Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Resahina: apoaka indray:Nohetsehin'ny mpivory sasany ny raharaha momba ny vary. Ahitsio
Resahina: (resaka) mt.ih. (resaho): Atao resaka: Inona no resahin-dRakoto sy Rabe teto? 1 Tenenina, lazaina: Noresahinao taminy angaha ilay zavatra? Ahitsio
Resaka: a.: Teny ifanaovana: Araka ny resaka nifanaovantsika omaly, dia iny ny zanako haka ilay vola. 1 Teny ifanaovana momba ny zavatra anankiray voafaritra tsara: Resaka momba ny ady tany Vietnam no nandanian'izy ireo andro tao. 1 Teny ifamalian'ny mpifankatia momba izao sy izao: Saika tsy tapa-ka ny resakay raha tsY nanomboka naneno ny akoho. ¶ M. h.: Tafa, tafasiry, taria, koràna. - t.i.f.: Resahina, voaresaka, tafaresaka 1 miresaka, firesaka, mpiresaka I iresahana, firesahana I maresaka 1 maharesaka. - F.-p.: Ambentin-dresaka: zavatra tenenin-dava saika fsan'an dro. / Resa-be: teny maro ifanaovan'ny olona vitsivitsy ary feno fikasana tsy azo tanterahina. / Resa-behivauy: ilazana ny bitsibitsika ifanaovan'ny vehivavy na ny resaka lava be izay tsy maintsy fifosana no votoatiny. / Resaka mahabe loa-bary: teny famalifaliana na fandokafana amin'ny mpizara sakafo mba hahazoana tombony. / Resaka mandany labozia: resadresa-poana fa tsy araka izay tokony ho izy ka mandany fotoana fotsiny. I Resaka matou y: teny sy resaka manodoka manambara zavatra mahasoa sy mahafinaritra, nefa dia izay ihany fa tsy misy fahatanterahany. / Vaky ny resaka: niseho ny resaka ary ren'ny betsaka, fa tsy iray na roa intsony no mahalala azy, / Mampiady resaka: manao resaka hahitana izay mety sy tokony ha-tao, misarintsarina adihevitra. / Manga ny resaka: tsara ny dinika ary mahafinaritra izay notafaina. / Manokondresaka: miaraka vitsivitsy mitafa eo amin'ny toerana iray mifanatrika. ' * Ohab.: Be resaka ohatra an'Ambôsitra, fa tsy hahalafo an'Ambohinamboarina: enti-milaza fa na mahay miteny sy be resaka aza ianao, . dia tsy ho voambaka akory ny hafa. / Resaky ny mpisampina tsy hain'ny mpisikina: fitenenana ilazana olona roa samy manana ny tafany .sy ny fanaony, ka tsy tokony hifampidinika betsaka. ¶ M.h.: Tafa, dfnika, koràna, taria, karajia, tafasiry, dinidinika, tapatapakahitra, resaka mahabe loa-bary. Miresaka, mamboly resaka, manokon-dresaka, mitafa, mitafasiry, mikoràna, mitaria. Ahitsio
Resaresa: a.: Fandeha miretareta sy tsy afaka mamindra fity (toyny an'ny ganagana); hakamoana, fiborerana, fitsimozimozy. - t.i.f.: Aresaresa, voaresaresa, tafaresaresa 1 mandresaresa, fandresaresa, mpandresaresa 1 andresaresana / miresaresa, firesaresa, mpiresaresa 1 ixesaresana, firesaresana I maharesaresa. Ahitsio
Resena: (resy) mt. ih. (reseo): Iadiana, tsindriana, toherina, atao resy: Reseo ny hakamoana. / Tokony horesena ny hatezerana. Ahitsio
Resy: p.t. sady mt. ih, ft.: Voa tamin'ny ady na lalao fifaninanana: Resin'ny Fortior ny mpanao baolina avy tany Lesotho. 1 Maty (loka): Resy tamin'ny loka Rabe ka niozonozona tsy hamerina intsony, 1 Tsy nahazo rariny tamin'ny ady amin'ny fitsarana: Resy tamin'ilay ady lova Rakoto ka tsy manana na inona na inona intsony izao. 1 Tsy mahatohitra: Resin' alahelo izy. 1 Maty antoka: Alaovy ho anao valopolo io akoho io fa resy aho raha latsaka izany. - t.i.f.: Resena I mandresy, fandresy, mpandresy / andresena, fandresena 1 maharesy, faharesy, mpaharesy 1 aharesena, faharesena 1 haresena. - Lambo resy: anarambosotra omena ny kisoa izay tsy dia intsony fa efa ompiana. / Resim-bavy: lehilahy kelikely herin-tsaina ka ambakain'ny vadiny amin'izay ataony rehetra, koa dia ravehivavy no mandidy azy amin'izay ataony rehetra fa manao akohovavy maneno,/ Resin-tondro maso: very tohana tsy manan-kianteherana, fa tsy eo intsony ireo kiady sy voninahitra mpiaro ny tena. / Resy am-boninahitra: enti-milaza ireo izay efa nanao ny faran'ny azony atao teo amin'ny lalao na ady, kanjo dia mbola voa ihany. / Resy lahatra: tsy manankolazaina intsony amin'ny adihevitra fa efa voaporofo ny maha-diso ny hevitra tohanany. / Resy olo-narahina: ilazana ny tsy maha-eo intsony ilay andry niankinana, toy ny vady izany, fa maty. / Resy ny maty: anambarana fa tsy afa-miteny intsony ny maty ka manao izay tiany ny velona; ilazana indrindra ny olona maty, ka malady manambady ilay vadiny velona. / Resy tohika: tsy ahitan-teny intsony amin'ny adihevitra fa sendra ny marina na ny olona madi-doha nifanoherana. / Resy tosika: ilazana ny tafika nihemotra noho ny hamafin'ny ady na ny hery tsy mitovy — miala antsitrapo handao tsy fidiny ny toerana na tanàna nipetrahana na noho ny henatra na noho ny fanaovan'ny sasany toeran-tsy zaka. / Resy tsy miady: ilazana ireo kivy ambony ihany na tsy mbola nanao na inona na inona aza ka dia miala sy mihataka na mijanona mihitsy aza. * Ohab,: Angady mondro sy reniakoho; izay mananda no resy: enti-milaza zavatra roa mitovitovy vidy; ka raha ampifanakalozina dia resy izay manampy zavatra hafa. / Ny tia resy, ny manim-boafady: enti-milaza ny fandeferana Inhibe ananan'ny efa tia, ka tsy sahy mamalivaly na manohitra firy. ¶ M.h.: Resy tosika, maty an-daharana, voatosika, tsy mahazo an-tsahala, voasongona, sendra tolona tsy omby tratra, ambaka noho, latsaka ambany noho, tsy mahaleo, tsy mahasehaka, tsy mahovoka, tsy mahatohitra, milavo lefona, miamboho lahy, mifori-drambo, mandray sanga, mangataka ranomandry, resy tsy miady. Ahitsio
Retadretahina: (retadretaka) mt. ih. (retadretaho): Atao hoe "retaka": Nahoana izahay no retadretahinao? Ahitsio
Retaka: sy Retany: Ry ireto a! (fitenin'ny samy vehivavy): Mangina, retaka. / (raha lehilahy kosa no mampiasa azy) Re: Nahoana retaka no dia manao ankasomparana? - t.i.f.: Retadretahina.Retaka ft.: Fikorotsahana na fikoavana sy firodanana; fiboretahana amin'ny tany tsy afa-miarina. - t.i.f.: aretaka, voaretaka, tafaretaka 1 mandretaka, f andretaka, mpandretaka 1 andretahana,fandretahanalmiretaka, firetaka, mplretaka I iretahana, firetahana I maharetaka I retadretaka. Ahitsio
Retareta: p.t.: Kely, ratsy toebatana, mitavozavoza. - t.i.f.: Aretareta 1 mixetareta,firetareta 1 maharetareta. Ahitsio
Retidretehina: (retidretika) mt. ih. (retidreteho): Fotetahana, tsy atao milamina tsara. Ahitsio
Retika: sy Retidretika a.: Soratra mitsaporetika, mifotetaka, saro-bakina; fisomaradimbana. - t.i.f.: Aretidretika, retidretehina, voaretika, voaretidretika I miretika, firetika, mpiretika; miretidretika, firetidretika, mpiretidretika. Ahitsio
Retsidretsehina: (retsidretsika) mt ih. (retsidretseho): Atao mandre volivoly. ¶ M.h.: Aretsidretsika. Ahitsio
Retsika: sy Retsidretika a.: Fahatsiarovana ho misy mamolivoly na mandehandeha any apatin'ny tena any. 1 Enti-milaza ny asa ataon'ny zavamananaina maro be indray mihetsika. 1 Aretina mitsakotsako malefaka amin' ny faritra iray na maro. - t.i.f.: Aretsidretsika, retsidretsehina 1 mandretsika, fandretsika, mpandretsika; mandretsidretsika, fandretsidretsika, mpandretsidretsika / miretsika, firetsika, mpiretsika; miretsidretsika, firetsidretsika, mpiretsidretsika 1 maharetsika, maharetsidretsika. Ahitsio
Retsy: sy Retsiana s.o.: Ifampiantsoan'ny vehivavy mitovy saranga: Auia, ray retsiana, fa raofim-potsiny ny trondro eto a! Ahitsio
Rety: (Br) a.: Amalona lehibe. Ahitsio
Revaka: ft.: Haingo feno rentirenty manaitra ny maso; ravaka mambabo amin'ny fanjelanjelany. - t.i.f.: Arevaka, marevaka 1 harevaka Ifaharevaka. Ahitsio
Revengo: na Reveno (Ski) a•: Anaran'ilay toa olona mitan-dry valiha eo amin'ny vola-na. Resaka dridralava. Ahitsio
Revo: p.t.: Latsaka an-kona na anaty fotaka marihitra: Revo tao anaty fotaka ny ombinay. 1 h.o.: Revon'ny fitiavana io zazalahy io ka tsy nahatozo ny fianarany. 1 Variana manao zavatra ka tsy mahatsiaro ny manodidina intsony: Revon-daolao ny ankizy ka tsy mahatsiaro izay sakafo intsony na revo milalao ny ankizy... 1 Sahirana fatratra: Revon'ny trosan'olona izy. - t.i.f.: Revoina, arevo, voarevo 1 mandrevo, fandrevo, mpandrevo I andrevoana, f andrevoana 1 maharevo 1 revorevo. - F.-p.: Raha reuom-potaka, rano no manasa ; raha revonteny, vava no manala; raha revon'alahelo, havana no itarainana: fitenenana somary ohabolana enti-milaza fotokevitra iray, dia ny hoe: raha misy mahavoa ny tena dia any amin'ny havana no idodododoana. ¶ M.h.: Variana, sondriana, rendrika, renoka, jemby, senoka, rendrehana. Ahitsio
Revoina: (revo) mt. ih. (reuoy): Enti-milaza ny fotaka, honahona ilentehana. / Alentika ao anaty raharaha, fahasahiranana. Ahitsio
Reza: sy Rezareza a.: Fandeha valabalaka tsy maka sarotra; famindra miadana sy feno filaminana toy ny mitaritaritongotra. - t.i.f.: Rezarezaina, arezareza, tafarezareza 1 mandrezareza, fandrezareza, mpandrezareza 1 andrezarezana, fandrezarezana l mirezareza, firezareza, mpirezareza / irezarezana, firezarezana 1 maharezareza. Ahitsio