Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Solampina: (solampy) mt, ih, (solampio): Atao mandry soroka manary rano. Ahitsio
Solampy: p.t.: Iva ila, tsy marin-tampona na mijoro fa mandry ila. - t.i.f.: Solampina, asolampy, voasolampy, manasolampy, fanasolampy, mpanasolampy 1 anasolampiana, fanasolampiana f misolampy, fisolampy, mpisolampy J isolampiana, fisolampiana f mahasolampy. Ahitsio
Solana: (sola) mt. ih. (solao, na solay): Atao mangadihady tsy misy volo: Solana ny lohan'ny relijiozy lahy sasantsasany. ? h.i.: Esorina ny tendrony. Ahitsio
Solanga: p. t.: Enti-milaza zavatra — indrindra ny volo na ny tandroka — miakatra mankany ivoho: Vola solanga. - t.i.f.: Solangaina, asolanga, voasolanga, tafasolanga I manasolanga, fanasolanga, mpanasolanga f anasolangana, fanasolangana 1 misolanga, fisolanga, mpisolanga 1 isolangana, fisolangana 1 mahasolanga f solangalanga. * Ohab.: Aleo joko mihasolanga toy izay solanga mihajoko: enti-milaza fa tsara ny ambany misondrotra ho avo noho ny efa ambony mitotongana ambany. Ahitsio
Solangaina: (solanga) mt. ih. (solangao): (volo) Akarina eo ambony handrina dia ampandrina atao milavo any aoriana. (antsy) Atao miforitra any aoriana ny tendrony. Ahitsio
Solantsolana: a.: Famindra sy fandeha feno anjona sy miandranandrana. - t.i.f.: Tafasolantsolana 1misolantsolana, fisolantsolana, mpisolantsolana / isolantsolanana, fisolantsolanana I mahasolantsolana. Ahitsio
Solapotsy: a.: Ny mangahazo voavofy. Ahitsio
Solarana: (solatra) mt. ih. (solary): Voaratra ka nisy ilany kely nikipaka: Nosoiaran'ny sabatra ny sandriny. • Atomboka: Nosolarany aninaraina ny asa tanimboliny. Ahitsio
Solatra: a.: Tany mandry soroka, misolampilampy. • Fikapana na fandidiana zavatra izay misy ilany kely miala. - t.i.f.: Solarana, asolatra, voasolatra, sinolatra / manolatra, fanolatra, mpanolatra / anolarana, fanolarana 1 misolatra, fisolatra, mpisolatra 1 isolarana, fisolarana I mahasolatra 1 solatsolatra. Ahitsio
Solatra: a.: Tifitra. - F,-p.: Sola-bava: voadidy. Ahitsio
Solehina: (solika) mt. ih. (soleho): (masinina, milina) Hosorana menaka: Efa ela angaha ity milina ity no nosolehina. Ahitsio
Solelahina: (soielaka) mt. ih. (solelaho): Atao tonga saliaka, be vava. • Ilana handitra ka anaovana fandokadokafana tsy mendrika. Ahitsio
Solelaka: p.t.: Marivo aty, saliaka. ? a.: Fivelarana ary fisokafana. • h. o.: Tambitamby sy kolikoly atao mba hahafaly lehibe na dia tsy mendrika aza. - t.i.f.: Solelahina, asolelaka, voasolelaka, tafasolelaka 1 manasolelaka, fanasolelaka, mpanasolelaka 1 anasolehana, fanasolelahana 1 misolelaka, fisolelaka, mpisolelaka 1 isolelahana, fisolelahana I mahasolelaka / soleladelaka. Ahitsio
Solfa: (angl. solfa) a.: Famakia-mozika amin'ny soratra. Ahitsio
Solia: na Solie (fr. soulier) a.: Kixaro fanao an-trano ka tsy misarona ny aoriana fa ny ]ohany ihany no feno. Ahitsio
Solietnà: (fr, sous-lieutenant) a,: Ambaratongam-pahambonlana na gradin'ny mlaramlla eo anelanelan'ny Aspirà izay ambaniny sy ny Lietnà amboniny; mitovy fahamboniana amin'ny Enseigne de vaisseau kilasy faharoa amin'ny tanisa an-dranomasina (fer. Grady). Ahitsio
Solifahana: (solifaka) mt. ih. (solifaho): Abolisatra mivilana amin'ny tongotra — (toy ny tsihy izany, ohatra). Ahitsio
Solifaka: p. t.: Bolisatra vilana. i t.i.f.: Solifahaea, voasolifaka f manasolifaka, fanasolifaka, mpanasolifaka f anasolifahana, fanasolifahana 1 misolifaka, fisolifaka, mpisolifaka / isolifahana, fisolifahana 1 mahasolifaka. Ahitsio
Solifara: (angl. sulphur) a.: Zavatra any anaty tany, vonivony, ary mirehitra, mazàna atao famonoana mikraoby. Ahitsio
Solifatra: p.t.: Bolisatra. - t.i.f.: Misolifatra, fisolifatra, mpisolifatra 1 isolifarana, fisolifarana. ¶ M.h.: Solifaka, solafaka, bolasitra. Ahitsio