Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ranovory: (Btl) a.: Kamory. Ahitsio
Rantiranty: ft.: Fanatrangana zavatra aseho tsy misy miafina ho hita tsara; entina milaza koa ny olona maro be na fiadiana izay miseho ankianja. - t.i.f.: Arantiranty, voarantiranty, tafarantiranty, tafaranty 1 mandrantiranty, fandrantiranty, mpandrantiranty I andrantirantiana, fandrantirantiana 1 mirantiranty, firantiranty, mpirantiranty j irantirantiana, firantirantiana 1 maharantiranty. Ahitsio
Ranto: a.: Fandehanana any an-tany lavitra hivarotra na hikaro-java-tsoa. - t.i.f.: Rantoina, rantovina, voaranto I mandranto, fandranto, mpandranto 1 andrantoana, fandrantoana 1 firantoana 1 maharanto / rantoranto. Ahitsio
Ranto: (Ski) a.: Tany misy fui-ka fotsy madinika dia madinika ary midobodoboka raha hitsahina. Ahitsio
Rantoina: na Rantovina (ranto) mt. ih. (rantoy, rantouy): Alaina, karohina any an-tany lavitra: Norantoiko tany an-tSakalaua ireo omby ireo. / Fahaizana norantouiny tany ampitan-dranomasina izany ka tsy ariariany foana. Ahitsio
Rantovina: mt. ih.: Jer. Rantoina. Ahitsio
Rantsambatana: a.: Anarana ilazana ny tanana roa sy ny tongotra roa izay toa misampana avy amin'ny vatana. Ahitsio
Rantsana: a.: Ny sampan'ny hazo: Tokony hotapahina ny rantsana maty. ~ Ny iray amin'ireo fisampanana dimy amin'ny tendron'ny tanana na ny tongotra tsirairay avy: Lazao auy ny anaran'ny rantsana dimy. - t.i.f.: Rantsanana, rantsanina, voarantsana 1 mandrantsana, fandrantsana, mpandrantsana 1 andrantsanana, fandrantsanana / mirantsana, firantsana 1 maharantsana / rantsandrantsana / miraistsandrantsana. - F.-p.: Felatana-mangaika ny rantsana: enti-milaza ny olona tonian-draharaha izay mampitambatra ny maro amin'ny fiaraha-miasa. / Rantsambatana: ireo tanana aman-tongotra sy ny hafa koa miray amin'ny vatana./Rantsankazo: ny sampan'ny hazo maniry. ( Rantsantanana: ireo rantsana folo amin'ny tanana. / Rantsantongotra: Ireo rantsana folo amin'ny tongotra. Ahitsio
Rantsanana: (rantsana) mt. ih, (rantsana): Tapahina ny rantsany: Rantsanana ny voaloboka eo amin'ny uolana jiana. Ahitsio
Rantsanina: (rantsana) mt. ih. (rantsano): Kitihina (vakha), rontsonina. Ahitsio
Rantsankazo: a.: Fisampantsampanan'ny taho lehibebe izay misandrahaka indray kosa avy amin'ny vatan-kazo; sampaho mitondra ny voa. Ahitsio
Rantsantanana: a.: Anarana ilazana ireo fisandrahaky ny tanana dimy, izay ampiasain' ny olombelona amin'ny fandraisan-javatra, dia ny ankibe, ny fanondro, ny fanondroadala, ny manarapoana ary ny ankikely. Ahitsio
Rantsantongotra: a.: Anarana ilazana ireo fisandrahaky ny tongotra dimy, mifamaly amin'ny rantsantanana. Ahitsio
Rao: sy Raorao a.: Toetran' ny zavatra misy marokoroko ny ivohony, hasaosao, harokoroko. 1 h.o.: Adiady, fifandirana, tsy fifanarahana: Hialako io raharaha io fa toa be raorao be ihany. - t.i.f.: Marao, maraorao. Ahitsio
Rao-dia: (raoka dia) a.: Fandraofana tany indray mitsingina amin'ny tany nohitsahin'olona iray mba hamosaviana azy. Ahitsio
Raoatry: (fr. pat. rouar) a.: Karazan'omby vahiny nampidirin'i Jean Laborde teto Madagasikara. Ahitsio
Raobine: (fr. robinet) a.: Famohana na fanidian-drano araka izay tiana, mipetaka amin'ny vatan'ny fitehirizandrano na amin'ny fantsondrano iray; tsirlrY. Ahitsio
Raofina: (raoka) mt. ih. (raofy): Angonina amin'ny tanana: Raofy ireo tsaramaso ireo. ? Paohina, faohina, atao majifa: Noraofin'ny mpangalatra ny lamba rehetra tao an-trano. ? Baboina: Noraofin'ny fanjakana ny fananany. ? Samborina indray miaraka:Noraofin'ny poiisy ireo mpangalatra niafina tao anaty zohy. Ahitsio
Raoka: a.: Fakana zavatra, ka izay mahafeno ny tanana, na ny tanana anila na ny tanana anankiroa; fandraisana zavatra indray miaraka. - t.i.f•: Raofina, araoka, voaraoka / mandraoka, fandraoka, mpandraoka I andraofana, fandraofana / miraoka, firaoka / maharaoka / raodraoka. Ahitsio
Raokandro: a.: Zavamaniry a-tao fanafody na tambavy alafna vao maraina, amin'ny andro vao miposaka. Ahitsio