Sangasanganandevolahy | : | a.: Karazana kiranjay, mitapelaka be ny raviny ary fanao ody kohaka sy tambavy ny ranony.
Ahitsio |
Sangasanganankoholahy | : | a.: Karazan'ahitra.
Ahitsio |
Sangazona | : | a.: Famikirana amin'izay voaray, fandrangotana amin'izay azo ifikirana. - t.i.f. : Sangazonina, asangazona, voasangazona, tafasangazona / manasangazona, fanasangazona, mpanasangazona / anasangazonana, fanasangazonana / misangazona, fisangazona, mpisangazona / isangazonana, fisangazonana / mahasangazona.
Ahitsio |
Sangazonina | : | (sangazona) mt. ih. (sangazony): Sarangotina, raisina hamikirana: Io hazo io sangazonina mba tsy hianjera ianao.
Ahitsio |
Sangazotra | : | a.: Mitovy amin' ny Sangazona.
Ahitsio |
Sangeloka | : | a.: Hafahafa, zavatra tsy fahita, fomba miangentsana. * t.i.f.: Misangeloka, fisangeloka, mpisangeloka / isangelohana, fisangelohana / mahasangeloka / sangelongeloka.
Ahitsio |
Sangerina | : | ft.: Fahalasanana sy fiverenana indray; fihodinkodinana eo amin'izay tany nialana; tamberina. * t.i.f. : Asangerina, tafasangerina / manasangerina, fanasangerina, mpanasangerina / anasangerenana, fanasangerenana / misangerina, fisangerina, mpisangerina / isangerenana, fisangerenana / mahasangerina / sangeringerina.
Ahitsio |
Sangina | : | (sangy) mt. ih. (sangio): Anaovana kivazivazy, lalaovina: Nosangin'Ikoto ny zandriny dia nitomany. ? Hetraketrahina, sorisorenina: Sangin'Isambilo foana ny zanako ka tsy nety nianatra intsony. ? Kasikasihina ho mari-pisakaizana tafahoatra: Henoko fa sangin'ialahy i Soa zanako; atsaharo izany!
Ahitsio |
Sangoa | : | ppt feh.: Fandrao, sao.
Ahitsio |
Sangodina | : | a.: Tandrimo. ? Fihodinana. Fihodinkodinana eo an-toerana ihany. - t.i.f• : Sangodinina, asangodina, voasangodina, tafasangodina / manasangodina, fanasangodina, mpanasangodina / anasangodinana, fanasangodinana / misangodina, fisangodina, mpisangodina / isangodinana, fisangodinana / mahasangodina / sangodingodina.
Ahitsio |
Sangodinina | : | (sangodina) mt. ih. (sangodino): Hodidinina: Nosangod in in ' n y fahauaio ny tond na.
Ahitsio |
Sangoeja | : | a.: Parapaingo tsy ahafahana mihetsi-mahery. ? Sampona tsy azo ialana. ? Vatom-panorona izay tsy maintsy lanin'ny ankilany rehefa avy nihinana. - t.i.f.: Misangoeja, fisangoeja, mpisangoeja / isangoejana, fisangoejana.
Ahitsio |
Sangongo | : | a.: Fitangoronana maro be (toy ny zanak'akoho na ny ankizy manodidina an-dreniny, na ny andiantantely), vangongo. ? Antontan-javatra. ? Ireo kitro fahita amin'ny soroky ny mpilanja filanjana. - t.i.f. : Asangongo, voasangongo, tafasangongo / misangongo, fisangongo, mpisangongo / isangongoana, fisangongoana.
Ahitsio |
Sangorina | : | (sangotra) mt. ih. (sangorio) : (vary) Otazana ka ny salohy masaka no tapahina.
Ahitsio |
Sangotra | : | a.: Fiotazana ny vary tsy miaraka fa arakaraka ny fahamasahany ka tsongoina amin'ny tanana na tapahina amin'ny antsy ny salohiny izay masaka. * t.i.f.: Sangorina, voasangotra / misangotra, fisangotra, mpisangotra / isangorana, fisangorana.
Ahitsio |
Sangy | : | na Sangisangy a.: Tsilalao na kivazivazy atao amin' ny teny na amin'ny fihetsika ho mariky ny fisarihana amin'ny olona mifankazatra amin'ny tena. * t.i.f•: Sangina, asangy, voasangy, sinangy / misangy, fisangy, mpisangy 1 isangiana fisanglana / mahasangy / sangisangy. - F.-p.: Sangisangy zary tenâny: tsilalao na kivazivazY mila hivadika ho tena zavatra. / Sangy mahery: fifamelezana toa kilalao, nefa toa mila hivadika ho ady noho ny fahamafisany mahery vaika. / Sangy ratsy: voso-dratsy, izany hoe zavatra atao toa kivazivazy nefa tsy tsara. ¶ M.h.: Kihaihay, kiniania. / Sangy mihoatra ny Io-ha: kivazivazy mihoa-pampana ka manjary mahavoafady.
Ahitsio |
Sangy | : | p. mt.: Saingy, fangy.
Ahitsio |
Sanka | : | (Ski) a.: Aretina vokatry ny tety mamely amin'ny loha sy mandoaka orona.
Ahitsio |
Santarana | : | (santatra) mt. ih. (santaro): Atao na hanina vao voalohany: Santaro kely itony uarialohanay, ry Dadatoa a!
Ahitsio |
Santatra | : | a.: Voaloham-bokatra: Santa-bary. ? Voalohany amin'ny zavatra atao, fiandohana: Atolotro anao ny santatry ny asako. ? Fanaovana na fihinanana zavatra amin' ny voalohany. * t.i.f. : Santarana, asantatra, voasantatra / manantatra, fanantatra, mpanantatra / anantarana, fanantarana / misantatra, fisantatra, mpisantatra / isantarana, fisantarana/ mahasantatra / santatsantatra. * Ohab.: Santatra am-bava rano fa ny manetsa be mbola ho avy: enti-milaza fa mbola kely sy tsotsotra ny vita amin'izao fotoana izao (asa na lanonana na zavatra ha-fa), fa mampanantena fa ny any aoriana mbola ho be sy tsara lavitra.
Ahitsio |