Litera i

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Izany: p.mdr. sy s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona an'eritreritra fotsiny: Iza no nilaza izany vaovao izany taminao? / Tsy fantatro izany olona izany. Matetika koa anefa ny izany dia enti-milaza hevitra na teny vao nolazaina: Ny fotoana uolamena, tsarovy mandrakariva izany teny izany, rankizy. - F.-p.: Izany hoe: izao no heviny, toy izao. j Izany no izy: teny anamafisana izay nolazaina. f Izany raha tsy...: entina hilazana toe-javatra tafahoatra nony,..: Izany raha tsy loza ny alahelony onao (tsy hita velively ny alahelony nony tsy nahita anao izy). f Izany sy izany: entimilaza namamintina izay zavatra rehetra voalaza teo aloha, f Aoka izany: fatratra: Tiako aoka izany it? tarin' olona mandihy Ahitsio
Izao: p.mdr. sy s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona tsy hita maso akaiky, izany hoe, ohatra, ao ambadiky ny varavarana: Ampangino izao radio midradradradra ao an' efitra ao izao, ry Ikoto a! na somary takontakona: Jereo izao itangoronan'ny olona izao, rankizy a Ny "izao" koa anefa dia mety hanankevitra roa manokana hafa: 1) zavatra mitranga amin'ilay fotoana itenenana: Mahafinaritra ahy izao fahatongavanareo maro be mitsidika ahy izao. 2) hevitra na teny vao holazaina: Tsarovy tsara izao teny izao: Asio fieritreretana ny atao rehetra. - F,-p.: Toy izao: sahala amin'izao. Ahitsio
Izary': p.mdr. sy s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona somary takontakona, ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin'ny ft. niaviany "iry". Ahitsio
Izatony: p.mdr. sy s.mdr,: Entimanondro zavatra na olona somary takontakona ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin'ny an'ny ft. niaviany "itony". Ahitsio
Izatsony: p.mdr. sy s.mdr.: Enti-manondro zavatra na olona somary takontakona ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin'ny tondroin'ny ft. niaviany ihany "itsony. Ahitsio
Izatsy: p.mdr. sy s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona somary takontakona, ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin'ny tondroin'ny "itsy" ft, niaviany ihany: Tsy hitanao angaha izatsy trano voalokaloky ny amontana izatsy? Ahitsio
Izaty,: Izato p.mdr. sy s.mdr.: Enti-manondro zavatra na olona somary takontakona ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin'ny tondroin'ny ft, niaviany "i-t?" na "ito" ûrany: Tiako loatra izato tanàna kely ato ambany andref ana voaravaka voninkazo. Matetika koa anefa ny "izato" dia mpam. an. enti-manambony na manindrahindra zavatra: Endrey! izato tarehin-trano! na mamaritra mpisolo anarana misolo olona: Manco ahoana izato izy? Ahitsio
Izavavy: s.o.: Entin'ny samy vehivavy mifampiantso. Ahitsio
Izay: p.mdr. sy s.mdr.: Manondro zavatra efa voalaza na heno ka tsahivina: Avereno fa tiako loatra izay hira izay. 1 s.mf: Enti-misolo anarana vao voalaza eo aloha no sady mampifandray hevitra roa: Tsy maintsy sazina ny mpianatra izay tsy mianatra tsara - F.-p.: Aoka izay: teny entina mandrara mba tsy hanohy intsony izay atao: Aoka izay, rankizy, ny hiranareo fa mankarenin-tsofina. Ahitsio
Izikoa: (Tsm) ppt. feh.: Raha, rahefa. Ahitsio
Izina: ft.: Fanjombona, haizina. - t.i.f.: Izinina, voaizina / manizina, fanizina, mpanizina / anizinana, fanizinana / mifanizina / mahizina / maizina 1 haizina / hamaizinina 1 hamaizinana / manamaizina, fanamaizina, mpanamaizina / anamaizinana, f anamaizinana / mahamaizina. Ahitsio
Izinina: (izina) mt.ih. (izino): Atao izay hahamaizina azy, asitrika ao anaty haizina: Izino ao an'efitra ao io zaza io fa maditra. Ahitsio
Izy: s.o.: Misolo ny olona tenenina raha tokana ka atao teny lazaina: Ho tonga izy rahampitso. Raha milaza maro dia matetika ampiana "ireo" ny izy: Tsy manan-divay intsony izy ireo. - F.-p.: Ny maha-izy azy: ny tena endriny na toetran'ny zavatra iray. / Ahoana, aiza izy ity?: fanontaniana ny amin'izay tokony ho izy. / Tsy izy: tsy ilay marina fantatra momba ny zavatra na ny olona iray, dise. Ahitsio