Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manentohento: (hentohento) mt s.: Manao izay hisentoana, hitarainana. (• Manao la-fo loatra, mivaro-bolony. Ahitsio
Manentsina: (tsentsina) mt p. (manentsena): Manisy tsentsina na zavatra entina manampina ]oaka na vava lava-ka na vava tavoahangy: Misy fako be manentsina ny lalana. - F-p.: Manentsin-tadiny: tsy mihaino na tsy miraharaha torohevitra na fananarana atao aminy. * Ohab.: Ranomaso manentsin-keloka: enti-milaza olona nanao ratsy ka mitomany ambony ihany na dia mbola tsy voakapoka na voateny akory aza. Ahitsio
Maneokeoka: (keokeoka) mt. p.: Mikepokepoka zavatra amin'ny nify. Ahitsio
Manepoka: (kepoka) mt. p. (manepoka): Mitovy amin' ny Mikepoka. • f. s. b.: Tsy tonga amin'ny fotoana nifanaovana: Nanepoka ny anao lahy ka niandry uasoka foana teo aho. Ahitsio
Manera: (hera) mt p. (mar,erà): Mitady zavatra hamidy amin'olona, manelanelana zavatra amin'ny mpividy sy ny mpivarotra: Rakoto no nanera io trano io tamiko. / Manelanelana, mitaona vehivavy iray hisakaiza amin'ny lehilahy iray. ¶ M.h.: Manangy. Ahitsio
Manerahera: (herahera) mt. P. (maneraherà): Mampitaredretra, mampiaoriana, mangataka andro lava. Ahitsio
Manerakera: (kera) mt. P. (manerakerà): Manasaratsaraka, mandantolanto, manamboatra tsy hifatratra fa hisy elanelany. Ahitsio
Manerana: (serana) mt p. (maneràna): Mandalo eo anoloan'olona: Tsy fanao ny manerana van manao mbay lalana. Ahitsio
Manerana: (erana) mt. p.: Mahahenika velaran-toerana iray: Efa manerana ny Nosy ve izao ny fahaizana marnaky teny sy manoratra? Ahitsio
Manerasera: (serasera) mt. p. sy mt. s.: Mandalondalo matetika eo anoloan'olona. 1 Mampandalondalo zavatra matetika eo anoloan'olona. Ahitsio
Manerinerina: p.t.: Miharihary eo amin'ny toerana avo sy mazava tsara: Manerinerina eo an-tampon'Antananariuo i Manjakamiadana. Ahitsio
Manerohero: (herohero) mt. P. (maneroheroa): Manasanganehana, mahavery hevitra. Ahitsio
Manerona: (erona) mt. p. (maner?na): Mandrahona olona amim-peo toa tsy faly ary vonon-kandramatra na hamely: Nanerona ilay alika nony niditra ny uauahady izahay. * Ohab.: Alika manerona: miaro ny tsy ho an'ny tena: enti-mdaza izay rehetra miaro zavatra na fananan'olona: tsy azy akory ilay zavatra dia maha-saropiaro azy. Ahitsio
Manerongerona: (herongerona) mt. p. (manerongerdna): Mandrahona, mampitahotra, mandevilevy, mitrerontrerona: Tsy tiako io mpampiasa io fa manerongerona foana tsisy antony. Ahitsio
Manerotra: (herotra) mt, s.: Mamorona herotra. / Miketronketrona. Ahitsio
Manery: (tery) mt. p. (manere): Mamotsitra, manapotsitra: Manery uoaloboka. 1 Mangeja, mangehy: Manery ahy it? kiraro ity izany. 1 h.o,: Mamoritra: Manery ny fahavalo; manery ny tsy fahampiana. 1 Mamozona, manao an-terisetra, an-terivozona: Tsy nisy nanery anareo hivady akory fa sitraponareo ihany ny hivady. Ahitsio
Manesihesy: (esihesy) mt. s.: Miantso alika. Ahitsio
Manesika: (sesika) mt. p. (maneseha): Manosika zavatra an-detrezana mba hiditra ao anaty zavatra hafa ixay: Manesika hanina zazakely. 1 Manisy sesika: Manesika om dana. Ahitsio
Maneso: (eso) mt.p. (manesoa): Manao tsinontsinona, manebaka, manatsizarizary: Tsy tsara ny maneso ny mahantra. 1 Mihomehy, mamazivazy, mananihany, manaraby: Tezitra ny mpampianatra fa nisy naneso azy, hono, ny iray tamin'ny mpianany. ¶ M. h.: Manesoeso, manambany, manamavo, maniva, manivaiva, manizakizaka, mamingavinga, mamizaviza, manebaka, manabanty, manaraby, manakora, manondro molotra, manao potsamolotra. Ahitsio
Manesotra: (esotra) mt. P. (manesora): Manala amin'ny toerana misy azy: Antsoy i Bava hanesotra ireto entana ireto. 1 Mandroaka: Hanesotra mpiasa dimy, hono, ny mpampiasa amin'ny faran' ny volana. / Mametraka tsy hiasa: Ny Filoha mihitsy no nanesotra ny lehiben'ny Fiuondronana tao Ananona. Ahitsio