Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Safay: ft.: Niavian'ny hoe Misafay. Ahitsio
Safelehina: (safelika) mt. ih. (safeleho): Iolahana, iolehana, alaina amin'ny fanodidinana: Nosafelehin'ny fahauolo ny tandna. Ahitsio
Safelika: a.: Fandehanana any am-badika, fanaovana ankodina fa tsy manatrika. • Famelezana avy any ivoho fa tsy eo anoloana: An-tsafelika no namelezan'ny fahaualo. • Olakolaka, olikolika tsy mivantana: Tsy tsara ny manao safeli-teny fa aleo milaza mivantana. - t.i.f.: Safelehina, asafelika, voasafelika, tafasafelika / manasafelika, fanasafelika, mpanasafelika / anasafelehana, fanasafelehana / misafelika, fisafelika, mpisafelika / isafelehana, fisafelehana / mahasafelika / safelipelika. Ahitsio
Safidy: a. : Fahafahan'ny sitrapo maka izay tiany amin'ny zavatra anankiroa eo anoloany na atolotra azy: Manan-tsafidy hanao ny tsara na ny ratsy ny olombelona. ? Fifidianana malalaka: Anao ny safid y. * t.i.f.: Misafidy, fisafidy, mpisafidy / isafidianana, fisafidianana. * F.-p.: Safidim-po: sitraky ny fo, danin'ny kibo. / Tompon-tsafidy: afaka mifidy malalaka. Ahitsio
Safina: (safy) mt. ih. (safio): A-siana safiny. Ahitsio
Safiotra: na Safitra a.: Olona na biby vokatry ny fikambanana karazana roa samy ha-fa. ¶ M.h.: Kiry, zafindraony, metisy. Ahitsio
Safo: a.: Fikasihana moramora: Tia safo loha io Rangahy io. * Fikosokosohana amin'ny tanana, fanorana. ? Fanorana ny kibon'ny bevohoka. ? Fanamarinana sy fijerena ny asa atao. * t.i.f : Safoina, asafo, voasafo / misafo, fisafo, mpisafo / isafoana, fisafoana / mahasafo / safosafo / misafosafo. * F.-p.: Safo be mantsina: tsy misy fanavahana fa atao fao-be daholo amin'ny filazana. / Safo makirana, safo morona: enti-milaza fahafenoana mifamatra tsara amin'ny molotry ny famarana. / Safo siaka (sioka atao hampatoritory): teny atao hamalifaliana; tambitamby; fanojikojena. / Safo sirana (fisafosafoana iny ambony fe iny): fihetsehana mampiseho fahavoazana. / Misafo sirana: manao fihetsehana sy endrika mampiseho ny fahavoazana. Ahitsio
Safoaka: a.: Hatezerana lehibe noho ny hasosorana tafahoatra. * t.i.f.: Asafoaka, tafasafoaka / misafoaka, fisafoaka, mpisafoaka / isafoahana, fisafoahana / mahasafoaka. Ahitsio
Safofoka: a.: Aretin'andoha mahajenjina, mahafanina, ateraky ny fanaviana. ? Fandroadroatran'ny rano mianjera amin'ny riam-bato. * t.i.f : Asafofoka, voasafofoka, tafasafofoka / manasafofoka, fanasafofoka, mpanasafofoka / anasafofohana, fanasafofohana / misafofoka, fisafofoka, mpisafofoka / isafofohana, fisafofohana / mahasafofoka / safofopofoka / mantsafofoka. Ahitsio
Safoina: (safo) mt. ih. (safoy): Enti-milaza ny zavatra ampandalovana moramora ny tanana: Safoiny ny saokany isaky ny hiteny izy. ? Oh-na: Nosafoiny tamin'ny menaka ilay tongotro narary dia sitrana. ? Jerena ny fandehany na ny toetrany: Nosafoin'ny polisy ny tokotaninay aninaraina. Ahitsio
Safononoka: p. t.: Feno hatramin'ny morony: Safononoka ny renirano noho ilay oran-kateloana tsy niato iny. * h.o.: Feno, diboka: Safononoka ny fon'ny Malagasy nahazo ny fahaleouantena. - Ahitsio
Safontina: a. (jer. Sampotina): Fihodinana miverimberina, fiverenan'ny efa lasa ka tonga indray. ? Fisavorovoroana. ? Fisafotofotoana, fisaritahan-dresaka. * t.i.f : Asafontina, voasafontina, tafasafontina / matiasafontina, fanasafontina, mpanasafontina / anasafontenana, fanasafontenana / misafontina, fisafontina, mpisafontina / isafontenana, fisafontenana / mahasafontina / safotimpontina. Ahitsio
Saforana: (safotra) mt. ih. (safory): Totorana: Nosaforan' ny rano ny tanimbary etsy atsimo. ? Hosorana zavatra, lalorana. ? Rakofana. Ahitsio
Safosafo: a.: Tambitamby atao amin'ny tanana mandambolambo moramora mba hamalifaliana: Safosafo no mampatory an'io zaza io. ¶ M. h.: Tambitamby, tehatehaka. * Teny mamy feno fitiavana sady mandambolambo: Aza mihevitra ianao fa ho azonao amin'ny safosafo aho. ¶ M. h.: Tambitamby, fanambatambazana, kolikoly, fanolikolena, fanejokejoana, fanojikojiana, famalifaliana. ? Entina milaza ny firefarefan'ny fitafiana amin'ny tany na ny fanidin'ny vorona mila hikasika ny tany. Ahitsio
Safosafoina: (safosafo) mt. ih. (safosafoy): Lambolamboina amin'ny tanana. ? h.o.: Kasihina, tenenina kely fotsiny: Nosafosafoiny fotsiny ny amin'ny toe-karena, fa ny politika no noresahiny be. Ahitsio
Safosiaka: a.: Siatsiaka ataon' ny olona misambo-balala mba hampamitsaka azy ka hahamora ny fisamborana azy. ? h.o.: Teny mamy na a-sa mahafinaritra atao mba hanangolena izay tiana hofitahina: Tsy izaho akory no ho uoafitaky ny safosiaka ataonao. - F.-p.: Manao safosiaka mampandry adrisa: manao resaka mamy mba hampahalefaka olona tiana hangolena. Ahitsio
Safotaka: ft.: Loto misolitika amin'ny tarehy na ny rantsam-batana na amin'ny va-va. - t.i.f : Misafotaka, fisafotaka. Ahitsio
Safotina: Mitovy amin'ny Safontina. Ahitsio
Safotofoto: a.: Toetran'ny zavatra toy ny kofehy, mikorontana sy mifangaroharo izaitsizy ka tsy hita harahina fa mifampidipiditra ny lohany sy ny vodiny. ? Toetran'ny rivotra mitambolimbolina manao tampody fohy eo no ho eo. * Safotofotoina, asafotofoto, voasafotofoto, tafasafotofoto / manasafotofoto, fanasafotofoto, mpanasafotofoto / anasafotofotoana, fanasafotofotoana / misafotofoto, fisafotofoto, mpisafotofoto / isafotofotoana, fisafotofotoana / mahasafotofoto. Ahitsio
Safotofotoina: (safotofoto) mt. ih. (safotofotoy): Akorontana sy afangaroharo. Ahitsio