Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Korefa: a: Toetran'ny zavatra Gamba, akanjo, elatra...) mitaritarika na mirefarefa amin'ny tany, mila hikasika ny tany na mikasika mihitsy az a. i tif: Korefaina, akorefa, voakorefa f manakorefa, fa- nakorefa, mpanakorefa I anakorefana, fanakorefana 1 mikorefa, fikorefa, mpikorefa I ikorefana, fikorefana I mahakorefa / korefarefa. Ahitsio
Korefaina: (korefa) mt.ih, (korefao): Atarozaka, atao ela vao vita: Nokorefain'ny Fitsarana ny raharahany ka maty tsy nahita ny fiafarany akory izy. Ahitsio
Koreha: na Korehyp.t: Mora mitomany: Tsy hita koa izay hanaovana it? zanakao ity fa zazakely koreha. ¶ M. h.: Fitomany, mpiketriketrika. Ahitsio
Korepaka: Jer. Korefa. Korera: Jer. Gorera. Ahitsio
Koretehina: (koretika) mt ih. (koreteho): Akorontana, asafotofoto: Nokoretehin'ny ankizy ny entana tao an-trano. • Atao mirango-tsaka: A-za koretehina toy izao ny soratrao, anaka 0 Atao miboredika, misavorovoro: Nahoana no koretehina tahaka izany ny fiteninao? Ahitsio
Koretika: a: Zava-mikorontana, misavorovoro; sary amantsoratra mifotetaka, rangodrango-tsaka. - t.i.f : Koretehina, akoretika, voakoretika, tafakoretika / manakoretika, fanakoretika, mpanakoretika / anakoretehana, fanakoretehana / mikoretika, fikoretika, mpikoretika I ikoretehana, fikoretehana ( mahakoretika / koretidretika. Ahitsio
Koretsika: a: Fihe tsike tsi-javamananaina be dia be mihahohah o. 1 tif : Tafakoretsika I mikoretsika, fikoretsika, mpikoretsika / ikoretsehana, fikoretsehana. Ahitsio
Koretsika: a: Feon'ny sahona. Ahitsio
Koriana: a: Fandehanana midi-na tsimoramora, fisosana tsy misy manakantsakana, fizorana amim-pilaminana. - t.i.f.: Korianana, akoriana, voakoriana, tafakoriana I manakoriana, fanakoriana, mpanakoriana / anakorianana, fanakorianana I mikoriana, fikoriana, mpikoriana I ikorianana, fikorianana / mahakonana / koriandriana. Ahitsio
Korianana: (koriana) mt. ih, (koriano): Ibolisarana, iporotsahana, itsoriahana: Nokorianan'ny fandraka ny tanako ka nijananaka ra • Ianjerana, kodiavana: Nokorianan' ny vato ny tongotry ny zandriko ka naratra. Ahitsio
Korika: Jer. Horika. Ahitsio
Korintsana: a: Feon'ny voanjavatra maina ao anaty akorany izay mamoaka feo mikitrana rehefa voatohina. ? Feo manenon'ny vilia na vera na vola madinika mifandona. - t.i.f.: Korintsanina, akorintsana, voakorintsana, tafakorintsana I manakorintsana, fanakorintsana, mpanakorintsana / anakorintsanana, fanakorintsanana I mikorintsana, fikorintsana, mpikorintsana 1 ikorintsanana, fikorintsanana 1 mahakorintsana 1 korintsandrintsana. Ahitsio
Korintsana: a: Zavamaneno mikorintsana manaraka ngodon-kira; samy manana ny anarany avy izy ireo arakaraka ny bikany sy ny zavatra nanaovana azy: ao ny kapoaka (misy na tsy misy tahony hihazonana azy), ao ireo afehy amin'ny hatotanana na ny tongotra ka entina mandihy; ny tsotra indrindra dia voatavo arivolahy efa maina, nesorina ny tao anatiny ary nasiana voa madinika. Ahitsio
Korintsanina: (korintsana) mt. th. (korin tsano): Ampanenoina Ahitsio
Korira: Korirarira a: Sangisangy sy resadresaka entina mandrebireby hanarivana andro. ? Fialana fetsifetsy entina hampitaroza-dava raharaha (jar. Rirarira). t.i.f.: Korirariraina, akorirarira, voakorirarira, tafakorirarira 1 manakorirarira, fanakorirarira, mp anakorirarir a I anakorirarirana, f anakorirarir ana / mikorirarixa, fikorirarira, mpikorirarira / ikorirarlrana, fikorirariYana / mahakorirarira. Ahitsio
Korirariraina: (kor'rrarira) mt. ih. (korirarirao): Sangisangina, rebirebena; atao mitaroza-dava Ahitsio
Korisa: a.: Fisosana, fikisahana midina ka mikororosy fa tsy mivadibadika; fandeha misosa fotsiny nefa tsy mamindra fa misononoka; fibolisarana. i t.i.f.: Korisaina, akorisa, voakorisa, tafakorisa I manakorisa, fanakorisa, mpanakoriss 1 anakorisana, fanakorisana / mikorisa, fikorisa, mpikorisa 1 ikorisana, fikorisana ( mahakorisa / korisarisa. Ahitsio
Korisaina: (korisa) mt. pdr. (korisao): Sosana, andefasana zavatra hipoka aminy: Nokorosainy hazo izy hamikirany. • Kosehina, dilorina: Korisaina taim-bankona ny fana-ka Ahitsio
Korise: (fr. crochet) a: Karazan-dantelina atao amin'ny kofehy ba, ka vy kely mifaraingo no ampidirana sy isintonana ny kofehy. Ahitsio
Koro: p. t: Noborina sofina (na ny sofina anila na izy roa mihitsy). - t.i.f : Koroina na koroana, voakoro I manakoro, fanakoro, mpanakoro I anakoroana, fanakoroana | mahakoro. Ahitsio