Kiady: | : | Jar. Kady.
Ahitsio |
Kiafoafo | : | a.: Afo kely ampirehetina hatao tsilalao.
Ahitsio |
Kiahina | : | (kiaka) mt. ih. (kiaho): Rangotina; endahan-koditra: Nokiahin'ny sakaizany ny tanan'ny zandriko. 1 Asiana soritra kely amin-javatra: Kiahina amin'ny vy kely ohatra ny penina ny hoditra rehefa manao vakisiny. 1 Faohina, paohina, ngoahana: Hokiahin'ny rano ity tany ambany it$' fa asio aro riaka.
Ahitsio |
Kiaka | : | a: Tsipika na soritra hi-ta kely; fiendahana kely ateraky ny rangotra na fikasohana mafy amin-javatra: Misy kiaka ny tanako. 1 t. ? f.: Kiahina, aldaka, voakiaka I manakiaka, fanakiaka, mpanakiaka I anakiahana, fanakiahana I mikiaka, fikiaka I ikiahana, fikiahana I mahakiaka / kiakiaka.
Ahitsio |
Kiaka | : | a: Feo taitra mikarantsana mafy: Henonao va ilay kiakan'olona tao? - t.i.f.: Akiaka 1 mikiaka, fikiaka, mpikiaka / ikiahana, fikiahana 1 mahakiaka 1 Makiaka 1 akiakiaka, kiakfahina I mikiakiaka.
Ahitsio |
Kiakandro | : | (fit.-p.) p. mt.: Mangoana atsinanana.
Ahitsio |
Kiakiaka | : | (kiaka) a.: Antsoantso mafy mankarenin-tsofina: Henonao oe izany kiakiakana kisoa vonoina izany?
Ahitsio |
Kiaky | : | a.: Jer. Kaky.
Ahitsio |
Kiampongaponga | : | a: Amponga kilalaon-jaza natao tamin' ny vavan'ny sinibe efa vaky ka hoditra manify na tatavian-kena no henjanina eo amboniny ary kapohina amin' ny tsora-kazo kely anankiroa.
Ahitsio |
Kiana | : | a: Tsiny kely, kilema tsy dia manao ahoana: Tsy misy kiany it? sary it?, na dia kely aza. - t.i.f.: Kianina, voakiana j manakiana, fanakiana, mpanakiana 1 anakianana, fanakianana / kiankiana / kiankianina.
Ahitsio |
Kiana | : | ft: Enti-milaza toetra mora vaky. - t.i.f.: Hakiana / makiana 1 makiankiana.
Ahitsio |
Kianakanaka | : | a.: Jar. Anakanaka.
Ahitsio |
Kianina | : | (kiana) mt. ih. (kiano): Tsinina: Kianin'ny ma-ro ny fitondran'io lehilahy io ka inoana fa tsy haharitra.
Ahitsio |
Kianja | : | a: Toerana malalaka, mazàna eo afovoan-tanàna, atao fivoriana, fikabariana ary fanaovana lanonana. - t.i.f.: Mikianja.
Ahitsio |
Kianjo | : | a: Karazan-javamaniry izay fihinana ny vodiny.
Ahitsio |
Kiankianina | : | (kiana) p.t.: Mahafinaritra, bikàna: Tououauy keiy kiankianina izay no tonga tao. ? Mora sosotra, mora mararin-teny: Olona kiankianina sarotra iarahamonina
Ahitsio |
Kianoanobe | : | Kinanonanobe, Kinoanoabe (anoano) a.: Vinany ara-keviny.
Ahitsio |
Kiary | : | na Randrankiary (Btl) a.: Randram-bolo betsileo toa mihodidina manodidina ny loba toy ny fefy na valamanodidina.
Ahitsio |
Kiary | : | Kifetriposa, Kif ehaka, Kihohoka, Kilafitsotsy na Kilafahonofotsy, Kilavoahibary, Kipetaka, Kirazorazo, Kisabokisiny, Kisahondra, Kitelo, Kidimy, Kifito, Kifolo an'ila, Kitokandalana, Kivona, Randrana tsotra, Randranketsa, Rasaraka, Tadimpintana, Tototsongo, Valalamihoatra, Vombory, na Tsaramaha, Vonkavia, Volo misaona — Marina: Bango ankatoka, Difisesy, Kirozaroza, Lakolosy, Lambomiditra, Randramadinika, Tananivoho (der. tsirairay ireo teny ireo).
Ahitsio |
Kiatondra | : | (Btl) a.: Anarana iantsoana ireo ahitra maro karazana maniry amin'ny farihy na kamory marivorivo (Jussiaca repens).
Ahitsio |