Vilahina | : | (vilaka) mt. ih, (vilàho): Folahina: Novilahin' ny rivotra ny rantsan-kazo.
Ahitsio |
Vilaka | : | p.t.: Tsy mahitsy fa meloka, bilabila miforitra: Notsofin'ny riuo-mahery ny hazo teo an-tokotany hany ka vilaka daholo ny rantsankazo rehetra. - t.i.f.: Vilahina, avilaka, voavilaka / mivilaka / mahavilaka.
Ahitsio |
Vilana | : | p. t.: Tsy mahitsy fa misompirana: Vilana be mihitsy ny tsipika nataonao. • Tsy araka ny toetrany mahitsy tsara fa mivaona: Nanjary vilana ny vavany noho ilay aretina nahavoa azy. - t.i.f.: Avilana, voavilana / mivilana, fivilana f mahavilana / vilambilana.
Ahitsio |
Vilany | : | a.: Zavatra fandrahoantsakafo, mety ho vy na tany: Ny vilany tany izay natokana ho fandrahoan-daaka dia natao hoe "nongo". - F,-p.: Aretim-bilany: teny vazivazy ilazana ny hanoanana. / Maizim-bava vilany: enti-milaza ny hariva efa manomboka maizina. * Ohab.: Izay akaiky vilany feno arina: enti-milaza fa izay eo akaiky matetika no ihandrinan'ny fahasahiranana fa ny lavitra tsy hita hantsoina. / Ny ao am-pon'ny vilany mahamay, ny ao ampon'ny siny mangatsiaka: enti-milaza ny fahasamihafan'ny toetran'ny olona na ny toetran'ny zavatra. / Vilany misarona toa hisy inona ihany: matetika ny zavatra avala iunin'izao na tsy ranima hojerena tsy dia manaitra firy, fa raha saxo-nana na sakantsakanana kosa ny fijerena azy vao main-ka manintona ny saina sy ny maso hijery azy izany.
Ahitsio |
Vilaory | : | (fr. velours) a: Loko manga fanadiovan-damba.
" volory".
Ahitsio |
Vilavila | : | a.: Olikolika; tsipika melomeloka, miolikolika; fiolanana; famozafozana zavatra eo am-pandraisana azy. 1 t.i.f.: Vilavilaina, avilavila, voavilavila 1 mamilavila, familavila, mpamilavila ! amilavilana, familavilana / mivilavila, fivilavila 1 ivilavilàna, fivilavilàna ! mahavilavila.
Ahitsio |
Vilavilaina | : | (vilavila) mt. ih. (uilavilao): Fozafozaina, entina tsy itondràna roa: Aza dia vilavilaina toy io, retsy, ny zanako, sao dia folaka.
Ahitsio |
Vilia | : | Fivadihan'ny vaninteny ao amin'ny hoe "Lovia" izay tena teny voalohany; zavatra fasiana ny sakafo aroso hohanina: Ny vilia dia mety ho vy na bakoly na tanimanga na hazo.
Ahitsio |
Viliantsahona | : | a.: Karazan-javamaniry fahita eny amorondrano na amin'ny tany be petsapetsa, somary mitapelapelaka kely ny raviny ary fanaon'ny olona ody tazo (Hydrocotile mosihata), * Ohab.: Malaza tsy ihinanana ohatra ny viliantsahona: enti-milaza olona na zavatra mireondreona er? araka ny anarany, fa ny toetrany na ny zava-bitany tsy misy inona.
Ahitsio |
Vilina | : | a.: Zaitra fanao amin' ny sisin-damba ka ny lohany iny ihany no aforitra, na amin'ny fanakambanan-damba ka ny lohany roa ihany koa no zairina: Hataonao vilina sa hataonao milina ny moron-tongotry ny akanjonao? - t.i.f.: Avilina, voavilina I mamilina, familina, mpamilina 1 amilinana, familinana I mivilina, fivr7ina I mahavilina.
Ahitsio |
Vilona | : | a.: Anarana iantsoana ny ahitra maitso fihinan' ny biby: Mirao-bilona ny omby aman'ondry.
Ahitsio |
Vily | : | a.: Fialana amin'ny lalana naleha ka mankamin'ny iray hafa indray tsy amin'ny hitsiny, - t.i.f.: Avily, voavily, tafavily / mamily, family, mpamily / amiliana, familiana 1 mivily, fivily, mpivily / iviliana, fiviliana / mahavily i vilivily.
Ahitsio |
Vily | : | (Atm) a.: Hazandrano kely bitika mivelona amin' ny rano marivo.
Ahitsio |
Vimbina | : | a.: Fitondrana eny an-tanana zavatra tsy dia lehibe na mavesatra loatra. ~ Fiarovana na fitahiana. - t.i.f.: Vimbinina, avimbina, voavimbina, vinimbina I mivimbina, fivimbina, mpivimbina 1 ivimbinana, fivimbinana I mahavimbina I vimbimbimbina.
Ahitsio |
Vimbinina | : | (vimbina) mt. ih. (vimbino): Entina amin'ny tanna: Vimbino kely, ana-ka, ity harona ity. ~ Arovana, tahina: Novimbinin'Andriamanitra izy ka tody soa aman-tsara eto an-tanindrazona indray.
Ahitsio |
vina | : | tanjona ho tratrarina. Ahitsio |
Vinaingitra | : | (fr. vinaigre) a.: Karazan-dranon-javatra avy amin'ny divay izay avala hihamarikivy, ampiasaina amin'ny fikarakarana karazan-kanina sasantsasany toy ny salady, na hanadiovanjavatra maro. Misy vinaingitra vita amin'ny alkaola izay tsy tsara ohatra ir? voalohany.
Ahitsio |
Vinaky | : | (vaky) mt. ih. misy tsofoka in: Voavaky, hovakfna: Vato novinaky no nanaovana ity lalana ity.
Ahitsio |
Vinaly | : | (valy) mt.ih. misy tsofoka in: Voavaly, valiana, o-mena valiny: Tsy novinaliny ny fanontaniako fa nandeha amin'izao izy. / Raha tsy vinaliko ny soa nataonao, ho valia n'Andriam ani tra.
Ahitsio |
Vinango | : | (vango) mt. ih. misy tsofoka in: Voavango, novangoina, nasiana, novelezina: Novinangon'i Berna ny zandriny ka aaika safotra mihitsy.
Ahitsio |