Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamoraka: (voraka) mt.p. (mamoràha): Mamaha: Mamoraka tady. • Mamoaka avy ao anaty zavatra: Mamoraka ny tao am-bata. • Mampiseho izay ao anaty: Mamoraka ny ao am-po. Ahitsio
Mamoravora: (voravora) mt.p. (mamoravorà): Manaborabora, manageragera. • Manasafotofoto, manasavorovoro. Ahitsio
Mamorery: (vorery) mt e: Manala baraka, mahafa-baraka, manala voninahitra: Mamorery ny fitondran-tena rate y. Ahitsio
Mamoretaka: (foretaka) mt.p.: Manisy fotaka, manasolitika, manafotetaka. Ahitsio
Mamoretra: (voretra) mt.s.: Mifanety, mifanizina (voankazo). Ahitsio
Mamorifotra: (forifotra) mt s.: Mivoaka (enti-milaza ireo bontsimbontsina kely be dia be vokatry ny aretina): Namorffotra ny kitrotron'Ilita ka tsy naharitra reniny naka dokotara. Ahitsio
Mamorika: (vorika) mt.p. (mamoreha); Mamosavy, manome sakafo misy ody mahafaty na mankarary. Ahitsio
Mamorina: (vorina) mt.p. (mamorèna): Mangorona kofehy (landy na rofïa) ho vita kibory• Ahitsio
Mamoritra: (foritra) mt.p. (mamoreta): Manorotoro, mikosoka: Mamoritra voaloboka amin'ny tanana. • Manery: Aza mamoritra anay fa mafana ny andro. 1 Mangeja, mangia: Tiany ny mamoritra ny tanan-jazakely. ? h.o.: Namoritra azy loatra tamin'ny volany Rakoto ka nandositra izy. • Mampahory: Mamoriira ny madinika. • Mampilefitra, mampiketrona: Mamoritra rantsan-kazo. / Hitsangana ihany aho fa mamoritra ny akanjoko ny mipetraka Ahitsio
Mamorivory: (vorivory) rat. s.: Mandroatra, misafoaka: Mamorivory ny ranomasina. Ahitsio
Mamorofotra: (forofotra) p.t: Rakotra bontairnbontsina kely be dia be: Indray andro ihany dia nivoaka ny bonibonin'Ilita; namorofotra daholo ny kibony sy ny lamos in y. Ahitsio
Mamorona: (forona) Mampisy, manao amin'ny tsy misy: Andriananahary no namorona an'izao tontolo izao. • Manao, manamboatra: Namorona sary mahafinaritra izy. • Manangana, manorina: Rehefa mamorona fikambanana dia tsy maintsy mampandre ny fanjakana 1 Mahita: Iza indray no namorona izany hevitra an-taingina izany. Ahitsio
Mamorotaka: na Miporotaka (rotaka) mt.s.: Mitambotsotra midina (toy ny kibo ben' ny olona matavy ). Ahitsio
Mamorotsaka: (rotsaka) mt. s. (mamoro tsaha): Mian tsambotra, roboka, manao zavatra tsy amim-piheverana, kitoatoa Ahitsio
Mamorovoro: Manavorovoro (vorovoro) mt.p.: Manakorontana, manasafotofoto: Tsy manao afa-tsy mamorouoro trano ire to ankizy ireto. Ahitsio
Mamory: Mamorivory (vory) mt. s.: (ity faharoa no fampiasa indrindra) Mandroadroatra: Mamoriuory ny ranomasine Ahitsio
Mamory: (vory) mt.p. (mamoria): Miantso ho tonga miaraka, amin'ny toerana iray: Namory ,ny mahantra teo amin'ny fokontany izahay mba hizarana fitafiana 1 Manaika, manainga: Namory ny Parlemanta ny Filoham pirenena • Manangona: Namory sary betsaka aho fony izaho tany Afrika. Ahitsio
Mamosaka: na Manaposaka (posaka) mt.p. (mamosaha, manaposaha): Mampiseho: Tsy nety namosaka izay nosoratany izy. 1 Manambara: Tsy nety namosaka ny teti-dratsiny izy na dia efa traira aza Ahitsio
Mamosavy: (mosavy) mt.p. na mt. s. (mamosavia): Manisy mosavy, mamorika, manimba ka mahafaty: Lazain'ny olona fa ilay olona tao atsimony, hono, no namosavy axy. 1 Milaza ny tsy mety, toy ny, ohatra, milaza olontsy heny ho mpivady: Ranona it? mamosavy mihitsy; olona mpianadahy ireny ka ataonao hoe mpivady. • Manao zavatra mety hahavoa: Mamosavy izay nanaparitaka ireto fanjaitra ireto teto amparafara? 1 Enti-milaza ny saka manana anaka. Ahitsio
Mamosesika: (bosesika) mt.p.: Manampina, mamempina: Mamosesika ny arabe ny vahoaka. Ahitsio