Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Herezina: (hery) mt. ih. (herezo): Atao amin-kerimpo, amin-joto, amin-kafanam-po: Herezo ny fiasa, ry mpiray tanindrazana. Ahitsio
Herika: a.: Fitodihana mankany ivoho, na any an-kavanana sy an-kavia; fijerena izay any aoriana ka atodika any ny loha. - t.i.f.: Herehina, aherika I miherika, fiherika, mpfherika / iherehana, fiherehana / mahaherika j herikerika. Ahitsio
Herina: a: Fiverenana amin' izay nialana (enti-milaza indrindra fotoana ary mazàna tafiditra amin'ny anarana teny akambana): Tongava amin'ny herin'ny alatsinainy. / Herinandro, herintaona 6 f : Aherina, voaherina, tafaherina / miherina, fiherina, mpiherina / iherenana, fiherenana / mahaherina. Ahitsio
Herinandro: a.: Fe-potoana misy andro fito voafetran'ny kalandrie: Ny alahady no andro uoalohany amin'ny herinandro araka ny kaland rie vazaha. • Fahelam-potoana misy andro fito: Ho vitanao herinandro ue io asa io? Ahitsio
Heringerina: a: Ny faritra ambany kelin'ny tampon'ny 10-ha indrindra, ny hatoka ambony. Ahitsio
Herintaona: a.: Fotoana ihodinan'ny tany manodidina ny masoandro, ]zany hoe 365 andro sy 6 ora na ampahefatry ny andro iray, • Elanelam-potoana misy andro 365 manomboka ny 1 Janoary ka miafara ny 31 Desambra, mitovy amin'ny taona ihany: Htanatra any Andafy, hono, izy amin'ny herintaona, * Fiten.: Lehilahy tsy boka herintaona: enti-milaza fa na inona na inona manjù, ny lehilahy afaka hiarina ihany noho ny herimPonY. Ahitsio
Herohero: a: Fisalasalana, tsy fahatapahan-kevitra noho ny ahiahy samihafa. - t.i.f•: Heroheroina, aherohero, voaherohero,tafaherohero / manerohero, fanerohero, mpanerohero / aneroheroana, faneroheroana / miherohero, fiherohero, mpiherohero / iheroheroana, filreroheroana. Ahitsio
Heroheroina: (herohero) mt ih. (heroheroy): Hetsiketsehina, korontanina. Ahitsio
Heroka: Herokeroka a: Fangidiana izaitsizy. - t.i.f: Mangerokeroka, fangerokeroka. Ahitsio
Herongerona: a: Feo migoboka sady mandrahona: faon' ny biby mampitahotra sy vonon-kandramatra. - t.i.f : Herongeronina, aherongerona, voaherongerona, tafaherongerona / manerongerona, fanerongerona, mpanerongerona f anerongeronana, fanerongeronana / miherongerona, fiherongerona, mpiherongerona / iherongeronana, fiherongeronana 1 mahaherongerona. Ahitsio
Herongeronina: (herongerona) mt.ih. (herongerony): Rahonana, ampitahorina, trerontreronina, besobesoina. Ahitsio
Herotra: a: Mena-dronono mitsinkafona mitambatra amin' ny fanambonin'ny ronono masaka. - t.i.f.: Manerotra, fanerotra, mpanerotra / herotrerony. * F.-p.: Maty vao herotrerony: maty mbola tanora dia tanora. ¶ M.h.: Folaka andantony. Ahitsio
Hery: a.: Tanjaka: Mahazendana ny herin'io lehilahy io fa voatariny amin'ny tanana ila ny fiarakodia. 1 Fahefana: Manan-kery lehibe io fanjakana io. • Hafanam-po, fanamparan-tanjaka: Alao hery, rankizy, ny fianarana. / Manao an-keriny. / Asa, vokatra: Manan-kery mety hahasitrana ity zauamaniry ity. / Nisy heriny tokoa ny fivavahana nataonareo. ? Ambiny: Asio heriny kely ny karamako fa nitombo betsaka ny asa tamin'ito.(•Hany zavatra azo natao: Tsy hitako izay hatao, ka heriko nivoaka. - t.i.f.: Berezina, ankaherezina / mahery, mpahery / aherezana, faherezana / mankahery, mpampahery, mpankahery / ankaherezana, fankaherezana / mihahery. - F-p.: Alao hery: famporisihana handeha haingana, na hiasa betsaka; fampaherezana. / An-kery, an-keriny: fanaovana an'aina tsy misy rtndrany. / Herim-batana: tanjaky ny tena miankina amin' ny vatana fotsiny. / Herimboantay: enti-milaza ny herin'olona tsy dia matanjaka firy fa be kiry miserana fotsiny. / Herim-po: herin'ny sitra-po mandresy ny tahotra sy ny henatra ary tsy mikendry afa-tsy ny hahavita zavatra ka milofo hatramin'ny farany. j Herin-tsaina: toetra feno toky sy fikfrizana ary vonona handresy ny sarotra. / Herin-doha: tany tsara ampy hivelomana. / Hery setra na herisetra: fihetsika mitratrevatreva sy mihetraketraka. Lany mondron-kery: fongana ny hery rehetra tamin'ny asa na ny fanaovan-tsoa. * Ohab.: Ny hery tsy mahaleo ny fanahy: entina milaza fa ny tanjaka fotsiny tsy misy fisainana dia tsy ampy. ( VouSn'alika tsy hery fa tahotra: entina milaza ireo be vava izay be feo fotsiny ne-fa kanosa tsy sahy miroso hifanandrina. Ahitsio
Hery: a: Anarana ilazana ankapobeny ireo zavamaniry misy tsilotsilony, toy ny havoatra, angivy... Ahitsio
Hery: ft.: Fandefasana fivalanana. - t.i.f : Mangery, fangery l angerena, fangerena. Ahitsio
Hesikesika: Jer. Esikesika. Ahitsio
Hetaheta: a.: Famaizana hisotro: Main'ny hetaheta aho izany. 1 h.o.: Fanirianamafy hanana; fitsiriritana tsy mety afa-po. - t.i.f.: Mangetaheta, fangetaheta, mpangetaheta / angetahetana, fangetahetana. * F.-p,: Afa-ketaheta: ilazana izay nisotro rano ka afaka teo ny fahamaimaizany hisotro rano. / Manala hetaheta: manome fahafaham-po amin'ny faniriana hisotro rano. / Mipoaky ny hetaheta ny tenda: feno faniriana tsy anerany hisotro rano. * Ohab.: Ny hetaheta tsy afa-dronono: efa natao misy sahaza azy ny zava-drehetra, ka na tsara toy ny inona aza ny ronono, tsy mahasolo ny rano izy mba hahafa•ketaheta./Sotro rano an-tanam-bazo tsy hetaheta fa angolangola: enti-milaza haitraitra kely mba hamalifaliana ny hafa fotsiny fa tsy zavatra tsy maintsy ilainy akory. Ahitsio
Hetakoaka: a: Hazo lehibe mahatratra hatramin'ny 20 m ny halavany, fampiasa amin' ny rafitra madinika. Ahitsio
Hetatra: a.: Karazan-kazo lehibe fanao hazofisaka. Ahitsio
Hetezana: (hety) mt. ih. (hete-430 ro): Didiana na tapahina a-_ min'ny hety. Ahitsio