Rezarezaina | : | (rezareza) mt. ih. (rezarezao): Enti-milaza ny valiha kitikitihina amin'ny fomba toa valabalaka.
Ahitsio |
Rezatina | : | (rezatra) mt. ih. (rezato): Fantsihana amin'ny fantsika vaventy.
Ahitsio |
Rezatra | : | a.: Fofona mivoaka avy ao am-bava, avy amin'ny sakafo nohanina tsy levona. ? Fantsika lehibe. - t.i.f.: Rezatina, arezatra, voarezatra / mandrezatra, fandrezatra, mpandrezatra / andrezatana, fandrezatana / mirezatra, firezatra, mpirezatra I irezadrezatana, firezadrezatana I maharezatra.
Ahitsio |
Rezoka | : | Mitovy amin'ny Razoka.
Ahitsio |
Ria | : | sy Riaria a.: Fandehanan' ny rano izay mafy firiotra; fanetsiketsehana zavatra ao anaty rano; fandehandehanana ets? er9 amin-kafaliana. - t.i.f.: Riariavina, ariaria, voariaria / mandriaria, fandriaria, mpandriaria / andriariavana, fandriariavana I miriaria, firiaria, mpiriaria / iriariavana, firianiavana I maharfarfa / maria.
Ahitsio |
Riadriaka | : | a.: Hafaliana noho ny fiarahana amin'ny hafa.
Ahitsio |
Riadriatina | : | (riadriatra) mt, ih. (riadriato): Atao amin-katezerana arahim-pihetsika mitrevatreva; apoapoaka mafy.
Ahitsio |
Riadriatra | : | a.: Hatezerana arahim-pihetsika mitefotefoka na mitrevatreva, tsy misy fitsitsiana na dia kely aza; fipoahana mahery setra. 1 Riadriatina, voariadriatra, tafariadriatra / miriadriatra, firiadriatra, mpiriadriatra / iriadriatana, firiadriatana.
Ahitsio |
Riadriatra | : | a.: Fomba filalao amin'ny fanorona, mifanohitra amin'ny vela.
Ahitsio |
Riadriatra | : | a.: Anaran-kazo.
Ahitsio |
Riaka | : | a: Rano avy amin'ny ranonorana mikoriana amin' ny tatatra: Nentin'ny riaka ny satrony ka tsy tratra intsony. • h.o.: Habetsahana. ? h.i.: Rano be;ranomasina: Aniuon'ny riaka no anarana niantsoana fahizay ny tanintsika. - t.i.f.: Mandriaka, fandriaka / miriaka, firiaka / riadriaka / miriadriaka, firiadriaka, mpiriadriaka / mahariadriaka I mariaka sy mariadriaka. - F.-p.: Aniuon'ny riaka: enti-milaza izay tany voahodidin'ny rano toa an'i Madagasikara, ka izany teny izany indrindra no nilazana ny Nosin'ny Malagasy fahizay. / Entin-driaka: paohin'ny rano mandeha amin'ny tatatra. min'ny toerana ambony, izay matetika avy amin'ny fahatapahan'ny lalan'ny renirano, ka tsy misononoka intsony fa midina tampoka manaraka laha-bato mikitoantoana; noho ny rano mianjera mafy, dia misy roatrany be ary mitalakotrokotroka ny riana sasany. - t.i.f.: Rianana / mandriana, fandriana / riandriana / miriandriana. - F.-p.: Riam-bato: enti-milaza ny rano mivarina amin' ny haram-bato. f Saobakaka ambody riana: fitenenana ilazana ny olona tsy milamintsaina fa voakorontana sy mitebiteby lava toy ny saobakaka voakotaban'ny fivarinan'ny rano mianjera ao amin'ny riana eo akaikiny. * Ohab.: Tsy misy uolo manoha randrana, na vato manoha riana: enti-milaza fa tsy misy manohitra izay atao sy heverina fa milamina tanteraka hatrany.
Ahitsio |
Rianana | : | (riana) mt. ih. (riano): Asiana mafy: Norianany ny tehamaina ilay zaza niteny ratsy. • Katrohina: Riano o. m in' izao.
Ahitsio |
Rianaratra | : | a.: Onjan'aratra mitsoriaka amin'ny tari-barahina.
Ahitsio |
Riandriana | : | a.: Vy bontolo, fisapisaka ny tampony, ametrahana ny zavatra hotefena izay kapohina amin'ny maritoa eo amboniny.
Ahitsio |
Riariavina | : | (riaria) mt. ih. (riariauo): Hetsiketsehina ao anaty rano.
Ahitsio |
Riatina | : | (riatra) mt. ih. (riato): Ampandosirina, aparitaka: Riato ireo zaza ireo fa mahasosotra. • Rovitina ka heno mitsiaka ilay zavatra; tsiahina: "Noriatiny ny akanjony fa naneuateua an'Andriamanitra, hono, izy".
Ahitsio |
Riatra | : | mt.: Lasa, lasa nandositra, niparitaka: Vao nipoaka ny basy, dia riatra ny uorona teo ambony hazo. • h. o.: Mirintona, miala an-katezerana. i tif: Riatina, ariatra, voariatra, tafariatra / mandriatra / mampiriatra I ampttiatina / miriatra, fixiatra, mpiriatra / iriatana, firiatana I mahariatra / riadriatra I riadriatina I miriadriatra.
Ahitsio |
Riba | : | a.: Fomba amam-panao: Tsy riba uao fa riba tranainy.
Ahitsio |
Ribà | : | (fr. ruban) a.: Tsoriadamba manify fanao hafngon'akanjom-behivavy na famatorana volo na famehezana amboaran-javatra mihaja.
Ahitsio |
Ribariba | : | a.: Kibo be mirotarota; fandeha mikonesanesa noho ny hatavezana. Miribariba, firibariba / ramiribaka.
Ahitsio |