Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Akarenjy: (karenjy), mt. at. (a• karenjeo): Avela hikarenjy, hirao-bilonà amin'izay tiany: Nahoana no akarenjy etg amin'ny tanimboliko ny bibinareo ? Ahitsio
Akarepoka: (karepoka), mt. at. (akarepohy): Arapaka: Nakarepoky ny kary ny akohon'Isam b ilo. Ahitsio
Akaretoka: (karetoka) mt. at. (aharetohy): Atao mikaretoka (ilazana ny nifhn-biby izay mandramatra ny haza azony): Akaretoky ny biby matetika ny nifiny rahefa mihinana. Ahitsio
Akarina: (akatra), mt. ih. (akaro): Atao amin'ny toerana ambony na avoavo kokoa: Akaro any ambony rihana i-tg fitoeram-boky it?. 1 h.o.: Asondrotra, asandratra: Nakarina ho jeneraly ilay kolonely tanora. 1 Ampidirina aradalana ao an-trano ho vady: Nakarin-dRakoto ho uady Rasoa. Ahitsio
Akaroka: (karoka), mt. fit. (akarohy): Entina mikaroka, mitady. Ahitsio
Akasa: (kasa), mt. at. (akasao): Omanina: Izao avy ny zavatra akasa amin'ny fahatongavan'ny filoha. Ahitsio
Akasaoka: (kasaoka), mt. at. (akasaohy): Atao mikasaoka na mifampikasaoka ka misy feo heno amin'izany. Ahitsio
Akasia: na Mimoza a.: Hazo lehibe ampiasaina hampijanona fivoahan-dra (Acacia deal bata). Ahitsio
Akasika: (kasika), mt. fit. (akasiho): Entina mikasika, manendry: Ny loharantsany fotsinynonakasiny an'ilay marary dia sitrana ilay mt. at.: Atao mikasika: Akasiho eo ange ny tananao raha tsy mangorintsina e! Ahitsio
Akasoka: (kasoka), mt. at. (akasohy): Atao mikasoka aarnin'ny.., mandilotra, mifaoka: Aza akasoka amin'ny rindrina vao nasiana loko ny tananao. Ahitsio
Akasy: (kasy), mt fit. (akasio): Enti-milaza izay ampiasaina hijejojejoana. Ahitsio
Akata: a.: Lobolobona hazo madinika. 1 Ambanivohitra lavitra: Vary at? anaty akata at? izahay ha tsy mba mahita uaouao. Ahitsio
Akata: na Akatatra a,: Vary akotry, izany hoe vary mbola ao anaty hodiny. * Ohab.: Fotsimbary tsy ilaozan'akatatra, tanàna tsy ilaozan'adala: na aiza na aiza tsy maintsy ahitana olona hafahafa miavaka anrin'ny maro ihany. Ahitsio
Akatamaimbo: a.: Zavamaniry mampandositra ny bibikely toy ny parasy, hao, sns... (Croton marorauina), Ahitsio
Akatasavola: na Taimborontsiloza a.: Zavamaniry fanao odY kankana (Chenopodium ambrosiuides). Ahitsio
Akatona: (katona), mt. at. (akatony): Arindrina: Akatony ny varavarana fa misy rivotra. Ahitsio
Akatra: ft.: Fanaovana amin' ny toerana ambony na avoavo kokoa. - t.i.f.: Akarina, voakatra / tafakatra / manakatra, fanakatra, mpanakatra / anakarana, fanakarana / miakatra, fiakatra, mpiakatra / iakarana, fiakarana / mampakatra, mpampakatra. Ahitsio
Akatraka: (katraka), mt. fit. (akatraho): Entina mampisy feo mafy mikotrokotroka, midoboka na mirohondrohona: Nakatraky ny lakana nidona taminy ilay haram-bato. Ahitsio
Akatraoka: (katraoka), mt. at.: Atao mikatraoka, na mitera-ka feo toy ny an'ny tongotsoavaly na kiraro mandeha amin'ny vato: Aza akatraoka ohatra izany iny kiraro hazonao iny fa manaitra zaza. Ahitsio
Akatroka: (katroka), mt. fit. (akatrohy): Entina mikatroka, mipoka amin'ny..., mandona: Ny tandrony no nakatrok'ilay omby ny vato ka tapaka. 1 mt.at.: Asaina mikatroka, miady, midona; adona, apoka: Nakatroky ny mpampianatra izy roa lahy tia adiady ka fay tsy te hiady intsony. / Nahoana no nakatrokao tamin'ny rindrina ny lohan'ny zandriko? Ahitsio