Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Adoraraka: (doraraka), mt. at. (adoraraho): Asaina midonana-poana. Ahitsio
Adoroboka: (doroboka), mt. at. (adorobohy): Atao midoroboka be ambany sy mirebareba: Aza adoroboka toy izao ny akanjonao, Raivo, fa mba ataovy etiety fohifohy. Ahitsio
Adra: t,-p.: tenim-piontanana enti-mandà amim-pifaliana na enti-maneso, manivaiva: Adrà! tsy vitako izany! ¶ M.h.: Aisy, aoe, adrao, editay, eisieisy, isitra. - t.i.f.: adraina ) miadra, fia-dm, mpiadra 1 iadrana, fiadrana ( mampiadra. Ahitsio
Adradradradra: (dradradradra), mt. at. (adradradradrao): A-tao midradradradra: Feo mafy mikarantsana no nadradradradrany, ka tsy nisy tsy nandre ny fokontany. Ahitsio
Adraiko: (draiko), mt. at. (adraikoy): Asaina midraiko, asaina mandeha mijaikojaiko: Adraikony er? ny tongony rehefa mandeha, mova tsy irony zaza be parasy fahiny irony. Ahitsio
Adraina: (adra) mt.ih, (adrao): Lavina am-pifaliana; esoesoina, ivaivaina. Ahitsio
Adrakadraka: (drakadraka),mt. at. (adrakadrakao): Atao mitsangantsangana (volo): Nadrakadrakan'ilay alika ny volony. Ahitsio
Adre: t.-p.: tenim-piontanana enti-milaza: a) Fahatsiarovana hafinaretana:Adre! maha finaritra izany rivotra mitsoka malefaka. b) Fahatairana: Adre! inona izany lazainao amiko? d) Fanaintainana: A-dre! mafy izany fahoriana entiko izany! Ahitsio
Adrisa: a.: Anarana ilazana ny vavy amin'ny karazam-balala iray, izay atao hoe aketa ny lahy; ny adrisa dia vaventiventy mahafinaritra ary misoratra vony sy mainty ny tenany. * Ohab.: Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary? fony samy madinika (oriory) nifankahalala tsara, ka nony mba manana ve dia mody tsy mahalala ny olona niara-niory tamin'ny tena? Ahitsio
Advantista: (fr. adventiste) a.: Antokom-pivavahana kristianina niendaka tamin'ny fototra protestanta ka miompana amin'ireto zavatra roa loha ireto: 1) Fiverenana amin' ny fomba-iiosy sasantsasany, toy ny fanajana ny andro fahafito (Asabotsy), ny fanomezana ny fahafolon'ny harena ho an'ny fiangonana, ny fifadiana kisoa, hazandrano tsy misy vombony na kirany. 2) Fiandrasana ny fiavian'ny Tompo izay heveriny fa mbola ho tonga indray. Ahitsio
Ady: a.: Fifamelezana, fifanafihana amin'ny basy amandefona: Nahafaty olona antapitrisany maro ny ady lehibe roa farany. • Fifampitoriana any amin'ny Fitsarana: Manana ady amin-dRakoto, hono, Rabe. • Tsy fifanarahana, mety hiafara amin'ny fifamaliana mafy na amin'ny fifamelezana mihitsy aza: A-dy be ny azy roa lahy momba ilay boky nindramin-dRanaivo ha veriny. • Fihaonan' ny rafitra, fifanarahan-doko, fitovian'ny zavatra adika amin'ny dikany: Manaitra ny maso avy hatrany ny adin'ny loko amin'ity sary ity. • t.i.f.: miady, fiady, mpiady / iadiana, fiadiana ! manrpiady 1 ampiadina / ampiadiana, fampiadiana / adiady / mahady. ¶ M.h.: fanditra, fifandirana, fanjihitra, fifanjihirana, adilahy, sotasota, vaniny, kisa, gidragidra, vezovezo, sentsena, setrivoho. • f.p.: Ady am-panarahana: ady ahitana ny resy manarina ady, ny mahery mamaly faty; Ady am-parimbona: itambaran'ny mpomba an'ilay iray ankilany ilay anankiray miady aminy (M. h.: angaredona); Ady an'ohatra: fizarana amin'ny ady, sarin' ady; Ady an-trano: fifamelezan'ny samy iray firenena na iray fianakaviana; Ady antsanga: ady an-tsena: adin'ny samy mahery am-bava, ny samy vavàna; Ady fady: tombotomboka atao olona tsy mifankaheny izay ampangaina ho misakaiza; Ady fanjakana: adin'ny samy tompomenakely fahiny raha nisy nihoatra tamin'ny menakelin'ny iray ny iray; Ady fo: fikelezana aina izaitsizy; Ady fom-pananana: ady atao mba hahazoana tombony amin'ny zara lova; Ady gehina: ady a-tao an-ditra; Ady hevitra: ady ifandresena lahatra; Ady hihy: fampikatrokatrohana ny nify ataon'ny olona efa banga tsisy nify intsony; A-dy karajia: ady lahateny am-bava; Ady lojika: ady hevitra maty paika; Ady loha: fandanjana ny lohatrano; Ady lona: ady momba ny trosa tsy voaloa hatry ny ela; Ady madio: ady momba ny harena; Ady maloto: ady heloka, ady mifanendry mosavy, mangalatra, mamono; Ady rafi. tra: famitranana ny rafitra; Ady ratsy: ady misy vono olona; Ady sahala: ady tsy misy resy, tsy misy maharesy; Ady samy irery: adin'olondroa mifampitana, tolon-tsamy irery, taribaniana, balahazo; Ady saritaka: ady mikorontana, mifanjevo; Ady uarotra: fifamalian'ny mpividy sy ny mpivarotra momba ny vidin-javatra; teny ifampiraharahana: "Izaho, hoy Andrianampoinimerina, tsy ma-nana ady varotra aminareo"; Ahitsio
Ady:ady telo: adi-rafi-biriky izay ahitana biriky telo indray milahatra; Ady zoro: fandanjana ny zoro; Ady tsy ahi-mahatratra: ady mahavoa, mahafaty nefa tsy nampoizina; Ady tsy tra-mahahery vava: ny tsy mikasika ny tena mahatonga ho be rasa-ka; Ady volom-balala, ady anoano, ady riuotm: ady atao amin'ny zavatra tsy dia inona akory; Ady uoninahitra na ady lahy na ady laharana: adin'olona samy te hatao hoe ambony na be voninahitra; Adim-behivauy: adin'izay ny vava no mandray anjara betsaka; kitozan-teny la-va tarozaka; Adim-pirenena: ady ifamelezan'ny firenentsamihafa; Adin'ankizy: tsy misy mifanao am-po; Adindrenikisoa: ady mikorontana, mifanjevo; Adin-dreniomby: zava-madinika; Adin' ombalahy: zava-dehibe; A-din'ny mpivady: ady noho ny zavatra kely tsy misy antony nefa mora mitony ihany; Adin-tSakalava: ny andriana no mitari-dalana; A-din-tsikidin-drano: ady samy miala tsy misy maratra; Lokan'ady: dfna ifanaovan'ny miaramila handeha hiantafika; Tetik'ady na paik'ady: tetika atao mba hahombiazana amin'ny ady. Ahitsio
Aefitra: (efitra), mt. fit. (aefero): Atao efitra, atao manelanelana: Ity lamba ity aefitra ny atody sy ny vina. Ahitsio
Aelakelaka: (elakelaka), mt. at. (aelakelaho): Alana na endahana isam-pelany. Ahitsio
Aelanelana: (elanelana), mt, at. (aelanelano): Atao eny analanelana: Tsaramaso no naelanelako ny katsaka. Ahitsio
Aelatra: (elatra), mt. at. (aelaro): Atafitafy, avelatra. Ahitsio
Aelo: (elo), mt. fit. (aeloy): Ampiasaina hatao elo; iarovana amin'ny hainandro na ny orana: Ravin'ampanga no naelon'ny ankizy ny zazauavy nanao fampitaha. Ahitsio
Aely: (ely), mt, at. (aeiezo): A-paritaka, ahahaka: Naelin' ny akoho ny fako. 1 Aparitaka atao fantatry ny olona rehetra: Naelin-dRakoto sahady ilay vaovao momba ny fanadinana. Ahitsio
Aemboka: (emboka), mt. fit. (aembohy): Entina manemboka. Ahitsio
Aemonemona: (emonemona), mt. at. (aemonemony): Atao amin'ny toerana avo: Nahoana re no naemonemonao eny ambony eny ny labozia? Ahitsio