Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sampona: a.: Zavatra na olona manana toetra tsy araka ny hita andavanandro fa hafahafa: Trondro sampona. ? Zavatra sendra miseho na tonga ka misakana tsy hanatanteraka izay efa nokasaina hatao; sakana: Ho tonga aho raha tsy misy sampona. ? p.t.: Voasakana, voatana: Sampona ny diany. / Sampon'ny fahafatesan-dreniny izy ka tsy tonga. - t.i.f.: Samponana, asampona, voasampona / mahasampona / manampontsamPona, fanampontsampona, mpanampontsampona / anampontsamPonana, fanampontsamponana. - F.-p.: Sampon-jauatra: zavatra hafahafa tsy araka izay fahita andavanandro. / Sampon'olona: olona mahatahotra sy ratsy bika ary mahadikidiky. / Mamoa-tsampona: (zavatra na olona) miteraka loza sy fahasahiranana tsy ampoizina noho ny fisehoany. / Manangan-tsampona: miteraka fahasahiranana tampoka, toy ny resaka na tsaho mampihorohoro sy mampitebiteby. Ahitsio
Samponana: (sampona) mt. ih.: Sakanana, tohanana: Nikasa handeha ho any Toamasina aho omaly saingy nosamponan'ny aretin'i neny. Ahitsio
Sampotina: a.: Fisaritahan-javatra, fandehanan-javatra (toy ny rivotra na rano...) tsy milamina, sady tsy mandroso hatrany fa miverina indray. - t.i.f.: Asampotina, voasampotina, tafasampotina / manasampotina, fanasamPotina, mpanasampotina 1 anasampotenana, fanasampotenana / misampotina, fisampotina, mpisampotina I isampotenana, fisampotenana 1 mahasampotina / sampotimpotina. Ahitsio
Sampy: a.: Tany am-boalohany, fanafody nofonosina tapa-damba dia nasiana tady randrana lavalava mba hahazoana "misampina" azy, ka ny nikendren'ny ntaolo azy tamin'izany dia ny hiaro amin'ny valan'aretina toy ny sery, kohaka, aretin'andoha. - Taty aoriana, zavatra (tapakazo) natao fitokiana sy hianteherana ka nivavahana: Ikelimalaza no nalaza indrindra tamin'ireo sampin'andriana. ? Fisaviliana amin-javatra hafa. - t.i.f•: Sampazana, asampy, voasampy, tafasamPY / manasampy, fanasampy, mpanasampy 1 anasampazana, fanasampazana / misampy, fisampy, mpisampy 1 isampiana, fisampiana, na isampazana, fisampazana / mahasampy I sampisampy / an-tsampY• Ahitsio
Samy: p.ml. (samia): Mpisolo anarana malala-kevitra fametraka eo alohan'ny matoanteny na mpamaritra milaza toetra ka ny heviny dia hoe: rehetra ary tsirairay: Samy naka boky telo avy izy mirahauauy. / Samy tsara ny raozy sy ny lisy. - Samy hafa: tsy mitovy: Samy hafa ny raozy sy ny lisy (tsara homarihina fa mitovy firafitra amin'ny ohatra er? ambony samy tsara ny raozy sy ny lisy, ny hoe "samy hafa" eto, fa raha "isan-karazany" kosa no heviny, mpamaritra anarana milaza toetra izy amin'izay, ka soratana atao teny iray: "samihafa"; jar. io), Ahitsio
San-: Tovona fanaovana fototeny faharoa manamafy ny hevitry ny fototeny tsotra voalohany: Sangodina (hodina), sangazona (hazona). Ahitsio
Sana: a.: Karazan-kazo fanao trano (Eloeocarpus). Ahitsio
Sanàka: p. t. : Enti-milaza vava misokatra na mitanatana, toy ny an'olona iray mitolagaga na midonàka. - t.i.f.: Asanàka / misanàka, fisanàka, mpisanàka. Ahitsio
Sanàna: p. t.: Ketrina, mitandrantandrana, fondrana. Ahitsio
Sanasana: a.: Toetran'ny vava misokatra be. - t.i.f. : Sanasanaina, asana-sana, voasanasana, tafasanasana 1 manasanasana, fanasanasana, mpanasanasana / anasanasanana, fanasanasanana / misanasana, fisanasana, mpisanasana / isanasanana, fisanasanana / mahasanasana. Ahitsio
Sanasanaina: (sanasana) mt. ih. (sanasanao): Sokafana be. Ahitsio
Sanatria: t.p.: Teny enti-milaza fandavana mafy dia mafy; na oviana na oviana, "tsia dia tsia": Izaho ve no hanao tsikombakomba? sanatria! ? Fady: Sanatria ahy ny hivarotra ny marina. ? Ohatrohatra, kanefa tsy irina velively ny hahatanterahan'izany: Sanatria, hono, na sanatria sanatria ka maty i dadabe. - t.i.f.: Sanatriavina. - F,-p.: Sanatrian'ny uaua: teny enti-mandà mafy zavatra atao ohatrohatra fotsiny: Tsy misy maniry izay hisarahan'ireto zaza ireto akory isika mianakauy, sanatrian'ny uaua. Inona no hatao raha sanatria ka maty alohan'ny uauy ny lahy? Ahitsio
Sanatriavina: (sanatria) mt. ih. (sanatriavo): Lavina mafy amin'ny filazana hoe "Sana-tria". ? Enti-milaza zavatra ratsy sambasambaina ho avy: Sanatriauina hoe ho faty ianao rahariva, inona no mba ataonao izao? Ahitsio
Sanatrina: (sanatry) mt. ih. (sanatrio): (fanahy ratsy) Roahina amin'ny sanatry. Ahitsio
Sanatry: a.: Hazo madinidinika fanaon'ny olona ody kohaka sy tambavin-jaza (Cassia lauigata). Ahitsio
Sanatry: a.: Ody fandroahana ny fanahy ratsy, izay heverina ho manabataba ny marary na manao ankasomparana (matetika no vakin-javatra na tavilotra misoratsoratra no ampiasain'ny mpanao fanafody ataony sanatry). • tif,: Sanatrina, voasanatry 1 mananatry. Ahitsio
Sanda: a.: Jola na zavatra omena ho fanampiny amin'ny takalo ifanaovana raha ohatra ka tsy mitovy vidy ireo zavatra roa ifanakalozana; tamby; amboniny: Inona no sanda homenao ahy raha hatakaloko an'iny satrokao efa tontatonta iny ity uao novidiko tsy tiako volo ity? * t.i.f.: Sandana, asanda, voasanda, sinanda 1 mananda, fananda, mpananda / anandana, fanandana / misanda, fisanda, mpisanda / isandana, fisandana / mahasanda / sandasanda. * F.-p.: Sandam-bola: vidy na lanjan'ny vola: Nitombo hatrany ny sandan'ny dollar tato ho ato. Ahitsio
Sandaly: a.: Hazo na menaka manitra avy amin'ilay hazo ala atao hoe sandal. Ahitsio
Sandana: (scinda) mt. ih. (sandao): Enti-milaza ny zavatra anomezana sanda amin'ny fifanakalozana: Zavatra mitouy vidy ireo ifanakalozanareo ireo, ka raha sandanao ny anao, maty antoka ianao. Ahitsio
Sandaotra:: Fihasimban'ny Sendaotra. Ahitsio