Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Horahina: (horaka) mt. ih. (horaho): Deraina, horehfna: Nohorahina ny mpandresy. ~ Akoraina: Nohorahin'ny ankizy ilay zazalahy saika hangalatra Ahitsio
Horahina: p.t.: Enti-milaza ny tanimbary asaina feno rano, mandrevo. Ahitsio
Horáka: ft.: Mena. - t.i.f. : Mangoriika, fangoria ka, horadriika. Ahitsio
Horaka: a: Tanimbary be rano eny andemaka izay tsy mila hitaritana rano intsony hanondrahana azy — (Mifanohitra aminy: sakamaina, tavy: Jer. ireo teny ireo). Ahitsio
Horaka: a: Feo manao rodobe mitory fihorehana na figagana na horakoraka na fiarahabana na fanesoana koa aza: Tsy nifandrenesana ny horakora-pifalian'ny uahoaka ~ Feon'ny sahona: Horakoraka no an'ny sahona fa ny tsiboboka ihany no tompon'ny rano. 1 trf.: Horahina, voahoraka mihoraka, fihoraka, mpihoraka / ihorahana, fihorahana 1 mahahoraka / horakoraka I mihorakoraka. Ahitsio
Horaka: sy Horakoraka ft.: Fahalahelovana noho ny fahitana olona ory na mijaly; fahatsiarovana ny tena ho malahelo amin'ny fahitana ny ory na mijaly. 1 t. L f.: Mangoraka, sy mangorakoraka, fangoraka, mpangoraka / angorahana, fangorahana f fangorakorahana / . mampangoraka. Ahitsio
Horangorana: ft.: Fahatsiarovana ho reradreraka. i t.i.f.: Mangorangorana. Ahitsio
Horatsaka: ft.: Hafotsiana tanteraka. - t.i.f.: Mangoratsaka, fangoratsaka / horatsadratsaka. Ahitsio
Horehina: (horika) mt. ih. (horeho): Igagana, italanjonana: Nohorehina ny fahaizany mikabary. • Akoraina. Ahitsio
Horia: tp.: Teny ataon'ny mpiandry ondry mba hampijanona na hampivily lalana ny andian'ondry. Ahitsio
Horiaka: ft.: Fihovitrovitra noho ny tahotra; fihidihidin'ny vazana noho ny rikoriko. - t.i.f.: Mihoriaka I ihoriahana, fihoriahana / horiadriaka. Ahitsio
Horijy: a.: Hazo noravahana natao sampy. Ahitsio
Horika: a.: Figagana, fitalanjonan'olona maro noho ny hatsarana na haratsian-javatra atrehina tafahoatra. - t.i.f : Horehina, tafahorika / mihorika, fihorika, mpihorika / ihorehana, fihorehana / mahahorika 1 horikorika / mihorikorika. Ahitsio
Horintsina: a: Fahatsiarovana ohatra ny misy zavatra mitsoriaka na manaikitraikitra ny nofo aman-kozatra any anaty any; feo maranitra sady avo izay manindrontsindronamafy ny sofina. 6 t.tf•: Mangorintshra, fangorintsina, mpangorintsina I angorintsinana, fangorintsinana / horintsindrintsina. Ahitsio
Horipika: a: Fikipihana, fialana noho ny hasosorana na ny rikoriko. - t.i.f : Tafahoripika 1 mihoripika, fihoripika, mpihoripika / ihoripihana, fihoripihana / horipidripika. Ahitsio
Horirana: a.: Fandriana ka ny ila no atao ambany mandry; fijoroana tsy manatrika na miamboho fa ny ila an-kavia na havanana no tazana. 1 t.i, f,: Horiranina, ahorixana, voahorirana, tafahorirana / manorirana, fanorirana, mpanorirana / anoriranana, fanoriranana I rnihorirana, fihorirana, mpihorirana 1 ihoriranana, fihoriranana / mahahorixana f horirandrirana. Ahitsio
Horiranina: (horirana) mt.ih. (horirano): Jerena tsy manatrika fa misompirana: Nohoriraniko ny fijeriko azy, ka tazany ihany aho. Ahitsio
Horiridrano: a: Karazana horirika maniry eny an-keniheny. Ahitsio
Horirika: a.: Ravin'ny saonjondrano fanao fangaron-daoka (azo ilazana ny ravin-tsaonjo mamy na ny ramandady ihany koa anefa ny horirika raha mbola tsy mivelatra na mbola mihorona ila). * Ohab.: Horirika namonosan-kena ka miara-deuona: enti-mil aza ny mpangalatra sy ny mpanafin-kalatra izay tokony homena sazy iray ihany. Ahitsio
Horisy: tp.: Teny fanao rehefa mandroaka ny akoho amamborona mitady hiditra ao antrano. Ahitsio