Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Soroka: a.: Fanalana ny tany na ahitra amin'ny angady, izay asosa hisafosafo ny tany ny vohony: Soroka ahitra. ? Fialana amin'ny famelezana, toy ny tora-bato, kapoka, totohondry: Soro-baton'ilay jamba: voa ciao mihilana '(o-hab. ). * t.i.f. : Sorohina, asoroka, voasoroka, sinoroka / misoroka, fisoroka, mpisoroka / isorohana, fisorohana / mahasoroka / sorotsoroka. Ahitsio
Soroma: a.: Ilazan'ny mpifoka rongony ny ravin-drongony fohiny. Ahitsio
Sorona: a.: Zavatra na biby atolotry ny mpivavaka ho fanatitra solon'ny tenany a-min' Andriamanitra: Manolotra sorona. é tif,: Misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana / mahasorona. Ahitsio
Sorona: a.: Fikarakarana ny firehetan'ny afo amin'ny fandrosoana ny kitay ao ampatana. - t.i.f.: Soronina, asorona, voasorona / misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana / mahasorona. Ahitsio
Sorona: a.: Tsy filazana amin' ny olona izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy na mikasika ny havany. * t.i.f.: Misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana. ? F.-p.: Tsy misorona: tsy manoro vohony, tsy mandainga fa milaza ny marina, omban'ny hevitra hanasoa; manambara ny marina sy ny mahasoa mba tsy hahavoafitaira; tsy manafina ny tena toe-javatra mety hahatonga fahavoazana. Ahitsio
Soronina: (sorona) mt. ih. (sorony): (afo) Karakaraina amin'ny fandrosoana ny kitay ao am-patana: Sorony ny afo, ry Bozy, fa aza varia-na mamaky tantara an-tsary eo! Ahitsio
Sorony: a.: Ny antsasak'ilan' ny omby eo aloha. Ahitsio
Soropiana: (t. tr.) p.t.: Atao teli-moka. Ahitsio
Sorotà: a.: Laharan-tsikidy fahatelo ambin'ny folo (mpitsara). Ahitsio
Sorotankazo: a.: Hazomaniry maty ny ilany, izay nampiasaina ho fanalana faditra taloha: Nataoko ho hazomanga hialofana lahy, hay sorotankazo tsy mahaleo otina, — ka vao donin-dambo dia hentitra. (Tselatra) Ahitsio
Sory: sy Sorisory a.: Zavatra manelingelina ny saina ka mahatonga ny tena ho madisadisa: Miteraka sorisory ny adiady amin'ny tany amamonina. • Sorena, sorisorena, voasorisory / manorisory, fanorisory, mpanorisory / anorisorena, fanorisorena / fahasorisorena. Ahitsio
Sosa: a.: Zavamaniry mandady fihinam-body, karazan'oviala. Ahitsio
Sosa: a.: Fikorisana amin-javatra malama; fizorana tsy miato; fandehanana milamina tsy misy misakantsakana na manelingelina; fikorianan'ny rano sy fisononokan'ny lakana na sambo. - t.i.f.: Sosana, asosa, voasosa, sinosa, tafasosa / manasosa, fanasosa, mpanasosa / anasosana, fanasosana / misosa, fisosa, mpisosa / isosana, fisosana / mahasosa / sosasosa. Ahitsio
Sosaity: (angl. society) a.: Fikambanan'olona vitsivitsy na maromaro fehezina lalàna iray. Ahitsio
Sosana: (sosa) mt. pdr. (sosay na sosao): Enti-milaza olona izay andefasana (lakana) mikorisa milamina mankeny aminy: Sosay lakana aho, rey olona er? andafin-drano. Ahitsio
Sosety: (fr. chouchoute) a.: Zavamaniry mandadina ary fihinana ny voany rehefa andrahoina. Ahitsio
Sosialisma: (fr. socialisme) a.: Fomba fitantanan-karena mikendry ny tombontsoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fitovizam-pamokarana iombonana, ny fanaovana ho harem-pirenena ny orinasa lehibe ary ny kaoperativa. Ahitsio
Sosoa: a.: Vary andrahoina malemy misy ranony. Ahitsio
Sosohana: (sosoka) mt. pdr. (sosohy): Ampidirana na sisihana kofehy mba hanamafy azy kokoa: Sosohy ny lambanao fa efa marambato. / Nososohana herana ny tafontrano. ? Ampiana na soloana hafa: Nososohana uoaloboha ilay taninay eo ambony trano fa nisy maty tamin'ireo nambolena voalohany. Ahitsio
Sosoka: a.: Kofehy asisika amin'ny fahan'ny lamba iray efa misy marambato mba hanamafy azy. ? Izay anampy ny efa misy. ? Izay ambolena asolo ny efa tsy naniry. • Sosohana, asosoka, voasosoka / manosoka, fanosoka, mpanosoka / anosohana, fanosohana / misosoka, fisosoka, mpisosoka / isosohana, fisosohana / mahasosoka / sosotsosoka. * F.-p.: Soso-keuitra: tolokevitra atao mba hanampy ny efa voalaza na hasolo azy mihitsy fa heverina ho metimety kokoa. Ahitsio