Rodorodoina | : | (rodorodo) mt. ih. (rodorodoy): Asaina mandeha haingana, korodorodosina, aporiatra. ? Atao haingana.
Ahitsio |
Rodrano | : | a.: Zavamaniry fihinarn-boa.
Ahitsio |
Rofatra | : | a.: Haraoraon-javatra, harokoroko. ? h.o.: Raharaha misavoritaka. - t.i.f.: Mirofatra, firofatra, mpirofatra / irofotana, firofotana.
Ahitsio |
Rofia | : | a.: Zavamaniry karazana palmie izay anaovana kofehy ny hoza-draviny ka tenomina ho jiafotsy.
Ahitsio |
Rofo | : | Rofoloha a.: Holatry ny hatina efa sitrana.
Ahitsio |
Rofotra | : | a.: Fisehoan'aretina mibontsimbontsina, toy ny kitrotro, bonibony..., betsaka. , 4 t.i.f.: Mirofotra, firofotra.
Ahitsio |
Rofy | : | a.: Aretina, fahadisadisana: Ho tsy tian-drofy anie ity zaza ity! • Zava-mampijaly, fahoriana: Ety an-tany be rofy. - t.i.f.: Marof y, farofy, marofirofy. - F.-p.: Aza marofy: firariana mba tsy harary. / Afadrofy, tsy tian-drofy: teny a-tao amin'ny zaza raha mievina mba tsy hahavoan'ny aretina azy. / Salama tsy marofy: tena salama, salama tsara. / Aza marofy taiza: firariana atao amin'ny vehivavy vao tera-bao mba ho salama tsara ny zanany.
Ahitsio |
Rohae | : | (Ski) a.: Enti-milaza ny tany mainty miparasadrasaka toy ny lavenona, na toy ny main'ny afo tany aloha ela.
Ahitsio |
Rohana | : | a.: Aretina manaintaina sy mampangotsokotsoka any amin'ny famavanin'ny taolana. - t.i.f.: Rohanina. - F.-p.: Roha-nendra, rohankatina, rohan-tety: fanaintainana na fivontosana avy amin'ny aretina samihafa, toy ny nendra, hatina... / Miala rohana: mihetsiketsika mba hanala sasatra ny hozatra.
Ahitsio |
Rohanina | : | (rohana) p. t.: Mararin'ny rohana.
Ahitsio |
Rohizana | : | (rohy) mt. ih. (rohizo): Fatorana amin'ny mahazaka: Rohizo io lakana io fa sao lasan'ny rano. ? (omby) Samborina amin'ny fanipazana tady eny amin'ny tandrony na eny amin'ny tongony: Norohizan-dRakoto ny ombiny. ? h.o.: Tana-na, hazonina: Tandremo ny teny atao fa sao rohizan'ny olona amin'ny uauanao ianao.
Ahitsio |
Rohona | : | a.: Kotroka mamoaka feo midaondaona any lavitra any; fipoahan-javatra miraondraona sy mampihovitrovitra na dia akaiky aza. - t.i.f.: Tafarohona / mandrohona, fandrohona, mpandrohana / androhonana, fandrohonana / mirohona, firohona, mpirohona, / maharohona / rohondrohona.
Ahitsio |
Rohontany | : | a.: Fomban-tany na fomba irohonan'ny be sy ny maro ka mahatarika izay miara-mitoetra aminy hanaraka izany. (Oh. olona zatra ny madio any an-tanàn-dehibè, nefa nony tonga monina any an-tsaha lasa tsy mahavatena manaraka ny rohon-tany).
Ahitsio |
Rohotra | : | na Rohitra a.: Fiaraha-mandeha ataon'ny olona maro be ; fizorana miara-be. - t.i.f.: Mirohotra, firohotra, mpirohotra / irohotana, firohotana / maharohotra / rohodrohotra.
Ahitsio |
Rohy | : | a.: Famatorana amin' ny tady, fanagiazana amin' ny kofehy: Ataouy rohy foza izay mpangalatra tratra. * Fatotra: Ratsy rohy an-gamba ilay omby matou afanan dos i tra. * t.i.f.: Rohizana, arohy, voarohy, tafarohy / mandrohy, fandrohy, mpandrohy / androhizana; fandrohizana / mirohy, fixohy / irohizana, firohizana / maharoy / rohirohy.
Ahitsio |
Rôhy | : | (Tsm) a.: Zanak'omby sarahina amin-dreniny mandritra ny alina mba hahazoana mitery ny reniny ny ampitso.
Ahitsio |
Roibe | : | a.: Karazana roy misy voninkazo mitapelaka, ary ny hodiny anaovan'ny ankizy antsamOtady.
Ahitsio |
Roibelahy | : | a.: Karazana roibe kelikelY.
Ahitsio |
Roibevavy | : | a.; Karazana roibe lehibe.
Ahitsio |
Roifantaka | : | a.: Karazana roy mafy hazo.
Ahitsio |