Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manday: (Lay) mt.s. (mandai-ru): Mandeha haingana, mirotoroto. Ahitsio
Manday: (lay) mt. p.: Manindrona. Ahitsio
Mandazo: (lazo) mt.p. (mandazoa): Manamaina, manamatroka. Ahitsio
Mandefa: (lefa) mt.p. (mandefà na mandefasa): Mampandeha ho any amy...: Mandefa iraka. ~ Mampitondra: Nandefa taratasy any amin' ny rainy izy. / Mitifitra, mitoraka amy...: Mandefa basy iray vava / Manafaka, mamotsotra: Mandefa sambobelona / Mamoaka: Mandefa teny tsy voahevitra ianao izany. Ahitsio
Mandefitra: (lefitra) mt.p. (mandatera): Manao izaY foretana, mamoritra: Mandefitra ny rantsam-boaloboka * h.o.: Miaritra, mihafy, mizaka izay mihatra: Mande fi-tact ny fanaratsian'ny olona * Mamaia, tsy maniny: Nandefitra ny hadisoana keiy vitanao aho hatramin'izay, fa ity kosa tsy zakako intsony. * F.-p.: Mandefitra manamahitsy: ilazana izay miaritra tsy manohitra na dia ma-nana ny marina aza. * Ohab.: Lohalika sy laferana: izay mandefitra no mandina: (Jar. Laferana. / Ny tsihy no fola-mandefitra, fa ny olona tsy fola-mandefitra: entina hitaomana olona handefitra satria tsy misy fahavoazana ho azy+ ny mandefitra, fa ny tsihy no folaka raha mandefitra Ahitsio
Mandefona: (lefona) mt.p. (mandefbna): Manatsatoka le f ana. * F.-p.: Mandefona iuoho: mamely tsy mifanatrika, m anao teti-dratsy amin'ny olom-pantatra izay mody isakaizana. / Milefona omby: fomba fianianana fahizay (vonoina ny zanak'omby ka manao velirano eo izay mianiana na izay mifanaiky, ka izay mivadika dia tsitsihina ho toy io zanak'omby io). Ahitsio
Mandeha: (leha) mt.s. (mandehana): Mamindra toerana ny vatan-tena amin'ny famindrafindrana ny tongotra: Tsy mbola afaka mandeha ny marary. / Efa miana-mandeha ny zafikeliko. ? Mizotra: Nandeha tamin'ny arabe izy fa tsy nihazo ny lalan-kely akory. 1 Miala, miainga: Ton-gava maraindraina fa amin' ny fito aho no handeha. ~ Mandalo: Nandeha tany antsena aho aninaraina. 1 Mihelina,miserana:Mandeha haingana ny andro rehefa ririnina ~ Mihetsika ara-dalàna ny milina ao aminy: Mande-ha ve iny famantaranandronao iny? ~ Mandroso: Mandeha ve izao varotrao? - F.•p.: Mahaleha lalana: enti-milaza ny zaza efa afaka mandeha any amin'izay toerana haleha. / Mandeha na-na; mandeha ra: ilazana ny fery na ratra mivoaka nana na mivoaka ra. / Mandeha tsy voizina: ilazana ny lakana kely izay manaraka fotsiny ny rano mivalana na tsofin'ny rivotra fa tsy ilaina hovoizina akory. Ahitsio
Mandelika: (lelika) mt.p. (mandelefa): Manototra, manarona. Ahitsio
Mandemaka: (lemaka) mt.p. (mandemaha): Manarina. Ahitsio
Mandemolemo: (lemo) mt.p. (mandemolemoa): Mamotsipotsika, mamonjafonja, mitsap atsap a Ahitsio
Mandempona: (lempona) mt p. (mandeniPbna): Manisy lempona. Ahitsio
Mandemy: (lemy) mt.p. (man-dame): Mahatonga ho osa: Ny mipetrapetra-dava no mandemy an-dRangahy io. Ahitsio
Mandena: (lena) mitai, (man-dama): Manisy rano, manamando. Ahitsio
Mandeno: (leno) mt.p. (mandenoa): Mampangotraka, mitanika, manatsoboka ao anaty leno. Ahitsio
Mandentika: (lentika) mt. P. (mandenteha): Man atsatoka mandevina: Mandentika tsato-kazo amin'ny tany. * Manasitrika, manitrika: Mandentika hazo lava ao anaty rano. ? Mandrendrika: Nandentika ny sambo ny onja sy ny rivotra. 1 Mandroboka, mampihitsoka: Ny namandratsy no nandentika azy tamin'ny fahazaran-dratsy. ~ Mampiditra amin'ny lalina, amin'ny kizo, mampifatratra: Vao mainka nandentika ny uoampanga ilay vavolombelona nantenainy hanavotra azy. Ahitsio
Mandesoka: (lesoka) mt.p. (mandesoha): Manisy pepo, mandempona; maniny, ma-nome tsiny. Ahitsio
Mandetra: (letra) mt.p. (mandera): Mampiditra, mandentika an-kery. Ahitsio
Mandetsy: (letsy) mt.p. (madetse): Mampietry: Esory any it4 farafara be ity fa mety handetsy ny rihana. ~ Mampihena ny vidin'entana nataon'ny tena tamin'ny voalohany: Tsy afaka handetsy ny uidin'it9 fanaka Ity mihoatra an'izay aho, tompoko. Ahitsio
Mandevilevy: (levy) nit s. (man-de v ileue):1) Mangotraka: E fa mandevi7evy ny rano ka arotsahy amin'izao ny vary. 2) Miontanontana izaitsizy (na alahelo na hatezerana): Nandevilevy ny foko tamin'ny fatin'ny zokiko. 1 mt p.: 1) Mananatra na maniny olona amin'ny hadisoana nataony na ny tsy fanaovany adidy tokony ho nataony: Nandevileuy azy daholo ny manodidina tamin'ny nanafenany an' ilay mpangalatra. 2) Mandrahona manao teny mahery noho ny hatezerana: Nandevilevy azy mafy rainy. Ahitsio
Mandevina: (levina) mt.p. (mandevena): Manitrika, manafina, manototra ao anaty tany: Auy nandeuina an-drainy izy. it Mandentika zavatra anaty tany, ka tapany sy ilany ihany: Mandevina andry. - F.-p.: Mandevin-tsaina: me nafina, tsy milaza izay heviny; mody adala ka miseho ho tsotra be nefa fangoloka. / Mandevin-tay an-tsalaka: manafina ny ratsy natao. / Mandevin-jaza marary: ma• nary toky ambony ihany. / Rafotsibe nandeuinaeranambatry: olona mitahiry hitsinjovana ny ho avy. /Haleviko am-batan'orona raha maty: enti-milaza olona izay tiana fatratra ka toa tsy foy halevina ao anaty tany. Ahitsio