Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandona: (dona) mt.p. (mandonà): Mamàka, manapàka, mangona: Nandona ny bisikiletako ny fiarakodianao ka tsy maintsy mitaraina aho, / Mikapoka, mively: Mandona ny fantsika amin'ny tanany io mpandrafitra io. 1 Mipaika, mipaipaika: Misy mandona ny varavaranay isan'alina ~ F.-p.: Mandon-tratra: miaiky fa diso. 1 Mandom-bera na manao dom-bera: mifampipoka ny vera mba ho mariky ny fifampirarian-tsoa rehefa hisotro divay. / Mandom-baravarana : enti-milaza ireo mpamaky volana tamin'ny famonoam-boalavo (fa nenjehana ny mpamosavy izay mandona ny varavaran' ny olona ho fampitahorana). /Mandondom-baravarana: enti-milaza ny olona mandona varavarana alohan'ny hiditra ao an-trano no sady manao haody; h. o.: mangataka zazavavy ho vady any amin'ny ray aman-dreniny. Ahitsio
Mandonaka: (donaka) mt.p. (mandonaha): Manisy zezika mba hahavokatra: Mandonaka tsara ny tan iny izy. Ahitsio
Mandonaka: (donaka) mt.p. (mandonafa): Mana troka: Handonaka anay ianao raha mitaina kitay hazo lena 1 Mikapoka: Loza raha handonaka ny zanany io rangahy io. Ahitsio
Mandonda: (donda) p.t: Mavesatra (noho ny lanjan'ny vatan-tenany fa tsy noho ny habeny na ny habetsahany): Mandonda ny platin ina ¶ M.h.: Mafonja. Ahitsio
Mandondona: (dondona) p. t : Mandroso mitatao: Mandondona eo ambonin'ny tranonay ny vatoben'Ampamarinana ¶ M. h.: Mandroso, mandomba. Ahitsio
Mandopotsy: a,: Karazam-bibilava kelikely kokoa fa masiaka kokoa kosa noho ny mandotra; fotsifotsy na mavomavo ny volony. Ahitsio
Mandoro: (dora) mt.p. (mandoroa): Mampirehitra: Nandoro ny tanàna ny fahavalo dia lasa. ? Manao izay hahamasaka: Mandoro biriky tanimanga. / Manao: Mandoro arina ¶ M.h.: Mandotra, mandrehitra, mampirehitra, manatsolo, manatsetsaka. Ahitsio
Mandositra: (lositra) mt.s. (mandosira): Manalavitra haingana mba tsy ho tratra, miriatra, mirifatra, miridana: Mandositra ny fahavalo. ? Mivoaka an-tsokosoko, mile-fa: Nandositra hono Rainivoanjo efa voatana tao antranomaizina. ? mt.p.: Midify: Mandositra ahy foana ny zanakao. ¶ M.h.: Midify, milefa, mitsoaka, mitsoriaka, miporitsaka, mivoaka, miriotra, mirifatra, manavotra aina, manao tsoa-pe, manao kaovasy, manao rarangy, manao tongotra an-katoka, manao vezamaimbo, riatra mandositra, vaky mandositra, vaky bao, vaky tady, tapa-kofehy, tsy tana, madio ny rano nitany, miridana, milomay, lasa any an-dakira, lasa any banty, la-sa any am-parakatsakatsaka, manao tsipy kely, manao fialan'ny Jiosy, manary basy, manifi-drano, mitakidingina, manary, manjavona. Ahitsio
Mandoto: (loto) mt.p. (mandotoa): Manisy loto: Mandoto ny akanjony foana it? zaza t?, 1 Manala baraka, manendrikendrika, manaratsy: Tsy tsara ny mandoto olona na iza na iza ¶ M.h.: Manosodratsy, manoso-potaka, manendry ratsy. 1 Mametaveta ny zavatra madio, masiria: Mandoto zazavavy. /Mandoto tempoly. ¶ M.h.: Manao angovy, manao an-kery, ma-ka an-kery, manao am-bohika, manao am-boribory, mametaveta. Ahitsio
Mandotra: (dotra) mt. p. (man-dora): Mandevona amin'ny afo: Didian'ny fanjakana ny mandotra ny fitafian'izay matin'ny habokana na nendra. / Manamasaka: Mandotra biriky, mandotra sokay. 1 Manery: Mandotra ny lehiben'ny fokontany ny fanjakana hanenjika ny mpangalatra omby. 1 Mandoro ary manala ny volom-biby vonoina. Ahitsio
Mandotra: na Renimandotra a.: Karazam-bibilava, vasoka somary misy mainty mivolonkary ny volony, ary malaza ho masiaka. Ahitsio
Mandotso: (lotso) mt.s.:Misy, tonga betsaka: Efa nandotso ve ny nonon'ny renin'ilay zaza vao teraka? Ahitsio
Mandova: (lova) mt.p. (mandovà): Mahazo harena na fana-nana navelan'ny ray amandreny: Nandova be io tovolahy io saingy nolanilaniny foana Ahitsio
Mandoza: (loza) mt. s. (manda-:à): Mahatonga, mitera-doza: Mandoza ny areti-miftndra fa mandripaka vahoaka. * Manambara loza: Lazain' ny olona fa mandoza ny akoho manatody malemy. * Ohab.: Vantotr'omby minono tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela: enti-milazafanaovan-javatra tsy fahita, izay tsy milaza loza akory fa fahatsiarovana ny fanao fahiny mahamanimanina fotsiny. 1 Mandry amin'olon-tsy heny, miray amin'olona tsy azo vadina: Nampihorika ny ambanilanitra ny nataony fa nandoza ilay tsy valahara. Ahitsio
Mandozoka: (lozoka) 'nt s. (mandozoa): Mametraka lozoka, na manisy hombo ny lozoka. Ahitsio
Mandozotra: (lozotra) mt.p. (mandozora): Manao ratsy masaka na ratsy nahandro. ? h.o.: Mampitarozaka raharaha. Ahitsio
Mandrabaka: (rabaka) mt.p. (mandrabaha): Mandentika, manatsofoka, mampiditra. Ahitsio
Mandrafana: (rafana) Mamoaka na misy fofona mahery, tahaka ny ranomena, ny sakay voaendy ka totoina. Ahitsio
Mandrafitra: (rafitra) mt.p. (mandrafeta): Man amboatra zavatra amin'ny hazo izay vankonina, ampiadina...; miasa hazo...: Tsy mbola mahay mandrafitra izy. 1 Manorina: Rakoto no nandrafitra ilay tetezana atsy atsimo atsy. ? Manao, mamorona: Mahay mandrafitra lakana tsara ianao izany. ? Mandahatra, mampiady: Mahay mandrafitra vato voapaika aoka izany izy. Ahitsio
Mandrafodrafoka: (rafodrafoka) p. t.: Mahatonga ho maivana, ho mafia.. Ahitsio