Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mpahary: (ary) a.: Enti-milaza an'Andriamanitra izay nampisy, izany hoe nanao an'izao tontolo izao tamin'ny tsinontsinona. Ahitsio
Mpaka: (aka) a.: Ireo antokon' olona miaraka amin-dRazazalahy maka an- dRazazavavy amin'ny andro fampakarana (mifanohitra aminy: mpamoaka). Ahitsio
Mpamakilay: (uaky iay) a,: Olona mpialoha manokatra ny lalana amin'ny karazan-javatra samihafa ka mazàna misetra ny mafy sy sarotra. Ahitsio
Mpamaliha: (Br) a,: Mpitendry valiha. Ahitsio
Mpamaritra: (faritra) a.: Sokajin-teny enti-mamaritra, izay mitsinjara ho karazany ma-ro: mpamaritra milaza toetra (lanitra manga), mpamaritra isa (omby fito), mpamaritra filaharana (kilasy fahadimy), mpamaritra manondro (ity trano ity), mpamarltra malala-kevitra (ny olona sasany), mpamaritra manontany (olona iza?), mpamaritra matoanteny (marary tokoa). Ahitsio
Mpamboly: (voly) a, : Olona manao ho anton-draharaha ny fambolena, Ahitsio
Mpamendrofendro: (fendrofendro) a.: Olona tsy tonga hanala na hampihena ny alahelo raha misy manjo, fa vao mainka koa mamohafoha ny alahelo, * Fiten,: Ny tompon'alahelo leo ihany fa ny mpamendrofendro no fatratra, Ahitsio
Mpamerindra: (cerina ra) a.: Anarana omena ny lalandra izay mamerina ny ra avy namelona ny tena rehetra ho any amin'ny fo; raha mpamerin-dra no tapait», dia ra mena mainty no mivoaka ary manorika ny ra (antsoina koa amin'ny anarany frantsay nogasina hoe vena). Ahitsio
Mpaminany: (uinany) a.: Olona mahalala mialoha ny zavatra ho avy. Ahitsio
Mpamonjy: (uonjy) a.: Olona izay manavotra amin'ny loza nahazo. ? Entin'ny Kristianina hilazana an'i Kristy nanavotra ny olombelona tamin'ny fahotana sy ny afobe tamin'ny nahatongavany tety an-tany sy ny nahafatesany. Ahitsio
Mpamorona: (forona) a.: Entimilaza olona manamboatra na manao zavatra tsy mbola nisy teo aloha: Betsaka ankehitriny ny mpamoron-kira. Ahitsio
Mpampakatra: (akatra) a.: Teny enti-milaza an-dRalehilahy mpampaka-bady, izany hoe mampiditra ara-dalàna vehivavy ho vady an-trano. Ahitsio
Mpampandotso: (lotso) a,: Olona fatra-panome fo, na mampirisika hiady na ho tezitra. Ahitsio
Mpampanoa: (lalàna) a.: Mpanao fanjakana ambony amin' ny raharaham-pitsarana, ka ny andraikiny dia ny mitsikera ny hadisoan'ny olona voampanga, mamaritra ny lalana tokony hampiharina aminy ary mitaky ny sazy antonona ny heloka vitany, ka amin'ny maha-solontenan' ny tany ama-monina azy no anaovany izany. Ahitsio
Mpampianatra: (anatra) a.: Antokon'olona manoro sy mampitombo fahaizana an' ireo tsy mahay na tsy mahalais, antsoina amin'ny anarana ankapobe hoe mpianatra. Ahitsio
Mpampiankina: (ankina) a,: Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin'ny matoanteny (mikapoka amin' ny tehina). Ahitsio
Mpampitohy: (tohy) a.: Sokajin-teny entina mampitohy teny' roa, izay mety ho anarana (ny saka sy ny alika, vady aman-janaka), mpamaritra milaza toetra (tsara sy fy), matoanteny roa (manoratra na mamaky), fehezankevitra roa (handeha aho ary hijanona izy); mpampitohy fehezan-keuitra: teny enti-mampitohy fehezan-kevitra iankinany (nomena valisoa izy satria nianatra tsara). Ahitsio
Mpampivelona: (velona) a,: Vehivavy mpampiteraka ny vehivavy bevohoka tonga andro. Ahitsio
Mpanabanty: (banty) a,: Olona fatra-panaratsy, na tsara na ratsy atao; mpanamavo, mpamasoka, Ahitsio
Mpanabe: (be) a,: Ireo olona mpampianatra ny ankizy sy mpamolavola ny toetra amam-panahiny: Tokony hahay hankasitraka ireo mpanabe azy ny anklzy rahatrizay. Ahitsio