Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tampodina: (tampody) mt. th. (tampodio): Zairinamandroso sy miverina. Ahitsio
Tampody: a.: Teny ilazana ny fiverenana amin'ny toerana nialana ny androtr'inY ihany. ? Fomba fanjairana mandroso sy miverina toy izao: atsofoka eo aorian'ny nivoahany ny fanjaitra, dia avoaka indray kosa eo alohan'ny nivoahany, ary dia toy izany hatrany. * t.i.f.: Tampodina, atampody, voatampody, tafatampody 1 manatampody, fanatampody, mpanatampody / anatampodiana, fanatampodiana / mitampody, fitampody, mpitampody 1 itampodiana, fitampodiana / mahatampody. Ahitsio
Tampohana: (tampoka) mt. pdr. (tampohy): Ampiana rano: Nahoana no notampohanao rano ity ronono ity? Ahitsio
Tampohina: (tampoka) mt. ih. (tampohy): Tratrarina tampoka, sovohina: Notampohin' ny fahaua?o ny tao an-tandna. Ahitsio
Tampoka: a.: Fanampiana rano mangatsiaka ny rano mafana mba hampangatsiatsiaka azy, na hanatsatsoana fisotro mahery amin'ny fanampiana rano azy. * t.i.f.: Tampohana, atampoka, voatampoka, tinampoka / manampoka, fanampoka, mpanampoka / anampohana, fanampohana / mitampoka, fitampoka, mpitampoka / itampohana, fitampohana. Ahitsio
Tampoka: p. mt.: Tsy nampoizina: Tonga tampoka Rakoto. ? Vetivety foana: Tampoka foana tao, avy ny orana, ka kotsa izahay rehetra. * t.i.f.: Tampohina, voatampoka, tinampoka / manampoka, fanampoka, mpanampoka / anampohana, fanampohana / mahatampoka. Ahitsio
Tampona: a.: Ny faritra avo indrindra amin'ny zavatra iray: Ny tampon'ny tendrombohitr'Ankaratra no atao hoe: Tsiafajavona h. o.: Ny fara tampony ambony, ny fanaperana: Tonga amin'ny tampon'ny voninahitra izy. - t.i.f.: Tamponana, atampona, voatampona, tinampona / manampona, fanampona, mpanampona 1 anamponana, fanamponana 1 mahatampona. Ahitsio
Tamponana: (tampona) mt. ih. (tampony): Asiana eny antampony; jerena avy eny antampony. Ahitsio
Tamy: mt. p.: Avy, manatona, mby efa ho tonga: Inty tamy i rainao. Ahitsio
Tamy: a.: Loaka, na hirika ataon'ny mpangalatra amin' ny rindrina, ? Fananihana, fandrobana fananana amin' ny tsy ampoizina. 6 Tamina, voatamy 1 manamy, fanamy, mpanamy 1 anamiana, fanamiana / mahatamy. Ahitsio
Tamy: ppk.: Filazana ny lasa amin'ny hoe: Amy: Tonga tamin'ny Alatsinainy izy. Ahitsio
Tana: a. sady mt. ih.: Tazona, fihina, geja amin'ny tanana. • t.i.f.: Tanana, atana, voatana / mitana, fitana, mpitana/ itanana, fitanana/ mahatàna 1 tantàna 1 tantanana, atanana, voatanana / mitantana, fitantana, mpitantana. Ahitsio
Tana: a.: Biby mandady, irainjehy na 20 sm eo ho eo ny halavany, manan-toetra manokana fa afaka miovaova volo arakaraka ny toerana misy azy ka sarotra avahana amin'ny manodidina — Ny lahy aminy dia atao hoe tanalahy ary ny vavy tanavavy, izay mbola manana anarana maso arakaraka ny maha-tanora na zokinjokiny azy: Soamarandrana, Kamora, Kamaitso, Kam arabe. * Ohab.: Manao dian-tana: jerena ny aloha, todihina ny aoriana: entina hilazana ny olona malina, fatra-pitandrina amin'izay rehetra ataony. Ahitsio
Tana: a.: Ilazana ny olona raha miteny momba azy ihany na manao asa ho azy ihany izy: Miheui-tena ho tapi-pahaizana Rangahy io. / Namono tena, hono, Rabe. / Tsy naniraka olona izy fa ny tenany mihitsy no tonga. • Ny vatana: Mararirary be ihany ny tenako rehetra. • Ny maha-izy ny zavatra iray; ny votoatin-javatra iray: Azo sarahina roa ny tenon' ny rano. ? p. mt.: Tokoa, marina, mihitsy: Tana volamena ity fa tsy ankosotra akor?. Ahitsio
Tanahina: na Tananahina na Tanarahina (tanaka: tsy fampiasa) mt. ih. (tanaho, tananaho, tanaraho): Zohina sy enjehina tsy an-kijanona: Tanarahin 'n y tompon-trosa foana Rangahy io ka mita ho uoa ny lohany. Ahitsio
Tanàka: p. t.: Gaga, zendana, ilazana olona mahita zavatra mahavariana ka mivanaka, mitanatana ny vava. - t.i.f.: Atanaka, voatanaka, tafatanaka / mitanaka, fitanaka, mpitanaka / mitananaka. Ahitsio
Tanala: a.: Foko lehibebe, mitoetra amin'ny tany misy ny havoanan'Ikongo rakotr'ala izay manapaka azy hatrany avaratra ka hatrany atsimo, ary voafaritry ny tanin'ny Betsileo, andrefana; ny Betsimisaraka sy ny Antambahoaka, sy ny Antaimoro ary ny Antaifasy, atsinanana, ary ny ony Manampatrana, atsimo; mivelona amin'ny vokatry ny ala ny Tanala; tanàn-dehibe: Ambohimanga atsimo, Ivohibe, Ifanadiana. Ahitsio
Tanalahinala: a.: Karazana ta-na lehibe rakotra votsy ary misy sanga toa mandondona ny lohany. Ahitsio
Tanan'akanjo: faritry ny akanjo manarona ny sandry. / Tanan-daua: zavatra ifanoloran'ny olona mitandahatra maromaro an-kamindrafïndra. / Tanan-kodia na tanankodiarana: ireo hazo misandrahaka avy eo amin'ny foiben-kodiarana. / Tanan'iuoho: taovolom-liehivavy izay ataony toy izao: bangoiny misaraka roa ny volony dia alaminy any an-katoka. / Tanan-tohatra: ny zana-tohatra. / Tanan-tsotro: fitoerantsotro mihantona. * Ohab.: Maro foana toa tanam-poza: betsaka nefa tsy i-laina satria tsy hita izay asa ataony avy. Ahitsio
Tanàna: a.: Vohitra lehibe misy arabe migodana sy trano lehibe voalahadahatra arapomba mahafinaritra ny maso ary kianja malalaka isankarazany: Mipetraka any antanàna izy fa tsy et? ambanivohitra. ? F.-p.: Tanàna masina: toerana nonenan'ny razan'Andriana fahiny ka nohajain' ny Ntaolo fatratra, manana ny fadiny, nangalana rano amin'ny Fandroana nihasinan'ny mpanjaka. Ahitsio