Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Adikasajy: a.: Laharan-tsikidy faharoa ambin'ny folo amin' ny sikidy alanana der. Sikidy). Ahitsio
adiko:jereo [ady] : tolona, fihatrehana zavatra sarotra. Oh : rehefa maty aho angamba vao ho tapitra ny adiko! (izany hoe miatrika zavatra sarotra foana) Ahitsio
Adilana: (dilana), mt. fit.(adilano): Entina manety eo afovoany. Ahitsio
Adilotra: (dilotra), mt. at. (adilory): Akasoka mafy , akitroka. Ahitsio
Adimby: (dimby), dit. at. (adimbaso): Asolo: Ny zanany lahimatoa no nadimby azy. Mividiana tsofa uaouao hadimby an'it?. Ahitsio
Adimizana: a.: Anaran'ny volana fahafito amin'ny filaharan'ny volana malagasy mari-na, aorian'ny Asombola ary alohan'ny Alakarabo, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin'ny zoron-trano atsimo andrefana (zorombaravarambe). Andro mahery aoka izany ny Adimizana ka ny ozona atao amin'ny olona teraka Adimizana aza mivadika ho soa ho azy. • Fanandr.: vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mpandranto; raha vehivavy: tsy mitahiry mizana fa miala vintana; raha tsy mpanankarena dia maty kely izy; vontony: tsara, mpanankarena, tsy maty vonoina; vodiny: tsara, tratra antitra; raha tsy maty kely, raha tsy roa volo tsy maty. Ahitsio
Adina: Adinadina Ahitsio
Adingana: (dingana), mt, at. (adingano): Ahoatra, adika: A-za adingana ny lohan-drainao ny sahafa, anaka. Ahitsio
Adingidingy: (dingidingy), mt, at. (adingidingio): Asondroititra avo. Ahitsio
Adingina: (dingina), mt. at. (adingino): Atsangana henjana mahitsy: Nadingin'ny alika ny rambony dia lasa izy. Ahitsio
Adinina: (adina), mt. ih. (adino): Anontaniana, antsafaina: Nadiniko azy ny anarany fa tsy namaly izy. • Fotorana lalina na mafy, alaina am-bavany; donina, pohina, haro-fana, faninina: Nadinina ilay uoampanga ny amin'ny nandaniany ny androny, nefa nihenahena velona. • Tsapafna fahaizana, zahana fahaizana: Nadinina marika aho aninaraina ka tsy nahay. Ahitsio
Adinkisa: a.: Anarana laharantsikidy iray amin'ny sikidy alanana (fer.: Sikidy). Ahitsio
Adiny: a.: Ny mafy, ny sarotra, ny manahirana amin'ny raharaha iray: Ny manoro toa mora, fa ny manao no adiny. Mora ny miteny fa ny manao no adiny. * Ohab.: Androngo nangataka ka ny mody no adiny. Ahitsio
Adiny: na Adim-pamantaranandro a: Ny iray ampahefatra amby roapolon'ny andro iray manontolo; fotoana vitan 'ny sah az ab em-p am antaranan dro mihodina indray mandeha tanteraka: Efa adiny roa (efa adim-p aman ta ranandro roa) izao no niandrasako anao teto. Mbahilazana ny ampahan'ny ora dia ny teny adiny ihany no ampiasafna: Antsasak'adiny, ampahefatr'adiny. Ahitsio
Adiresy: (fr. adresse), a.: Fanondroana ny toerana onenan'ny olona iray: Axa fady indrindra mba lazao ahy kely ny adiresin-drainao. Ahitsio
Adiridiry: (diridiry), mt. at. (adiridirio): Henjanina mafy ny hodi-maso mba hahatonga ny maso hivandraka sy hisokatra be: Aza adiridiry ohatra izao ny masonao fa mahatahotra. Ahitsio
Adisanina: (fr. addition), a.: Fanambarana isa, fanatontaliana isa: Efa mahay manao adisanina Ibalita kely. * f.-p.: Efa manao adisanina izany ny kankana: efa nana be ihany izany. Ahitsio
Adisaona: a.: Ny hihi-nify amin'ny fara valanorano. * f.p•: Vaky adisaona: maniry faxa vazana; h.o. olona mato-tsaina, hendry. Ahitsio
Aditsika: (ditsika na ditsoka), mt. fit. (aditsiho): Entina na ampiasaina hahaditsoka. Ahitsio
Aditsimay: a.: Anaran'ny laharan-tsikidy fahenina amin'ny sikidy alanana (jer. Sikidy). Ahitsio