Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mahery: (hery) mt. s. (mahereza): Matanjaka, manana herim-po: Mahery noho ianao izy. Mahereza, anaka • Mazoto, manao betsaka: Efa mahery mihinam-bary ity zaza / Mahery mianatra Ibalita. ? Maharesy: Nahery ny miaramilantsika ka mifalia. ? Mafy, maffmafy, henjankenjana: Mahery izany vary izany; asa na ratsy nahandro na efa toetrany mihitsy. 1 Mihoatra, manan-tombo: Mahery ariary fito ny vola nomenao ahy. / Amin'ny roa ara mahery izao. - F.-p.: Mahery am-bava: enti-milaza olona mahery miteny sy milaza zavatra, nefa ny zava-bitany kely tsy toy inona. / Mahery an'ady: nahazo fandresena; na tamin' ny ady, na am-basy, na arapitsarana na amin'ny lalao. / Mahery an-trano: ilazana ixeo lehilahy mpamono vady sy ireo be feo raha ao an-tranony fa tsy mahateny kosa raha eny ivelany. / Mahery fo: tsy mba mety kivy fa mitozo hatrany amin'izay atao. / Mahery lanja: mihoatra ny havesarany. / Mahery loha: madi-doha sy be kiry ary sarotra ifampiraharahana sy ifanarahana. / Mahery maso: henjam-pijery fatratra. / Mahery sata: mpanao jadona, mpizakazaka amin'ny tiany sy sitraky ny fony. /Mahery setra: mitrevatreva sy henjankenjan amin'izay atao rehetra. / Mahery vaika: mitovitovy amin'ny mahery setra ihany, saingy mafy fihetsika avy hatrany. / Mahery vintana: ilazana ny olona manoto ray aman-drehy na rahalahy na anabavy, izany hoe maty alohany avokoa ireo havany ireo. /Mahery volo: henjam-bolo. * Ohab.: Ny mahery tsy maody tsy ela velona: tokony hitandrina sy ho malina ny Mat matanjaka sao sendra ny tampoka tsy maha-lehilahy. Ahitsio
Mahia: (hia) p.t.: Tsy mahazo nofo, manify kely, tsy mba nofosana: Mchia er? Rakoto hatramin'ny naharariany farany tao. • Tsy matavy, tsy misy taviny na menaka: Mahia ny hena novidinao. ¶ M.h.: Kaozatra, kaozatina, kangoaza, tsy velon-komana, tsingoahina, raiki-tapisaka, rangkangy, mandràka, kaoka, miripika, mirepika, maranitaolana, taolantaolanina, ranga, nipoaka (olona natavy ka nihanahia), mitrskitraky, mitranitrany, mitrikatrika, be rangomaina, kinaoly, sakohaza, ohatra ny takatra, ohatra ny sorohitra, ohatra ny horona, kanty velona. - F.-p.: Mahia miarana: entimilaza olona manaram-po amin'ny zavatra tiany nefa tsy mahazo nofo fa mahia la-va ihany. / Mahia tsy marary: enti-milaza olona mahia tsy noho ny aretina, fa efa vahany rahateo. / Ilay mahia miankin-drindrina: Ankamantatra ilazana ny sahafa. * Ohab.: Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany: enti-milaza fa andosiran'ny namany ny mahia, ny tsy manana, ny oriory, fa ifanotofana kosa ny manana, ny matavy. / Ny mahia zokin'antitra: enti-milaza fa ratsy noho ny fahanterana ny fahiazana sabla heverin'ny olona ho be taon ny mahia mitrakitraky taolana, na dia zandrin'ny matavy mandimandina aza. / Omby mahia be tandroka ka mitondra ny tsy eran'ny aina: ilazana ny tsy maintsy hanaovana ny adidy na dia sarotra aza. j Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana: enti-milaza zavatra tsy dia tsaratsaraloatra ka mahasanganehana ny milaza azy amin'ny havana na ny sakaiza. Ahitsio
Mahidy: (hidy) p.t.: Mitsitsy tafahoatra; mahihitra. ¶ M.h.: Kahidy, mahihitra, kahihitra, kafiry, matsitsy, makikitra, mafirana, katity, kely hiratra, kely tanana, kely hoho, mafy fonosana, tiatia kely, mihïrim-belona, mamaky akotry, mandidy sofin' amalona, manjaitra atody. Ahitsio
Mahihitra: (hihitra) p.t.: Fatrapanangom-bola, nefa tsy mampiasa izany fa mitahiry fotsiny, tsy mahafoy afa-tsy kely foana; sarotiny er? rehefa handany vola. * Ohab.: Mpanankarena mahihitra: maty vao misy mpilanja: enti-milaza fa tsy mba tia mandany vola hampiadanan-tena ny mahihitra ka rehefa maty ndeha halevina vao mba misy mpilanja. ¶ M.h.: Jar. Mahidy. Ahitsio
Mahimavany: a: Karazam-bahy; vahimavany. Ahitsio
Mahina: p.t.: Nanao ratsy ka matahotahotra sao fantatra: Mahina angamba Rakoto tamin'ilay lainga nataony ka midifidify foana ny adala rehefa mifanena amiko. - t.i.f.: Fahamahinana, hamahinana. ¶ M.h.: Kaodikaody, maodimaody, matahotahotra, miahiahy. Ahitsio
Mahiratra: (hiratra) p.t.: Mahita: Ny jamba sy ny mahiratra ? Enti-milaza maso na saina mahita tsara, matsilo: Tsy azo fitahina iny fa olona mahiratra/ Mahira-tsaina * Enti-milaza mizana tsara izay mahita na dia lanjan-javatra faran'izay kely aza: Tsy misy tsy hitan'ny mizana mahiratra Ahitsio
Mahita: (hita) mt p. (mahità): Mahalala ny fisian-javatra iray amin'ny alalan'ny maso: Mahita rahona eny amin'ny lanitra aho. ? Mifanena amy: Nahita an-dRasoa aho teny an-tsena. ? Sandra, tojo: Nahita vola ariary zato teny an'arabe Isambilo. • Mamorona: Ny Sinoa no nahita ny vanja voalohany. • Ahatazanana: Mahita tsara i-t? masolavitra it?. - F.-p.: Hikapa hahita ny tonony anie, handidy hahita ny vaniny: teny entina mirary soa ny mpitondra fanjakana na lehibem-pikambanana mba hahita izay mety tokony hatao hitondrana ara-pahamarinana sy amin'ny hitsiny. * Ohab.: Mahita volana alohan'ny biby: (ny andro roa voalohany ahatsinanan'ny volana dia noheverin'ny Ntaolo fa ny biby ihany no mbola mahita azy) ny olona tondroina amin'io teny io dia mety hiditra amin'ny sokajiny roa: na ireo heverina ho kinga sy mahay noho ny hafa na ireo miteniteny foana. Ahitsio
Mahitsizoro: a.: Velarana misy lafy efatra sy zoro mahitsy efatra. Ahitsio
Mahitsy: (hitsy) p.t.: Tsy meloka: Efa mahitsy ny tananao fa tsy tahaka ny tamin'ny nahapotrahanao. • Tsy miolokolika, tora-tady: Manaraha an'iny lala-mahitsy iny. ? Tsy misy diso: Efa mahitsy ny fitenin'it? zaza ? F.-p. sy Fiten.: Mahitsy ohatra ny tsinaim-balala: tsotra tsy misy olakolaka. /Mandefi-mana-mahitsy: miaritra na dia manana ny marina a z a. * Ohab.: Monina amoron' ala ka mahita ny mahitsy hokapaina: enti-milaza fa ny fisian'ny tena amin'ny toerana iray dia ahalalana mihoatra an'iza na iza izay rehetra mikasika an'io, na koa: izay zatra mifampikasokasoka amin'olona na zavatra maro no mahalala izay tokony hatao. Ahitsio
Maho: a.: Anaran-kazo. Mahogo (Tsm) a.: Mangahazo. Ahitsio
Maholy: (fit-p.) p.t.: Kamo, mavozo. Ahitsio
Mahomby: (homby) mt, p. sady mt, s. (mahombiaza): Maharesy, mandresy: Tsy hahomby ny zokinao akory inao, fa aza minaikanaika aminy. ¶ M.h.: Mahasehaka, mahovoka. • Ambinina, mahavoa tsara, mahazo vokatra tsara, misy vokany tsara: Nahomby ny zokiko tamin'ny fanadinana, / Tsy nahomby ny tetik'ireo nandroba tany Toamasina. • Mandaitra, afaka hanasitrana: Nahomby tokoa ny fanafody nomenao ahy fa vao nisotro eran'ny sotro aho dia nisinda ny aretin'andohako. • (raha misy matoanteny eo aoriany): afaka hanao (asa iray) tsara: Tsy mahomby miasa tany izy. • Tsara, vanona: Misaotra fa nahomby tokoa ny kilalaonareo, rankizy. * F.-p.: Tsy mahomby: tsy tsara, tsy manjary, tsy misy vidiny. Ahitsio
Mahonena: (onena) p.t: Mampangoraka, mamp alahelo. Ahitsio
Mahoraka: (horaka) p.t.: Re ombieny ombieny, resahin' ny olona izaitsizy, maresaka: Izany trondro ny tapany, olona ny tapany, izany indray izao no mahoraka. Ahitsio
Mahorara: p.t.: Enti-milaza zavatra mitana ny saina fatratra, mahalasa eritreritra, mils hahavery sain. * F.-p. :Mahorara vaviantitra: enti-milaza ny fiandohan'ny fahavaratra, fa io fotoana io tokoa manko mahalasa eritreritra mafy ny vaviantitra amin'ny orana noho ny voly kely ataony. Ahitsio
Mahory: (ory) Mahatonga ory, mahantra. Ahitsio
Mahosa: Mampahosa (osa) p.t. sady mt.s.: Mahatonga ho o-sa, mahalemy. Ahitsio
Mahota: (ota) mts.: Afaka hanao hadisoana, handika lalàna na fitsipika; mahatonga hanota. Ahitsio
Mahozatra: na Maozatra (hozatra) p. t.: Mafy tonontononona sy mirirotra. i h.o,: Mafy be, sarotra izaitsizy. Ahitsio