Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Akoraraika: (koraraika), mt. at. (akoraraiho): Asaina mikoraraika, avala hikoraraika. Ahitsio
Akorataba: (korataba), mt. at. (akoratabao): Akorontana, atao mikorontana, misafotofoto. Ahitsio
Akoravato: a.: Vato maranitra na mitrikitriky eny an-dalana. Ahitsio
Akorefa: (korefa), mt. at. (akorefao): Arefarefa amin'ny tany: Aza akorefa amin'ny tany ny lambanao. Ahitsio
Akoretika: (koretika), mt. at. (akoreteho): Atao mikoretika tsy milamina, mitsiporetika; akorontana, asafotofoto: Nakoretin'ny ankizy ny fitafiana tao am-bata ka nifangaro be ihany. Ahitsio
Akoriana: (koriana), mt. at. (akoriano): Ampandehanina misosa miadana, asosa tsy misy manakantsakana: Nakorianan'ny Mpandahatra eny an-dohasaha ny rano mba hamelona ny biby sy ny zauamaniry. 1 Akorisa, akisaka: Akoriano hatreto io uato io raha voatosikareo. Ahitsio
Akoriasa: a.: Tsy fahatapahankevitra, fisalasalana, fihambahambana. - t.i.f.: akoriasaina / manakoriasa / anakoriasana, fanakoriasana / miakoriasa / iakoriasana, fiakoriasana. Ahitsio
Akoriasaina: (akoriasa), mt. ih. (akoriasao): Atao izay hisalasalana: Nakoriasainy teo aho dia tsy lasa. Ahitsio
Akorintsana: (korintsana), mt. at. (akorintsano): Ahetsiketsika mba hanenoan'ireo voan-javatra ao anatiny na ireo zavatra eny an-tanana: Akorintsany ireo fanalahidy ma-ro eny an-tanany rehefa mandalo izy, Ahitsio
Akorirarira: (korira). mt. at. (akorirarirao): Ahemo-dava, angatahana andro lava. Ahitsio
Akorisa: (korisa), mt. at. (akorisao): Asosa, akisaka midi-na, akororosy: Mamizana ny mitaona ireo biriky ireo fa akorisao fotsiny amin'it? hazo fisaka Ahitsio
Akoro: (koro), mt. at. (akoroy) Asavoritaka, azera. Ahitsio
Akorobobo: (korobobo), mt. at. (akoroboboy): Asaina a-tao haingana, asaina atao maika: Nakorobobon'ny tompony it? akanjo zairiko it? fa maika hoentiny amin'ny Paka, hono. Ahitsio
Akorododo: (korododo), mt. at. (akorododoy): Atao izay handehanany haingana, roahina haingana: Akorododoy ireo akoho ireo fa homana ny uary mihahy. Ahitsio
Akorodorodo: (korodorodo), mt. at. (akorodorodoy): Asaina mandeha mingodongodona. Ahitsio
Akorofoka: (korofoka), mt. at. (akorofohy): Ahetsiketsika. Ahitsio
Akoromby: (koromby), mt. fit (akorombio): Entina miaro, manaloka: Tsilo akoromby ny anana mba tsy hohanin' ny biby ary bozaka akoromby ny ketsa. Ahitsio
Akorongo: (korongo), mt. at. (akorongoy): Asaina mifolaka toa hihaona: Azo akorongo ny tahon 'ny kamasina. Ahitsio
Akorontana: (korontana), mt. at. ( akorontano): Atao mikorontana, asafotofoto atao ambony ambany: Nakorontan'ny sasany ny entanay rehetra tao an-trano. Ahitsio
Akororoka: (kororoka), mt. at. (akororohy): Alana fako na bozaka amin'ny fandrarahana azy avy ambony ka entin' ny rivotra ireo fako sy bozaka ireo: Er? amin'ny uaua riuotra er? akororoka ny uary, Ahitsio