Litera m

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Mimiramirana: (miramirana) mt. s.: Mifalifaly, miravoravo, misariadriaka. tohiny
Mimoimoy: (moimoy) mt. s. (mimoimoiza): Mimonomonon-kasosorana. tohiny
Mimokimoky: (mokimoky) mt. s. (mimokimokia): Miezaka mafy, mikely aina, vonombonona sy marisika fatratra, mikikitra,…tohiny
Mimokitra: (mokitra) mt. s. (mimokira): Miezaka mafy, mikely aina, mikikitra. tohiny
Mimolotra: (molotra) mt. s.: Manamboamboatra ny molotra toy ny zaza te hitomany, ohatra ny midongy. tohiny
Mimonjomonjo: (monjomonjo) mt. s. (mimonjomonjoa): Mingonongonona noho ny tsy fahafaliana na hatezerana, tsy mahaloa-peo.…tohiny
Mimonjotra: (monjotra) mt. s. (mimonjora): Midongy, tsy faly. tohiny
Mimontotra: (montotra) mt. s. (mimontora): Mandondona; tezitra. tohiny
Mimontsona: (montsona) mt s. (mimontsona): Manabontsina takolaka, manao feno vava. tohiny
Mimozy: Mioziozy (mozy) mt. s.: Mitavozavoza, mivoravora. tohiny
Mimpirina: (ampirina, mpirina) mt. s.: Milamina, milahatra, voapetraka tsara amin'ny toerany avy ny zavatra rehetra:…tohiny
Mimpody: (mpody) mt. s.: Miverina amin'ny toerana nielana. tohiny
Minahonahona: (nahonahona) mt. s.: Mitavozavoza, mivoravora, mitahontahona. tohiny
Minaikanaika: (naikanaika) mt. s. (minaikanaikà): Miteny na manao zavatra amim-panaovana mosalahy, amin-kasahiana…tohiny
Minainaina: (nainaina) mt. s.: Mimenomenona fatratra, mitaraindraina sy midradradradra. tohiny
Minamonamona: (namonamona) mt. s.: Asa fanaon'ny ankizy milalao izay sady mitsako no mihirahira. tohiny
Minananana: (nananana) mt. s.: Mikiakiaka, mihoakoaka, midradradradra. ¶ M.h.: Miantsoantso,mikiakiaka, mihoakoaka,…tohiny
Minantsanantsana: (nantsanantsana) mt. s.: Miteny somary mikiaka amim-pahatezerana, maneno mikarantsandrantsana: Ninantsanantsana…tohiny
Minantsonantsona: (nantsonantsona) mt. s.: Mibedibedy lavareny, mipentsompentsona. tohiny
Minaonaona: (naonaona) mt. s,: Mitaraindraina, mitomany valala. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0207