Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tahafina: (tahaka) mt. ih. (tahafo): Enti-milaza ny olona izay itovizana, ka ny fitovitovizana amin'ny endrika sy ny toetra indrindra no lazaina amin'izany: I Raibeny no tahafin'ity zaza ity. Ahitsio
Tahaka: p. t.: Misy fitoviana: Taha-dray lahy ity zaza ity! * t.i.f.: Tahafina, voatahaka, tinahaka / manahaka, fanahaka, mpanahaka / anahafana, fanahafana / mifanahaka / mahatahaka / tahàka. Ahitsio
Tahàka ny: ppk.: Enti-milaza fitoviana ara-pampitahana an-tsary na an'ohatra: Tahàka ny dian-tongotra hauia ny sarin ' i Madagasikara. - F.-p.: Raha tahàka ahy: raha araks ny hevitro. ¶ M. h. : Ohàtra, mitovy ; -jereo koa ireo mitovitovy hevitra aminy fotsiny: sahala, toy, toa. Ahitsio
Tahalaka: a.: Tovon-tany mamaritra ny sisin-tanimbary, mitovy amin'ny atao hoe valamparia, fefilohan-tanimbary (amin'ny Betsileo, ny tahalaka dia entina hilazana mihitsy ny vola arakaraka ny habeny, ka ny lehibe dia a-tao hoe: tahala-dibe, ny antonontonony tahalaka, ary ny kely kipala). Ahitsio
Tahamaina: Jer. Tehamaina. Ahitsio
Tahana: (taha) mt. ih. (tahao): Enti-milaza ny vadibe no-mena taha: Notahan-dRakoto Rasoa dia nampakatra bodokely indray ny anao lahy. * Enti-milaza ny renirano nandatsahana vola mba ho tafita soa aman-tsara ny te-na. Ahitsio
Tahezana: a.: Fihasimban'ny Tehezana. Ahitsio
Tahia: a.: Angaka kely mitovy amin'ny tsiriry ny volony (Dendrocygna major). Ahitsio
Tahina: (tahy) mt. ih, (tahio): Ambinina, hasoavina: Hotahin'Andriamanitra anie ianareo! Ahitsio
Tàhiny: p.mt.: Teny tsy fampiasa rafla tsy eo aorianan'ny hoe: "raha": Raha tahiny, ka enti-milaza fepetra na famarafarana mialoha: Raha tahiny te ho sambatra ianao, ataovy izay tsy hanenjehan' ny eritreritrao anao. ¶ M. h.: Raha toa, raha sendra — aoka tsy hampiasaina ireo fihasimban'io teny io mahazatra ny maro, dia ny hoe: raha tah?ny, raha tany. Ahitsio
Tahirizina: Tehirizina (tahiry) mt. ih. (tahirizo, tehirizo): Atokana amin'ny toerana iray mba tsy ho very na ho simba na ho lany: Notahiriziny tao am-bata ny firavaka vao novidiny, / Tahiriziko hataoko uatsy ireto uola ireto raha mandeha aho. * Tanana: Tahirizo tsara ao am-ponao ireo tenin'ny maty ireo. Ahitsio
Tahiry: a: Zavatra sarobidy na vola angonina amin'ny toerana iray hitsinjovana ny ho avy; rakitra: Nolaniny ny tahirin-dray aman-dreniny. * Fitandremana na fitanana ainin'ny toerana iray: Hataoko tsara tahiry ireo bokinao ireo fa aza matahotra. • t. if.: Tahirizina na tehirizina, voatahiry / mitahiry, fitahiry, mpitahiry / itahirizana, fitahirizana / mahatahiry. Ahitsio
Tahisienina: (fr. tahitien) a.: Ny mponina tompon-tany any amin'ny tanin'i Tahiti, nosy lehibe indrindra amin' ireo nosy any Pasifika mifanakaiky amin'ilay tany antsoina hoe Polinezia frantsay.: Malaza amin 'ny fahaiza-mandray vahiny ny Tahisienina. ? p. t.: Mikasika an'i Tahiti, an'i Tahiti, avy any Tahiti. Ahitsio
Tahitahina: a.: Karazana sodina fa natao tamin'ny voatavo arivolahy na vilany tany kely ohatra ny totohondry ny habeny, misy lavaka roa na te-Io. (Mora vaky izy io raha mianjera ka tahitahina fatratra). Ahitsio
Taho: a.: Fizarana na fitantanana ny toaka amin'ny mpisotro. * t.i.f.: Tahoina, voataho / mitaho, fitaho, mpitaho / itahoana, fitahoana/ mahataho. Ahitsio
Taho: a.: Ny rantsan'ny zavamaniry mihazona ny ravina sy ny voa: Tahom-boaloboka. ? Ny ilan'ny zavatra anankiray andraisana azy, mitovy amin'ny hoe zarana, na harana, na tango, saingy matetika samy manana ny efa fampiasa miaraka aminy avy ireo: Zaram-pamaky, haran' angady, tangon-tsotro, tahom-penina. Ireto avy ny teny ampiarahina matetika amin'ny taho: elo, filesy, penina, sotro, zinga... 1 F.-p.: Tahon'elo: ny fita- zonana ny elo. / Tahon-jin- ga: ny zaran'ny zinga. / Ta- sotro. / Tahom-penina: ny zaran'ny penina. / Tahon- tsaina: ny hazo ipetahan'ny saina. / Tahon'afokasoka: i- lazana ny zanak'afo tsirairay ao anatin'ny tranony. / Tahon-kofafa: ny zaran'ny kofafa lava. / Poa-taho: hazo tsy misy atiny toy ny volotsangana. / Taho lena: ilazana ny vary mbola maitso jinlaina ho an'ny biby fiompy (omby, ans...). ¶ M. h.: Tango, tangoza, tangozana, harana, zarana, varombo, honkona, anjonja. Ahitsio
Tahoana: (Btm) a.: Hazo na volotsangana atohy amin'ny vozon'alika ka itondrana azy lavitra. Ahitsio
Tahoina: (taho) mt. ih. (tahoy): Zaraina na tantanina (toaka): Dia nalain'Isorana ny laposety iray tsy mbola nivaky, sady dia notahoiny (Rabary: Raketaka zandriko). Ahitsio
Tahonanganala: a.: Anaram-bakana lavalava manopy manga. Ahitsio
Tahontahona: p. t.: Tsotra loatra, miveravera rehefa manao zavatra, mitavozavoza, midrah o drah o ; manta vava. * t, if.: Tafatahontahona / mitahontahona, fitahontahona, mpitahontahona / itahontahonana, fitahontahonana. Ahitsio