Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Saveraveraina: Asaveravera (sauerauera) mt. ih. (sauerauerao, asauerauerao): (akanjo) Avala hisariraka tsy tafina tsars. Ahitsio
Savia: a.: Karazan-kazo fihinan' ny landy ny raviny. Ahitsio
Savihina: (sauika) mt. ih. (sauiho): Tolomina mba hidaraboka; (omby) raisina amin' ny tandrony na ny vozony dia adaraboka: Nosavihin' Ibemena ilay omby kely ka nidaraboka. 1 Sarangotina, amikirana: Raha tsy nisy haro nosavihiko teo amoron-tevana dia nikodia tany aho. / Alaina tsy an-drariny: Nosavihinao ny fananan'i dadatoa. * Ohab.: Malaza ho katsaka ka sauihin'ny tsaramaso: miseho ho matanjaka na ambony, nefa resin'ny osa na kely noho izy. Ahitsio
Savika: a.: Fitolomana hanjera..,; fanaovana an-keriny hamotraka na handavo: Voararan'ny fanekem-pokonolona taloha ny sauika omby, 1 h.o.: Fihamboana ho mana-na zo tsy ananana. - t.i.f.: Savihina, asavika, voasavika, tafasavika 1 manasavika na manavika, fanasavika, mpanasavika 1 anasavihana, fanasavihana 1 misavika, fisavika, mpisavika / isavihana, fisavihana / mahasavika 1 savitsavika. Ahitsio
Savilaka: Mitovy amin'ny Sabilaka. Ahitsio
Savily: a.: Vy ahazoan'ny varavarana na ny saron-javatra, toy ny vata, misokatra sy mikatona. ΒΆ M.h.: Vy miady. 1 Fikivilivilian-javatra mivezimbezina. 1 Famelezana ankolaka. - t.i.f.: Asavily, voasavily, tafasavily 1 manasavily, fanasavily, mpanasavily / anasaviliana, fanasavilfana 1 misavily, fisavily, mpisavily / isaviliana, fisaviliana / mahasavily / savilivily. Ahitsio
Savoana: a.: Fiakarana na tisondrotana eny amin'ny habakabaka: Baolina savoan-danitra. 1 h.o.: Fandehanana any amin'ny tsy hita velively any. - t.i.f.: Savoanana, asavoana, v,oasavoana, tafasavoana/ manasavoana, fanasavoana, mpanasavoana 1 anasavoanana, fanasavoanana / misavoana, fisavoana, mpisavoana / isavoanana, fisavoanana / mahasavoana 1 savoamboana. Ahitsio
Savoanana: (savoana) mt, pdr. (savoany): Enti-milaza zavatra ambony toerana torahana vato na baolina: Aza savoanana uato leiretsy, ny lohan'io sarivongana io a! Ahitsio
Savoaravoara: a.: Fanonjanonjanana na fikorianan'ny rahona na ny rivotra (jar. Samboaravoara). Ahitsio
Savohana: (savoka) mt. ih. (savohy): Asiana na hosorana savoka: Savohy tsara ny ngorodontsika, ry be lohako ity! Ahitsio
Savoka: a.: Zavatra malemilemy vonivony miforona avy amin'ny renitantely ka anaovany ireo takela-tantely misy masomasony mameno ny toho-tantely: Anaovana zauatra betsaka ny savoka. 1 Savohana, asavoka, voasavoka, sinavoka 1 manasavoka, fanasavoka, mpanasavoka 1 anasavohana, fanasavohana 1 mahasavoka / savotsavoka. Ahitsio
Savokara: a.: Karazan-kazo ahazoa-menaka ny voany (A-leurites triloba). Ahitsio
Savolaina: p.t.: Vizana, volivoly; vahotra tsy maharay zavatra ary tsaroana dontodonto: Sauolaina izany ny tanako tamin'iiay nitondra entana hatrany an-tsena anikeheo. Ahitsio
Savonimbary: a.: Karazan'ahitra izay mandroadroatra tahaka ny savony rehefa kosikosehina ao anaty rano. Ahitsio
Savony: (fr. savon) a.: Zavatra vita amin'ny jabora sy laro, atao anaty lasitra sy tenehina, ka ampiasaina ho fanadiovana sy fanasana lamba. Ahitsio
Savoravora: a: Mitovy amin'ny Voravora. Ahitsio
Savoretaka: ft.: Fipetrahana amin'ny toerana maloto. - t.i.f.: Savoretahina, asavoretaka, voasavoretaka, tafasavoretaka I manasavoretaka, fanasavoretaka, mpanasavoretaka 1 anasavoretahana, fanasavoretahana 1 misavoretaka, fisavoretaka, mpisavoretaka 1 isavoretahana, fisavoretahana. Ahitsio
Savorinala: a.: Volon-kazo sahalahala amin'ny vohavoha ary fanao sesi-kidoro. Ahitsio
Savoritahina: (savoritaka) mt. ih. (savoritaho): Sady akorontana no asafotofoto. Ahitsio
Savoritaka: a.: Fisaritahana; tsy filaminana feno korontana. - t.i.f.: Savoritahina, asavoritaka, voasavoritaka, tafasavoritaka / manasavoritaka, fanasavoritaka, mpanasavoritaka 1 anasavoritahana, fanasavoritahana / misavoritaka, fisavoritaka, mpisavoritaka / isavoritahana, fisavoritahana / mahasavoritaka / savoritadritaka. Ahitsio