Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandrotika: (rotika) mt. p. (mandroteha): Mandrovitra zavatra ka mahatonga azy ho kotika tsy misy horaisina. Ahitsio
Mandrotoroto: (rotoroto) mt, p. (mandrotorotoa): Mampanao zavatra olona haingana. Ahitsio
Mandrotsirotsy: (rotsirotsy) mt. p. (mandrotsirotsia): Manasavilivily (zaza) eo amin' ny sandry mba hampatory na hampangina azy, na hahafinaritra azy fotsiny. Ahitsio
Mandrotsirotsy: (rotsirotsy) P. t.: Enti-milaza ny hoditra misy fivontosana kely madinika. Ahitsio
Mandrotsy: (rotsy) mt. p. (mandrotsia): Manao izay hampibontsimbontsina, hamparokoroko (hoditra), Ahitsio
Mandrova: (rova) mt. p. (mandrouà): Manao, mandrafitra rova na fefy. Ahitsio
Mandrovirovy: (rovy) mt. P.: Mandroridroritra, mamotipotika. Ahitsio
Mandrovitra: (rouitra) mt. p. (mandrouita): Mandriatra, mandrotika: Esory io fantsika amin'ny dabilio io fa mandrouitra pataloa 1 h.o.: Manimba, mampizarazara: Mety handrouitra fanjakana izao raha mitohy. Ahitsio
Mandrovo: (Tsm) a.: Omby mainty misy pentimpentina fotsy manerana ny vatany. Ahitsio
Mandrozana: (rozana) mt. p. (mandrozàna): Manao izay hampitarozaka, hampitaredretra ny adihevitra. Ahitsio
Mandrozaroza: (rozaroza) mt. p. (mandrozarozà): Manakiraviravy, mandrazorazo. Ahitsio
Mandrozatra: (rozatra) mt. P. (mandrozata): Mandrirodrirotra, misintontsintona; mamerimberin-dava, milaza zavatra hamelezana olona. Ahitsio
Mandry: (andry) mt, s. (mandria): Mitsotra na mivalampatra eo ambony tany na kidoro ka mitehika amin'izany ny vatana manontolo: Mahafinaritra ny mandry eto ambonin'it? kidoro malemilemy Matory: Amin'ny folo izahay no manomboka mandry. / Tapi-mandry olona. / Tamin'ny izahay nankany Mojanga dia tao Maeuatanana no nandry. 1 Mi-lamina tsy misy mpanelingelina, tony sy finaritra: Mandry izao ny saiko fa tonga soa aman-tsara ianareo. Bazana ny ranon-javatra tonga mivongana na mafy: Mora mandry ny ronono. - F.-p.: Mandry feizay: mi-lamina tsy misy fikorontanana. / Mandry fotsy: tsy misakafo hariva fa mandry amin' izao. / Mandry fahalemana: (mitovy amin'ny hoe man-dry feizay). / Mandry an-driran'antsy: mandry feno ahiahy, tsy milamin-tsaina fa toa hisy haninona ihany. / Man-dry ilika: mandry ka ny ila ihany no atao ambany. 1 h. o.: Misahirana. * Ohab.: Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika. / Mandry aman'afo: enti-milaza olona mahantra. / Mandry tsy aman'afo: enti-milaza an'ireo mpiambina taloha izay nandrinandry tsy nahazo nanao afo fandrao fantatry ny olon-dratsy na ny fahavalo ny misy azy. J Mandry tsy lavo loha: a) tsy matory fa mbola miarinarina ny loha; b) mandry amin'ahiahy, / Man-dry tsirangaranga: (mitovy amin'itsy ambony). / Man-dry maty: matory tsy mahare izay ambonin'ny tany. / Mandry ao ivohon'ny uato: mandry amim-pahatokisana tanteraka. J Mandry tsy ma-tory: be eritreritra ka tsy mahita tory. j Mandry ao ambany rar:golahy: maty milevina ao am-pasana. / Man-dry lalana: tsy vita mitampody ny dia ka tafandry amin'izay aleha. J Mody man-dry: a) tafandry lalana, izany hoe mandry eo amin'ny tanàna iray fa mbola ho any amin'ny tanàna hafa; b) maty. * Ohab.: Ny anarana mampody mandry fa ny tarehy mampiverina ilalana: tsy arakaraka ny anarany ny tarehiny. * Fiten.: Mampandry sofina: mihaino tsara izaitsizy. Ahitsio
Manebaka: (tebaka) mt. p. (manebaha): Manakiana, maneso, manaratsy, milaza ankitsirano fa tsy mety ny na-tao, miteny mivantana ny faharatsiana na ny tsy fahombiazana: Manebaka ny olona rehetra io Rangahy io. 1 Manao tsinontsinona, manatsizarizary, manazimba, mamotsifotsy: Aza manebaka ny ana-dray aman-dreny. Ahitsio
Manebiheby: (heby) mt. P. (manebiheby): Manetsiketsika, manofa, manopakopaka mba hampijanona: Nanebiheby ny fiarakodianay tamin'ny tanany izy. 1 Mampikorontana, manelingelina: Manebiheby ny saiko ny fanahiana ny fanadinana. Ahitsio
Manebiseby: (sebiseby) mt p. (manebisebe): Mamp?anona amin'ny fivezivezena. Ahitsio
Manedrahedra: (hedrahedra) mt. p. (manedrahedrà): Manetsiketsika, mandrotsirotsy. Ahitsio
Manefa: (efa) mt. p. (manefà): Mamita tanteraka: Nana fa ny fetr'androny ny mpiasa dia lasa 1 Manala trosa: Manefa ny adidiny amin'ny fanaouana ny raharaha-miaramila 1 Manonitra: Nanefa ny helony izy. 1 Mandoa: Nanefa ny uidim-barinay a-ho. Ahitsio
Manefahefa: (hefahefa) mt. P. (manefahefà): Manetsiketsika, manofahofa. Ahitsio
Manefatra: (efatra) mt. P. (manefara): Mizara efatra. Ahitsio