Famandravandra | : | (vandrauandra) a. : Fomba entina mamandravandra na mampivandravandra ny maso.
Ahitsio |
Famandravandrana | : | (uandrauandra) a. : Fijerena amin' ny maso feno fandrahonana sy fahatezerana.
Ahitsio |
Famandrihana | : | (fandrika) a. : Fakana amin'ny alalan'ny fandrika : Mora ny famandrihana ny lambo fa anoovano longoa mitoto-bozaka izy dia mianjera ao. ? Fividianana mialoha zavatra tsy mbola vita na zavamaniry tsy mbola azo hanina : Dimanfato ariary ny famandrihana an' io gazety io herintaona
Ahitsio |
Famandrotana | : | (fandrotra) a. : Famatorana singory.
Ahitsio |
Famangiana | : | (uangy) a. : Fitsidihana / fitsapana alahelo, fanaladiana. ? Vola entina mamangy : Ohatrinona ny famangiana hataontsika f
Ahitsio |
Famangitana | : | (fangitra) a. : Famaritana.
Ahitsio |
Famangitra | : | (fangitra) a.: Fomba entina mamangitra, mamaritra; famaritra. * Ohab. : Be famangitra toa rambon'osy : Be hambo loatra ka ny tsy ho vita avy no tetehina hatao.
Ahitsio |
Famango | : | (vango) a. : Fomba entina mamango, izany hoe mamely, mikapoka, na manesokesoka, mandrapadrapaka, na mifofotra miasa. ? p, t. : Azo vangoana.
Ahitsio |
Famangoana | : | (vango) a. : Famelezana, fikapohana / fanesokesohana, fandrapadrapahana,
Ahitsio |
Famangohana | : | (fangoka) a : Famandrihana, fanolikolena.
Ahitsio |
Famangotana | : | (fangotra) a. : Famadidirana, fanorongoronana.
Ahitsio |
Famangy | : | (vangy) a : Fomba entina mamangy. ? p, t.: Azo vangiana, tokony hovangiana.
Ahitsio |
Famaniana | : | (amany) a. : Ny organa ahafahana mamoaka ny fivalanandrano. ? Toerana fibalanan-drano.
Ahitsio |
Famankona | : | (oankona) a, : Fomba entina mamankona. ? p, t.: Azo vankonina.
Ahitsio |
Famankonana | : | (uankona) a. : Fanadiovana (ny hazo) ho tonga malamalama tsara amin'ny alalan'ny vankona.
Ahitsio |
Famantana | : | (vantana) a.:Fomba na toetran'ny zavatra mamantana na manitsy avy hatrany.
Ahitsio |
Famantanana | : | (avantana) a. : Fandehanana mahitsy mankany... fanitsiana, fahatongavana tsy mivilivily ( fandehanana tsy misy mitana. ? Toerana faleha avy hatrany : A-b> aminay no famantanan'i dadatoa isaky ny miakatra.
Ahitsio |
Famantarana | : | (fantatra) a.:Fanambarana : Azo lazaina fa famantarana ny afo ny setroka. ? Marika : Samy manisy famantarana ny ombiny ny mpiomPy any an'efitra. ? Filazana : Anaovy famantarana, toy ny tsangan'afo, izahay raha tonga ny fahavalo.
Ahitsio |
Famantaranandro | : | a. : Milina vita fomba ahalalana ny ora, ny minitra ary ny segondra amin'ny alalan'ny sahazanY roa (sahazabe sy sahazakely) izay mikisaka manondro tarehi-marika eo amin' ny tavany.
Ahitsio |
Famantaranandronakoho | : | a. : Tsilalaon'ankizy miendrika famantaranandro nefa tsy mandeha.
Ahitsio |