Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tanteraka: p. t.: Loaka tafaboroaka any ambadika: Ataovy tanteraka any ambadika ny fantsika. • Vita tsara an-tsakany sy an-davany, tontosa: Tanteraka izao ny nokasainao ka ahoana? • Lavorary, tomombana: Tamim-panajana tanteraka no nandraisany ana y. - t.i.f.: Tanterahina, atanteraka, voatanteraka / manatanteraka, fanatanteraka, mpanatanteraka / anatanterahana, fanatanterahana / mahatanteraka / fahatanterahana / maninteraka, faninteraka, mpaninteraka / aninterahana, faninterahana. ¶ M. h.: Ma, vita, tontosa, tomombana, to, maty paika, nitady toko ka sendra vato, nikororoka vary ka sendra rivotra, naniry zaza ka tera-dahy. Ahitsio
Tanterakala: a.: Karazam-bahy izay atao fanamaintisa-nify ny raviny. Ahitsio
Tantibazary: a.: Harona fitondra miantsena. Ahitsio
tantiko:jer. [tanty], zakako, aritro Ahitsio
Tantsarasampy: a.: Enti-milaza ny fanarahan-drindrina ataon'ny ankizy vao mianamandeha. Ahitsio
Tanty: a.: Haron-kely fasiana ny vary hanina amin'ny indray andro; harona fisapisaka anantazan-javatra; ravin' akondro asiana ny vary mi-haro ronono sy tantely hanina amin'ny fandroana. - t.i.f : Tantazana, atanty, voatanty / mananty, fananty, mpananty / anantazana, fanantazana / mitanty, fitanty, rnpitanty / itantazana, titantazana / mahatanty. - F.-p.:Tanty reraka: fangatahan-dava amin' olona izay zavatra ilaina fa tsy mba miasa na mitady ho an-tena. / Manao tanty reraka: tsy mba miasa na mitady ho an-tena fa mangata-dava amin'olona izay rehetra ilaina. Ahitsio
Tanty: t.ih.: Azo iaretana, sy ihafiana, zaka: Tsy tanty ny hatsiaka androany izany. • Azo leferina, lefitra: Tantinao ue izany teny feno eso izany? • t. if.: Mahatanty. Ahitsio
Tany: a.: Teny tranainy ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian'io teny io rahateo (tamin'ny alalan'ny tsofoka om: t - om - any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon'antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin'ny tomany ny hirahiran'ny antitra noho ny fibosesehan'ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin'ny fiainany la-sa. Ahitsio
Tany: p. mt.: Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina. Ahitsio
Tany: fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho. Ahitsio
Tany: a.: Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan'ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly. ? Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon'io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian'ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka. ? Tanety (mifanohitra amin'ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina. ? Faritany: Madagasikara dia anisan'ny tany mafana. ? Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo. ? Ny olona miara-mipetraka amin'ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra. - F.-p.: Tany ama-monina: ny fitambaran'ny olona rehetra miara-miaina amin'ny faritra iray. / Tany fotsy: tany fotsifotsy noho ny sokay be ao aminy. / Tany fasika: tany be fasika. / Tany dilatra na tany ditra: tany vonton-drano, fotaka. / Tany firina: tany talaky rivotra •na mando lava ka tsy mahazo ny herin'ny masoandro. / Tany kotra: tany efa lany tsiro ka avala indray ho tonga tany vao. / Tany lava volo: tany anirian' ahitra lava be, tany tsy voavoly. / Tany lonaka: tany tsara mahavokatra. / Tany mainty: tany maintimainty ny volony noho ny fatimbiby sy zava-maniry lo hatry ny ela ao anatiny. / Tany maintimolaly: tany nambolena ary nahavokatra hatry ny ela. / Tanimanga: karazan-tany azo pondipondena tsars rehefa lena, tsy tantera-drano koa, ka tsara hanaovans biriky na talla. / Tantmangampoza: karazan-tanimanga menamena volo. / Tany maty: tany nanokanana fahiny ny mararin'ny nendra. / Tany mena: tany menamena volo noho ny vy be ao aminy. / Tany mondra: tany mora potsipotsehina ary lonaka tsara saingy mora lany tsiro koa rehefa volena tsy ela akory. / Tany mora: tany fotsifotsy izay atentina ny handrina na ny faritra hala amin'ny tena noho ny finoanoam-poana. / Tanirauo: tany fotsifotsy ampiasaina handalorana. / Tany uaky holatra: tany vao asaina. Ahitsio
Tao: p. mt.: Milaza toerana "ao" fa enti-milaza ny lasa: Tao anaty fantsakana no hi-ta ilay rojo volamena. Ahitsio
Tao: a.: Fiomanana, fikarakarana izay hoentina miady na m anafika. * t.i.f.: Mitan, fitao, mpitao / itaovana, fitaovana / mahatao. Ahitsio
Tao: a.: Asa karakaraina sy vitaina: Tao voici. • Fanamboarana, fananganana: Tao trano; taozavatra. - t.i.f.: Atao / manao, fanao, mpanao / anaovana, fanaovana. * Ohab.: Tao trano tsy efan' ny irery: enti-milaza fa ny zavatra lehibe tsy vita raha tsy ifanakonana, iaraha-manao maro. Ahitsio
Taolambalo: a.: Ireo taolana vain noheverin'ny Ntaolo fa tsy maintsy hampidirina ao am-pasan-drazana rehefa mamindra faty ao, dia ny taolan'ny sandry sy ny lantontanana amin'ny tanana roa avy, ary ny taolam-pe sy ny taolan-dranjo amin'ny tongotra roa avy. Ahitsio
Taolamizana: a.: Lempona lalina toa lavaka boribory eo afovoan'ny taolan'ny maoja. Ahitsio
Taolampanavy: a.: Ireo taolana kilavalava roa somary mivolantsinana, mampitohy ny taolan-tratra amin'ny rangomaina. Ahitsio
Taolana: a.: Zavatra mafy mampijoro ny tenan'ny olombelona sy ny biby rehetra misy hazondamosina: Taolana dorana no anaouana ny ranomena. 4 Voany mafy hita ao anatin'ny voankazo sasantsasany, toy ny paiso, manga: Taola-manga. - t.i.f.: Taolanina. Ahitsio
Taolanina: (taolana) pot.: Be taolana: Taolanina ity zaza ity. Ahitsio
Taomina: (taona) mt. ih. (taomy): Tateri.na, entina hafindra toerana: Taomy ireto vato ireto. • Tarihina hanaraka na hanao toy ny tena: Notaominy hikarenjy aho fa tsy nety. Ahitsio