Lolompaty | : | a: Karazana lolo lehibebe izay maintimainty manopy mena ary misy pentina boribory lehibe mangamanga eo amin'ny ilany ambony toy ny maso roa makadiry, ka izany no nahatonga ny anarany koa hoe kakabemaso.
Ahitsio |
Lolompo | : | (fo) a: Fitanana am-po ny ratsy nataon'ny sasany amin'ny tena: Mitana lolompo. / Manao an-dolompo.
Ahitsio |
Lolotra | : | a: Fisaritahana na fisafotofotoana mahatonga fahasahiranana. - F-p,: Lolotr'amalona: raharaha manahirana.
Ahitsio |
Lolovokatra | : | a: Olona efa nalevina nefa velona indray ka tsy sahy mody, dia lasa olondia.
Ahitsio |
Lomano | : | a: Fahaizanamampitsinkafona ny tena ao anaty ran o amin'ny fanetsiketsehana ny tongotra sy ny tanana. Misy karazany maro ny fihetsehana amin'ny lomano: ny tsikaroka: lomanon'ny tsy mbola mahay ka toy ny mitsikarokaroka fotsiny ny tanany; ny tsipy sandry: lomanon'ny efa mahay, izay manipy ny tanany lavitra ka manaxaka an'iny ny vatany; ny rano tsilany: lomanon'ny mahay koa, izay mandry mitsilany eo ambony rano ka ny tongony no toy ny mivoy ny rano dia misondrotra sy miakatxa izy; ny antsitrika: lomanon'ny mahay, izay mahay misitrika ela any anaty rano, sas... • tif: Lomanosina, alomano, tafalomano / milomano, filomano, mpilomano 1 ilomanosana, filomanosana 1 mahalomano. * Ohab.: Lomanom-boka: tafita vao rendrika: enti-milaza zavatra na raharaha mby efa ho vita vao simba na tsy tanteraka, toy ny lomanom-boka izay misosa tsars hatrany, fa rehefa tonga eny amorona vao tsy tafita satria tay afa•mamikitra ny tanany.
Ahitsio |
Lomanosina | : | (lomano) mt. ih. (lomanosy): Isosana amimpahaizana ao anaty rano: Tsy azo lomanosina io rano io fa be voay.
Ahitsio |
Lomay | : | (L-om-ay) a.: Fandehanana haingana, fihazakazahana. - t.i.f•: Milomay.
Ahitsio |
Lombiry | : | na Lombiro (Ski) a: Vahy misy poizina mahery. ? F.-p.: Misotro ranon-dombiry: mamono tena
Ahitsio |
Lombombava | : | (Btl) a.: Fomba fisampin-damba manarona ny vava mba tsy tiana hahitan'ny olona ny fihetsiky ny vava na koa mba hoenti-maneso ny olona iresahana.
Ahitsio |
Lombondoha | : | (Btl) a: Lamba arakotra ny loha sy ny tarehy mba hiarovana amin'ny hainandro.
Ahitsio |
Lomisy | : | p. t.: Teny filaza amin' ny zavatra mandeha tsiroaroa, izany hoe roa mitovy ho an'ny havia sy havanana, toy ny kavina, ban-tongotra, kiraro, ans...; iray aman'olona: Kavina iray lomisy.
Ahitsio |
Lomodomotra | : | p.t.: Tezitezitra, sosotsosotra, kitokitoina. i t:tf.: Milomodomotra, filomodomotra, mpilomodomotra 1 ilomodomorana, filomodomorana / mahalomodomotra.
Ahitsio |
Lomorina | : | (lomotra) p.t: Itakovanan'ny lomotra betsaka: Vato lomorina io fa aza hitsahina. 1 h. i.: Entina hilaza• na koa ny toe-tsaina feno haratsiana sy tsy mba mivoatra: Toe-tsaina lomorina izany miheuitra ny Malagasy ho tsy maintsy miankin-doha lava amin'ny hafa izany.
Ahitsio |
Lomotra | : | a.: Zavatra mitankosfna maitsomaitso ao anaty rano na mipetaka amin'ny vato anaty rano ka malarias aoka izany raha hitsahfna. - t.i.f.: Lomorina.
Ahitsio |
Lompatra | : | a: Jono, hanin-jono hakana foza.
Ahitsio |
Lompilompy | : | a: Jar. Lopilo-PY•
Ahitsio |
Lompy | : | a: Jiolahy, olona ratsy ary tsy valahara. - F.-p.: Trano fandrian-dompy: trano fanafenan9ry mpanao ratsy na mpangalatra ny zavatra nangalariny.
Ahitsio |
Lompy | : | a.: Zavatra tsy azo a noharana na ihodivirana, toy ny fahafatesana: Lompy tsy mahahery.
Ahitsio |
Lompy | : | a: Volomason'ny landy, izay misokatra sy mivelatra ary miova soratra rehefa tohinina.
Ahitsio |
Lompy | : | (t.tr.) a: Loza
Ahitsio |