Lempona | : | a. sady p. t.: Enti-milaza toerana na faritra iva no-ho ny manodidina azy, lesoka: Misa lempona eo amin' ny saokan'it? zaza it?.ILempona ny faritany misy anay ka manevokevoka aoka izan y. - t.i.f.: Lemponina, voalempona / mandempona, fandempona, mpandempona I andemponana, fandemponana / milempona, filempona, mpilempona 1 ilemponana, filemponana / mahalempona / lempondempona f halempona, fahalempona, halempona, fahalemponana. - F.-p,: Manaiky lempona: Manaiky tsy satry.
Ahitsio |
Lemponina | : | (lempona) mt.ih. (lempony): Asiana lempona, iva: Aza lemponina ny satroko.
Ahitsio |
Lena | : | p. t.: Nilatsahan'ny rano ka manda, vonton'ny rano, kotsa: Tratran'ny orana aho ka lena ny akanjoko. i t t f.: Lemana, voalena / mandena, fandena, mpandena I andemana, fandemana I mihalena / mahalena / lande-na. ¶ M. h.: Manda, petsa, poretsaka, vonto, bibaka, hetsaka, hotsaka, fetsaka, loditra, kotsa, ditsaka, tantera-drano, mitsoitsoy, mitera-drano, mitsi-drano, malana, malamalana.
Ahitsio |
Lendalenda | : | (lenda) a: Faniriana m afy. i t.if: Milendalenda, filendalenda, mpilendalenda / ilendalendana, filendalendana / mahalendalenda, mampilendalenda.
Ahitsio |
Lenjotra | : | ft.: Mitovy amin'ny lonjitra fa tsy fiteny loatra intsony.
Ahitsio |
Leno | : | a.: Ahitra tenehina mba hanatsara ny fan dokoana; fandraiketana mahatonga ny loko handaitra. - t.i.f: Lenoina, aleno, voaleno / mandeno, fandeno, mpandeno / andenoana, fandenoana / mahaleno I lenoleno. - F.-p.: Tsy mandray ravindeno: enti-milaza zazavavy na vehivavy tsy te hisahirana amin'ny fanaovan-taozavatra.
Ahitsio |
Lenoina | : | (leno) mt ih. (lenoy): Ampangotrahina, tenehina, atsoboka ao anaty leno.
Ahitsio |
Lenoka | : | sy Lenodenoka (Lena-ka) p, t.: Mandimandina sy vaventiventy sady mavamavana no midokadoka fatratra (ravin-javamaniry). - t.i.f.: Milenodenoka.
Ahitsio |
Lenta | : | na Leta a.: Ilay somary lempona kely amin'ny vavan' ny lavabary ka ipetrahan'ny sarony. - F.-p.: Mitouy lenta: mitovy haavo, mitovy tantana.
Ahitsio |
Lentehana | : | (lentika) mt, pdr. (Ion teho): Tsatohana: Nolentehany hazo maranitra ny manodidina ny tokotaniny.
Ahitsio |
Lentika | : | p.t.: Sitrika, tsy fisehoana, fidifian'ny masoandro na ny volana any ambadiky ny faravodilanitra. • Fahelan'ny olona irahina any amin'ny nanirahana azy, fihitsohana lalina. - t.i.f.: Lentehana, alentika, voalentika, tafalentika, mandentika, fandentika, mpandentika 1 andentehana, fandentehana / milentika, filentika, mpilentika / ilentehana, filentehana l mahalentika I lentidentika.
Ahitsio |
Leo | : | p. t.: (matetika tsy fampiasa raha tsy miaraka amin' ny "tsy") Tanty, zaka, azo zakaina, azo leferina: Tsy leoko ny ataonao ka handeha aho. • Azo toherina, resy: Tsy leon'ny vato ny ria-ka. é Mahaleo I ahaleovana, fahaleovana / fileovana.
Ahitsio |
Leo | : | sy Leony (lao) p.t.: Entimilaza olona tsy tia zavatra iray, izay nihinanany betsaka loatra ka nahatonga azy tsy te hiherika azy intsony: Leom-boanjo aho izany. ¶ M.h.: Tofoka, boboka, tohina, tola. • Mamo: Leon-drongony ny anao lahy ka miteniteny foana. * 1. L f : Mankaleo, aleo I fileony, mpileony / mifankaleo. ¶ M.h.: Monaina (monamonaina), mamo, disaka, afapo, lamoka, boboka, tofoka, malilo, tala, malikiliky, loti-ka, lao, tsy tia hiherika, tsy tia veroka, tsy tia vovoka, tsy tia mainty, leom-boananana, tsy tia zava-boribory, tsy tia mololo.
Ahitsio |
Lepaka | : | ft.: Fiforetana, fivarorahana. - t.i.f : Alepaka I milepaka, filepaka, mpilepaka / ilepahana, filepahana I mahalepaka / lepadepaka.
Ahitsio |
Lepika | : | ft.: Mitovy amin'ny Lepaka fa tsy fiteny loatra intsony.
Ahitsio |
Lerana | : | (letra) mt. pdr. (lero): Asiana, ampidirana an-keriny: Nolerany totohondry ny takibako. • mt. ih.: Hanina betsaka mova tsy isesefana: Lero daholo io vary io fa izaho tsy hikasika na eran'ny uauako axa.
Ahitsio |
Lesohina | : | (lesoka) me ih. (lesohy): Tsinina: Nolesohin'ny olona ny teniny.
Ahitsio |
Lesoka | : | p.t.: Petaka (orona): Lesoka orona io zazauauy io no naharatsy azy. • Iva ary lempona, pepo, tsy feno: Misy lesoka eto ny lalotra ka amboary kely. • h.o.: (anarana): Tsininy: Mahafinariha be ohatrohatra ny lahateninao, fa ny heu tira no sotnary maivana: izay no lesoka aminy. - t.i.f.: Lesohina I mandesoka, fandesoka, mpandesoka / andesohana I mahalesoka / lesodesoka.
Ahitsio |
Lesona | : | (angl. tesson) a.: (tr.) Boky, fianarana mamaky. • Zavatra ianaran'ny mpianatra: Ny tantaran'ny foko sakalava no lesonay androany. / Mianatra lesona / Tsy mahay lesona.
Ahitsio |
Leta | : | Jer. Lenta.
Ahitsio |