Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sinokatra: (sokatra) net. ih. misy tsofoka in: Voasokatra, nosokafana, novohaina hahitana ny ao anatiny: Nosinokatra ny uata ka inona no tao? Ahitsio
Sinola: (soia) mt, ih. misy tsofoka in: Voasola, solaina, a-tao tonga sola, tsisy volo: Nosinolan'ny ankizy ilay akoholahin'i zoky. Ahitsio
Sinolatra: (solatra) mt, ih. misy tsofoka in: Voasolatra, solarana, voasafo: Nosinolatry ny bala, hono, ny sofiny. Ahitsio
Sinolo: (solo) mt. ih. misy tsofoka in: Soloana, ovana; Nosinolo itay mpampianatra. Ahitsio
Sinongona: (songona) mt. ih. misy tsofoka in: Voasongona, songonana, ihoarana: Nosinongon-jandriny lahy ilay zokiny! Ahitsio
Sinoratra: (soratra) mt. ih. misy tsofoka in: Voasoratra; soratana, asiana soratra: Nosinorany tsipitsipika ny tarehiny. Ahitsio
Sinoritra: (soritra) mt. ih. misy tsofoka in: Voasoritra, soritana: Efa nosinoritra ao ampon'ny olo-marina ny fanaouana ny rariny. Ahitsio
Sinoroka: (soroka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasoroka, sorohana, diovina amin'ny angady: Hanaouan-trano angaha io tany nosinoroka io? Ahitsio
Sinorona: (sorona) mt ih. misy tsofoka in: Voasorona, soronina, ampirehetina, velomina: Afo efa nosinorona ka hataonao inona indray? Ahitsio
Sinosa: (sosa) mt. ih. misy tsofoka in: Voasosa, nasosa handeha milamina tsara, misonenika: Nosinosa ny lakana namakivaky ny farihy ka finaritra izahay. Ahitsio
Sinosoka: (sosoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasosoka, sosohana, asiana kofehy mba hitovy tantana: Ba efa nosinosoka ity ka rats y. Ahitsio
Sinovoka: (sovoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasovoka, sovohana, idirana tampoka moramora na mangina: Nosinouoky ny fahaualo ny tafika ka nahafatesana betsaka. Ahitsio
Sinta: a.: Fahatsiarovana maharary na torovana avy amin' ny hasasarana na fibatana zava-mavesatra. 6 t.if.: Sintaina ) maninta, faninta, mpaninta. Ahitsio
Sintaina: (sinta) mt. ih.: Ampahararina: Nosintain'ilay dia an-tongotra tany Ambohimanga ny foto-peko ato. Ahitsio
Sintaka: a.: Fialan'ny vehivavy amin'ny vadiny sy ny tokantranony hisara-panambadiana. - t.i.f.: Asintaka / manintaka, fanintaka, mpanintaka / anintahana, fanintahana / misintaka / isintahana, fisintahana j mahasintaka j sfntantsintaka. Ahitsio
Sintona: a,: Tarika, sarika, roritra; enti-milaza koa ny fanararaotana teny latsaka mba hanorisorena olona; zana koa ny fihemoran'ny lamba rehefa misasa ary ny fihenan'ny rano tondraka. - t.i.f.: Sintonina, asintona, voasintona, sinintona, taf asintona i manintona, fanintona, mpanintona / anintonana, fanintonana / misintona, fisintona, mpisintona ) isintonana, fisintonana / mahasintona / sintontsintona. - F.-p.: Sinto-mahery: fakana zavatra eny amih'olona a-tao an-kery s? ?m-pireharehana. / Sinton-toho: fisarihana am-batravatra tsy misy ahotrahotra. Ahitsio
Sintonina: (sintona) mt. ih. (sintony): Tarihina hankany amin'ny tena: Sintony ny uatasarihana. ~ Sarihana: A-xa mbola sintonina ny harato.,e Roritina: Sintony mafy ny tady ho henjana. ~ Tarihina amin'ny zorony, amin'ny laniny iray, vivitina: Sintony ny sofin'io zaza io fa mandainga. ~ Avadika ho ratsy, hararaotina mba hanorisorenana olona, vivitina: Aza sintontsintonina tahaka izany ny teniko. Ahitsio
Siny: a.: Fitaovana fakana rano any am-pantsakana: Miloloha siny. / Rano intelon'ny siny. * Ohab.: Tokam-pilana ohatra ny siny: tsy manam-po afa-tsy ny rano: enti-milaza olona tsy manan-javatra kinendry afa-tsy zavatra toisa-na. / Miloloha rano roa siny: misahana asa maso ka tsy misy vita tsara tomombana. Ahitsio
Siohina: (sioka) mt. ih. (siohy): Antsoina amin'ny sioka. Ahitsio
Sioka: a.: Famoahan-drivotra amin'ny molotra na ny nify sy ny lela ka mahatonga feo mifioka; siaka. - t.i.f.: Siohina, voasioka / misioka, fisioka, mpisioka / isiohana, fisiohana / siotsioka. Ahitsio