Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manaika: (aika) mt.p. (maneha): Manery, manao izay hampikitroka: Iza no nanaika ireto tofo tanimanga ireto? ? Miantso (olona maro) ho vory: Ny mahaloza azy dia aisy basivava nanaika fokonolona (E.D.A). ? Miantso, maka: Raha bainga no hanehana mpamadika, dia izahay no fiantso (Kabary am-panambadiana). Ahitsio
Manaikitra: (kaikitra) mt.p. (manaikera): Miketoka, mamely amin'ny nify: Avy hatrany dia manaikitra io alika io fa tandremo. ¶ M.h.: Mandramatra ? Manindrona: Manaikitra ny moka amin'ny fahavaratra. ? h. o.: Masiaka amin'ny lanilany: Manaikitra ny sakay. ? Maharary: Manaikitra ny kiraro fa uao. 1 Mihinana, mahazo tsara, miraikitra tsara:Tsy manaikitra ity tondra / Tsy manaikitra tsara ny loko natao tamin'it? lamba 1t?. ? Masiaka, sarotiny, tsy azo hatonina: Manaikitra ny lehibenay fa aza mitsiditsidika any am-piasanay any ianao. ¶ .h.: Miketoka, manaketoka, mikaretoka, manakarepoka, manakaretoka, marnazana, manatandra, mandramatra, mandrambo, mandrovitra, mandriatra. Ahitsio
Manaiky: (aiky, eky) mt.p. (maneke): Manao tsy misy fandavana, manaraka ny sitrapon'ny hafa: Manaiky ny lehibeny ny miaramila. ¶ M. h.: Manoa. ? Mankasitraka, mankato: Mana?ky ny hevitrao aho. / Rehefa tsy miteny, hono dia manaiky, hoy ny tandrefana ? Mety: Tsy manaiky ny handeha izy. ? Mandray: Tsy manaiky fana-titra na inona na inona izy. ? Manome: Manaiky izay rehetra angatahin-Janany aminy Rasoa, hany ka nanjary mi-hanta be ny zanany. ? Mitsotra, mibaboka: Tsy nanaiky ny helony ilay uoampanga - F.-p.: Manaiky lembenana, manaiky lempona: manaiky izay rehetra lazaina aminy, noho ny tahotra na ny hasarotan-kenatra. / Manaiky be, manaiky befahatany, manaiky ambony ihany: manaiky izay lazaina aminy, tsy ampiheverana fa an-jamba fotsiny. Ahitsio
Manainga: (ainga) mt.p. sy mt. s, (manaingà): Manala ny zavatra amin'ny toerana ambany misy azy ka manondrotra azy, mibata: Tsy afaka manainga ny tongony akory io marary io. / Afaka manainga ity vato ity ve ise? ? h.o.: Mamporisika, mitaona: Manainga ny vahoaka ny Filohan'ny Nosy mba hifankatia sy hiasa, ? Miala amin'ny toerana iray ka mandeha: Tsy afaka hanainga amin'ny efatra maraina isika fa mbola misy hamboarina ny fiarakodia. Ahitsio
Manaingina: (taingina) mt.p. (manaingèna): Mametraka eo ambony: Manaingina entana eo ambony lalimoara izy. ? Manone amboniny (amin'ny fanongonam-barotra). Ahitsio
Manainginaingina: (ainginaingina) mt p•: Mametraka amin' ny toerana avo, na ambony zavatra Ahitsio
Manaingisaingy: (saingy) p. t.: Misalasala, miroahana, mihambahamba. Ahitsio
Manaingo: (haingo) mt.p. (manaingoa): Manisy haingo, mandravaka, mandrenty: Iza no nanaingo ny vavahady? Ahitsio
Manaingoka: na Mitsaingoka (tsàingoka) mt.p. (manaingàha, mitsaingàha): Mitomboka amin'ny vava: Manaingoka, mitsaingoka uoantseoa ny boloky. ? Mifaoka aminkakingan a, mandrapaka: Nisy nanaingoka ilay anjara mo f o mam in -janako. Ahitsio
Manaintaina: (taintaina) mt.s.: Marary mafy toa misy manombotrombotra: Man ain tai-na izaitsizy ilay vay lahy kely ato amin'ny uozoko ato. Ahitsio
Manaitay: (taitay) mt p. (manaitàiza): Mandodona, manafafngana. Ahitsio
Manaitra: (taitra) mt p. (manaira): Mamoha amin'ny tori maso: Tsy nisy nanaitra ahy ka dia diso fidirana ter? aho. * Mampitahotra tampoka, mampivadi-po: Nanaitra ahy ny fahitako ilay olona niditra tampoka tao an-trano. ? Manatabataba tampoka ka mahatonga handositra: Iza no nanaitra ilay vorona nitsindrotsindroka teto? ? Mahagaga: Manaitra ahy izany uaouao lazainao izany. * Ohab.: Aza manai-boronkotifirina: aza aseho mialoha izay tetika hatao amin' olona kendrena ho azo. Ahitsio
Manaizana: (aizana) mta: Ma-nana anaka, bevohoka. Ahitsio
Manaja: (haja) mt p. (manajà): Manome voninahitra: Manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela uelona ianao. ? Manao ho zavatra, miraharaha, manampo: Manaja fotoana / Manaja ny raharahany izy. - F.-p.: Manaja fotoana: tsy mandiso fihaonana nifanarahana na ny pailc' andro nambara. /Manaja ny teny natao: tsy mivadi-bolana na mitsoateny, fa mitana ny teny na-tao hatramin'ny farany. /Ma-naja tena: tsy mampiseho toetra na fomba ratsy mety hanala baraka tena, fa vonona hitana ny laza soa ananana; io f: p. io koa anefa dia enti-milaza ireo miolonolona tsy mety hihosinkosina a• min'ny raharaha iraisana, fa toa mihatakataka. Ahitsio
Manajadona: na Manjadona (fadona) mt p, (manajaddna): Manatsatoka. Ahitsio
Manajakaja: (hala) mt.p. (manajakajà): Mikarakara, miraharaha, miahy, mikanonkanona. Ahitsio
Manajamba: (jamba) mt.p.: Mahatonga tsy hahita. Ahitsio
Manajanona: na Manjanona (janona) mt. p. (manajanàna, manjanàna): Mampitokona: Nanajanona ny fiarany teo afouoan-dalana izy ka voasazy. ? Mampiato, tsy mamela hanohy: Tonga ny mpampianatra nanajanona ny ady hevitra fa saika nivadika ho zavatra hafa Ahitsio
Manajaradona: (jaradona) mt. p (manajaradàna): Mampijoro mahitsy. Ahitsio
Manajaridina: (jaridina) mt.p. (manajaridina): Mampijoro mahitsy tsara tsy mihetsika, Ahitsio