Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lakana: a.: Fitaovana hazo na vy entina mitety na mande-ha ambony rano, mita rano; matetika ny lakana dia vita amin'ny vatan-kazo lehibebe noloahana izay manjary mai-vans ary mitsinkafona tsy milentika, - t.i.f: Lakanina, voalakana / mandakana, fandakana, mpandakana 1 andakanana, fandakanana / mahalakana. - F.-p.: Lakan-jila na Lakanjejo: lakana maivana mora misosa raha vao voizina. / Lakan-drafitra: lakana vita amin'ny hazo maro natambatambatra fa tsy amin'ny hazo iray noloahana. J Lakampiara: lakana maro natambatra. / Lakam-bato: vato noloahana miendri-dakana na natao handrobohana na hanofanana ny vy. J Lakan-damosina: ilay lempona manaraka ny hazon-damosina atao hoe lakan-drano. J Lakan-drano: tatatra natao handehanan'ny rano. / Lakan-jilo: lakana mitsilotsilo ny tendrony roa, izany hoe ny lohany sy ny vodiny. / Saran-dakana: ny vola aloa amin'ny mpampita lakana. / Laka-mody: ny lakana efa'ndeha hiverina eny amin'ny morona ilany, ka hararaotina mba ho kely ny saran-dakana. / Tehin-dakana: ilay hazo lava-lava itehenana mba hampandeha ny lakana./Lakan'aina: lakan-kely famonjena ny mpandeha raha misy loza mihatra amin'ny sambo andehanana. * Ohab.: Mangetaheta ambony lakana: mihafihafy eo ampovoan'izay rehetra ilaina. ¶ M.h.: Mosarena ambody sompitra. J Mandeha tsy voizina toa lakan-fila: entimilaza olona misosososo miditra na manao zavatra nefa tsy ampandrosoina na asaina manao ilay zavatra akory. J Mampitaha lakana sy zahatra: mampitaha zavatra roa izay hita avy hatrany fa mifanalavitra na ny bikany na ny tombany. / Mitsipa-doha laka-nitana: tsy mahay mankasitraka, na mamaly ratsy ny soa ataon'olona ny tena. I Tongotra mby an-dakana ka tsy miverina intsony: zavatra efa notinapaka ary efa vita daholo ny fiomanana ny amin'izany ka tsy azo ahemotra intsony. I Ny hazo no vanon-ko lakana; ny tany naniriany no tsara: ny zavatra no vanona dia ny any amin'ny fototra no tsara. / Lakan-drafitra very fivoy: enti-milaza olona tsy manana na inona na inona hianteherana intsony hamonjena tena. Ahitsio
Lakandamosina: a.: (indraindray koa lazaina fotsiny hoe Lakamosina) IlaY lempona mitsoriaka midina eo afovoan'ny lamosina, manaraka ny hazondamosina, atao koa hoe lakandrano. Ahitsio
Lakandrano: a.: Masondrano tsy vita-Nanahary fa nataontanan'olombelona mba handehanana an-dakana na hanondrahana ny tany manodidina. 1 h.o.: Ilazana koa ny lakandamosina. Ahitsio
Lakanina: (lakana) mt. ih. (lakano): Akana na ampiasana lakana. * Ohab.: Maizina ny andro azo tsilovina, lalina ny rano azo lakanina; fa ny ratsy ce tao tsy mba azon-kevitra Ahitsio
Lakaoly: a.: Ny zazavavy mpanaraka ny Andriana sy manotrona azy. Ahitsio
Lakasina: Jer. Alakasina (ala). Ahitsio
Lakato: (Btm, Ski, Mer.) a: Zohy.1 (Br) : Zohy eny antenatenan-kavoana. - F.-p.: Lakatom-bava: valanorano. Ahitsio
Lakato: a: Ampinga fisapisaka mifono hoditr'omby: fanareo no arnpinga tsy laitran' ny bala sy lakato efitry ny lefona (Andrianampoinimerina). Ahitsio
Lakatra: a.: Ahitra fanaovana satroka. Ahitsio
Lakilasy: (fr. la classe) a.: Efitrano fianarana: Efa tafiditra ao an-dakilasy na ao an-trano lakilasy ny mpianatra. ? h. o.: Fianarana, tranon-tsekoly: Tsy mankany an-dakilasy izy fa efa hanambady hono. (Jer. Kilasy)Lakile (fr. la clé) a.: Fanalahidy. Ahitsio
Lako: p.t.: Miadana fa tsy mamindra haingana; tsy mifanizina (rary na tenona); tsy mafy (randran-bolo). i ti.f.: Lakoina 1 malako / milako 1 lakolako. Ahitsio
Lakoina: (lako) mtih. (lakoy): Atao miadana dia miadana, tsy rototra:Mba haingankaingana re fa aza dia lakoina toy izao ny dianao. Ahitsio
Lakolosy: (fr. la cloche) a.: Zavamaneno vita amin'ny halimo, mibika-na vara mihohoka, izay misy kiboriny mipaipaika azy ao anatiny ka mahatonga azy haneno; ny lakolosy dia ampiasaina hiantsoana olona na hilaza fotoana na ora: Mamelona lakolosy; tranon-dakolosy. Ahitsio
Lakolosy: a: Fomban-drandram-bolo fanao amin'ny volon'ankizy: avbna eo an-daniny roa ny volo ka manjary toy ny boriborin-dakolosy. Ahitsio
Lakoly: (fr. la colle) a: Dity na-tao tamin'ny lafarinina. Ahitsio
Lakoly: a: Jer. Lakaoly. Ahitsio
Lakomadina: (fr. la pommade) a : Menaka fihosorana. Fif angaroan-javatra miendrika menaka, manitra, ampiasaina amin'ny fikarakarana ny hoditra na ny volo: Mihosotra lakomadina isan-kariva izy. Ahitsio
Lakoraika: (fr. la grecque) a.: Atidoha: It? angaha efa mivadika lakoraika tokoa! Ahitsio
Lakoraona: fr. la couronne) a.: Meday omena ho mari-boninahitra an'izay nahavita zava-dehibe tamin'ny firenena: Nahazo lakoraona Ranaivo tamin'ny nanaovany vy very ny ainy namonjy an' Ambohimanga nodoran'ny sasany. 4, Fehezam-boninkazo lehibe misy tanjany vy boribory ho mari-pahatsiarovana na fanajana ny maty. Ahitsio
Lakozia: (fr. la cuisine) a.: Trano fanaovana nahandro: Tsy miala ao an-dakozia foana io salsa io. - F.-p.: Talen-dakozia: lehiben'ny mpahandro. Ahitsio