Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Telolafy: a.: Velarana misy lafy telo; misy telo karazana ny telolafy: ny telolafy miralafy, ny telolafy miraranjo ary ny telolafy mahitsizoro. Ahitsio
Telonohorefy: a.: Antokonkintana telo avarabaratra andrefan'ny Vahindanitra, mamiratra manintona ny fijery. Ahitsio
Teloravina: a.: Karazana vahy andokoana ny rofia ho mainty (Dalechampia clematidifolia). Ahitsio
Telorirana: a.: Karazan'ahitra fahita eny an-tanimbary. Ahitsio
Telovitrana: a.: Karazan'ahitra. * Lamba landy telo karazana zairina bemiray. Ahitsio
Telovoninahitra: a.: Karazana voninkazo. Ahitsio
Telozodrirana mahitsizoro: a.: Karazana goba ny rirany 12 tsy mitovy balaya ary ny tavany rehetra mahitsizoro. Ahitsio
Temerina: na Temerana (temitra) mt. ih. (temero): Asiana temitra: Vao notemerina ny tranonay dia nisy mpanofa. * Fefena:Notemerin'ny mpijery ny mpanambady nalaintsary. Ahitsio
Temitra: a.: Taratasy,misy sary na loko mahafiharitra ny maso izay apetaka amin'ny rindrina mba handravahana azy: Be indray no mampiasa temitra ankehitriny fa efa leon'ny ranon-doko andokoana ny rindrina angaha. ? Fefy. - t.i.f.: Temerina na temerana, atemitra, voatemitra ) manemitra, fanemitra, mpanemitral anemerana, fanemerana l mitemitra, fitemitra / itemerana, fitemerana / mahatemitra. Ahitsio
Temoka: a.: Fipetrahana eo ambonin'ny zavatra iray, ka eo antsisiny ambivitra kely fotsiny; fotoana an-kamehana sy tampoka izaitsizy. ? Halatra amim-pahakingana. - t.i.f.: Voatemoka l mite-moka, fitemoka, mpitemoka l itemohana, fitemohana l mahatemoka. - F.-p.: Lavaka an-temoka: lavaka tsy lalin-doatra. / Valy an-temoka: valy haingana sady kitoatoa, maivana. Ahitsio
Temontemona: a.: Finingininginana amin'ny voditongotra. - t.i.f,: Mitemontemona, fitemontemona, mpitemontemona / itemontemonana, fitemontemonana I mahatemontemona. Ahitsio
Tempoly: (angl. temple) a.: Trano natokana hivavahana: Nisy roa lahy niakatra hivavaka tany an-tempoly: farizianina ny iray ary poblikanina ny anankiray, • lai.: Trano fiangonan'ny Protestà, mifanohitra amin'ny eglizy, ilazana ny trano fiangonan'ny Katolika. Ahitsio
Tenabe: a,: Teny ilazana ny vatana irery tsy miaxaka amin'ny rantsambatana. Ahitsio
Tenaina: (tena) mt. ih. (tenao): (akanjo) Anaovana na entina andavanandro fa ts3' mba avalona: Nahoana no tenainao iny akanjonao sarobidy iny? Ahitsio
Tenatena: a: Afovoa: Tapaka teo an-tenatena lalana ilay sarety. / Mahafinaritra ahy izay hira izay, indrindra eo an-tenatenany eo. Ahitsio
Tenatenaina: (tenatena) mt. ih. (tenatenao): Raisina na zaraina eo afovoany. • Atao "itena itena": Tsy tokony hotenatenaina ny uehivauy mendrika tahaka azy io. Ahitsio
Tenda: a.: Faritra amin'ny tenan'ny olombelona sy ny biby mampitohy ny vatana amin'ny loha ary idinan'ny sakafo avy eo am-bava: Misambotra ganagana amin'ny tendon y, / Marary tenda izy. • p.t.: Sarotra an-kanina: I-ty koa dia efa tenda izaitsizy. (Jar. Tendana). - t.i.f•: Tendana. - F.-p.: Be tenda: enti-milaza olona mpamosibosika, mpandrapadrapaka rehe fa mihinana. / Kamo be tenda: olona kamo tsy te hiasa nefa loza raha hihinan-kanina. / Tenda uoloina na volovoloina: tsy mifidy harapaka. / Matoky tenda ka manao uary aman-taolana: matoky tena tsy mifanerana. / Ganagana entina amin'ny tendany: olona tsy manan-tsafidy fa entin'ny sasany amin'izay tiany hitondrana azy. / Be tan-da, tenda be, tenda an-kanina, tendana: ilazana ny sarotra an-kanina, izany hoe sady lian-kanina no mahalany betsaka. / May ny tenda: mangetaheta izaitsizy. J Ma-ka tenda: enti-milaza fofona manamaina ny aty tenda, na hanina nohanina mampahasiatsiaka ny aty tenda. / Vady mifankahita tenda: mpivady mifankahalala toetra tsara. * Ohab.: Matoky tenda ka manao vary aman-taolana: matoky tena be loatra, ka manao zavatra amin-kasahiana mihoa-pampana. J Tendan'akoho latsaka orana: enti-milaza olona mazoto ho-mana izaitsizy. Ahitsio
Tendabe: a.: Ny lalandrivotra mankamin'ny havokavoka. Ahitsio
Tendakely: a.: Ny lalandrivotra mankamin'ny vavony. Ahitsio
Tendana: (tenda) p.t.: Sarotra an-kanina, izany hoe mahery mihinana lozantany. ¶ M.h.: Sarotra an-kanina, sarotra, fatihanina, maty ankanina, be tenda, tenda ankarrirra, tendana. Ahitsio