (tahotra) p.t: Mahatonga hatahotra (marihina anefa fa zavatra no lazaina amin'izany): Mampatahotra ny ankizy ilay sarivongana eo ambony fasana. Ahitsio