Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsonga: a.: Ankizivavy (mpanompo) tanora voafantina tamin'ny maro. { t,if.: Tsongaina, voatsonga / mitsonga, fitsonga j itsongana, fitsongana j mahatsonga. Ahitsio
Tsongaina: (tsonga) mt. ih. (tsongao): Fidina fatratra, fantenana: Notsongaina tanatin'ny arivo ianao, Ramatoa. ¶ M,h,: Fantenana, fidina, jobonina. Ahitsio
Tsongo: a.: Fanerena amin'ny hohon-tanana roa; fandraisana amin'ny tandra ka ny ilan-keliny ihany no terena. - t.i.f.: Tsongoina, atsongo, voatsongo, tsinongo j manongo, fanongo, mpanongo / anongoana, fanongoana I mitsongo, fitsongo, mpitsongo / itsongoana, fitsongoana j mahatsongo j tsongotsongo. - F,-p.: Antsongony na antsongony: akisa, tonony, vaniny, antsontsany, tsongo ravina, an-tendry vary. / Mila antsongony: mila kisa. / Tsongo dia: fanarahana, fizohiana fatratra mba hahitana izay olona tadiavina. / Tsongo foitra: teny ilazana koa ny mandala (aretina). / Tsongo ravina: jer. antsongony etsy ambony. f Tsongoin' olom-bolo: olona tsara sy mendrika anatin'ny maro. / Tsongoin-tory: sintonin-tory kely foana, mahita tory vetivety. f Tsongon-drenikely: tsongo fanaon'ny renikely masiaka, izay sady ataony mafy no aomary aolany. Ahitsio
Tsongoina: (tsongo) mt. ih. (tao ngoy): Terena amin'ny hohon-tanana: Sao dia notsongoinao dry ity zaza ity fa tsy mety mankany aminao intsony. ~ Forana, atao hasoavana. * Ohab.: Tsongoy fon-tena, tsongoy fon'olona: hevero na alaovy an' eritreritra amin' izay mahazo ny tenanao ny mba mahazo ny hafa koa raha manao toy izao sy toy izaoianao. Ahitsio
Tsongoloka: a.: Toetran'ny olona na zavatra mianjera na miondrika ka ny lohany lasa ambany ary ny tongony na ny vatany ambony. Ahitsio
Tsonika: ft.: Fihalevonana ho tonga ranony, fiempoana. i t,ff.: Mitsonika, fitaonika, Ahitsio
Tsononoka: a,: Fitsororohana diloilo, menaka, hatsembohana; mitovy amin'ny Jononoka. Ahitsio
Tsontsa: p.t.: Diso tsy nahy, diso noho ny tsy fitandremana: Tsontsa paika ka matim-bela: nisy nahadiso ka tratran'ny fahavoazana. ? Mila tsontsany: mila ady. Ahitsio
Tsontsona: a.: Hazo madinika misy kirany fanaovana tady (Pavonia Bojeri). Ahitsio
Tsontsona: a.: Fanafosafoana n? biby, fanambatambazana azy. - t.i.f.: Tsontsonina, atsontsona, voatsontsona, tainontsona / mitsontsona, fitsontsona, mpitsontsona / itsontsonana, fitsontsonana / mahatsontsona. Ahitsio
Tsontsonina: (tsontsona) mt. ih. (tsontsony): Safosafoina, tambatambazana (bibY)• Ahitsio
Tsontsoraka: a.: Karazam-bolotsangana tsy mba misy vaniny, ka fanao renitsirika hitifirana vorona madinika. Ahitsio
Tsontsoraka: a.: Karazan-javamaniry' nampiasaina fahiny tamin'ny sorona teo an-jorofirarazana, fa ankehitriny kosa entina mampiray ny tai-mina anafoana trano. Ahitsio
Tsontsorifana: Tsontsorihana (tsontsorika) mt. pdr. (tsontsorffo, tsontsoriho): Ampidinana (rano). Ahitsio
Tsontsorika: a.: Fandrosoana midina. - t.i.f : Tsontsorifana, tsontsor!hana, atsontsorika, voatsontsorika, tafatsontsorika j manataontsorika, fanatsontsorika, mpanatsontsorika j anatsontsorihana, fanatsontsorihana, fanatsontsorifana / mitsontsorika, fitsontsorika, mpitsontsorika / itsontsorihana, fitsontsorihana / mahatsontsorika. - F,-p,: Tsontsori-mamba: fianjerana ao anaty rano, ka ny loha no alefa aloha: kilalaon'ankizilahy: atao mifampidipiditra ao anelakela-pen'ny namana avy ny lohan'ny tsirairay dia mits!mbadimbadika amin'izay izy. / Tsontsori-mamba hisarahana: fotoana tsy maintsy hisarahana, tsy hahafahana miara-mipetraka intsony fa tonga ny tsy fifanarahana. Ahitsio
Tsontsorofina: (tsontsoroka) mt. ih. (tsontsorofy): Kapo-bina, havokavohana, darodarofana, Ahitsio
Tsontsoroka: ft.: Fikapohana, fanovokovohana, fandarodarohana, - t.i.f.: Tsontsorofina. Ahitsio
Tsopaka: ft.: Fandrosoana miditra. - t.i.f.: Mitsopaka. Ahitsio
Tsopiaka: f t.: Fipendrampendran'ny maso jambenan'ny hazavana; fanjelanjelatry ny rano na ny hazavana. Mitovy amin'ny Joplaka. 1 t,if.: Atsopiaka, tafatsopiaka j mitsopiaka, fitsopiaka, mpitaopiaka / itaopiahana, fitsopiahana j mahatsopiaka / taopiapiaka, Ahitsio
Tsopilaka: Mitovy amin'ny Pilaka. Ahitsio