Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mpanentana: (entana) a.: Ny olona natao hitarika ny fivavahana na ny hira any am-piangonana. Ahitsio
Mpanera: (ara) a.: Olona mpanelanelana amin'ny varotra atao, izany hoe manao ny fifampiraharahan'ny olona mpividy amin'ny olona tena tompon-javatra mpivarotra: Nalaky nahita trano ho fana kosa ianao izany. — Nanatona mpanera aho no nahatanterahako izao. Ahitsio
Mpanety: (hety) a.: Olona manao ny fanetezana ny volon' olona ho anton-draharaha. Ahitsio
Mpangalatra: (halatra) a.: Mpifetsifetsy maka zavatr'olona; mpandroba fananan'olona. Ahitsio
Mpangataka: (hataka) a.: Olona tsy miasa fa mangataka fiantrana ombieny ombieny no ataony antom-pivelonana. Ahitsio
Mpanivo: a.: Tsipika miala avy amin'ny tendro iray ka mamonjy ny afovoan'ny lafy mifanandrify amin'io tendro io. Ahitsio
Mpanjaitra: (zaitra) a.: Olona manjaitra, izany hoe mandidy sy manakambana ny lamba ho tonga akanjo, ka izany no ataony antom-pivelomana. Ahitsio
Mpanjaka: (zaka) a.: Olona voahosotra na atsangana ho mpitondra ny fanjakana, izay sady mitondra no manapaka ary mandidy, ka fahefana ifandovana no ananany izany. Ahitsio
Mpanjono: (jono) a.: Olona manao ho antom-pivelomana ny fakana hazandrano. —( Ahitsio
Mpanohariana: a.: Antokon' olona manohitra ny fiovana izay tian'ny antoko iray eo amin'ny fahefana hatao, ka mitetika ny hamerina indray ny fomba narahina teo aloha. Ahitsio
mpanome:Izay manome Ahitsio
Mpanompo: (tompo) a.: Olona miasa ho an' olona, manao raharahan'olona, ka mahazo karama na tsia. Ahitsio
Mpanoratra: (soratra) a.: Lehilahy na vehivavy manoratra boky, ka izany no saika antom-pivelomany. Ahitsio
Mpanoritra: (soritra) a.: Sokajin-teny enti-manoritra na manavaka ny anarana. Misy karazany efatra ny mpanoritra, dia ny mpanoritra tsotra (ny trano), ny mpanoritra manondro (very ity vary), ny mpanoritra anaran-tsamirery (Faly i Bozy), ary ny mpanoritra zavatra efa fantatra (tonga ilay vahiny). Ahitsio
Mpiady: (ady) a.: Ireo olona roa tonta miady eny amin' ny fitsarana. ? Ny miaramila miady amin'ny fahavalo any an-tafika. Ahitsio
Mpiahy: (ahy) a.: Mpikarakara, olona mpanao izay hahasoa no sady andry iankinana. Ahitsio
Mpiambina: (ambina) a.: Olona atokana hiambina, izany hoe manao andry maso, miaro tsy ho simba ary mitandrina amin'ny fahavalo. Ahitsio
Mpianadahy: (anaka lahy) a.: Olona lahy sy vavy nateradray sy reny iombonana. Ahitsio
Mpianaka: (anaka) a.: Teny entina hilazana olona roa nifampiteraka, izany hoe ny iray nateraky ny iray, na olona azo heverina ho toy izany amin'ny taonany na arapihavanana. Ahitsio
Mpianakavibe: a.: Enti-milaza ny fianakaviana mütatra hatrany amin'ny foko. Ahitsio