Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Taritarika: (fr. tartrique) a.: A-sidra mahery. Ahitsio
Taritina: (tarika) mt. ih. (tarito): Sintonina: Taritin'ny soavaly ny kalesy. Ahitsio
Taroka: sy Tarotaroka a.: Tai-moka na tsirin-javamaniry mbola tanora vao nitrebona, na ny ravina maitso vao namelana. - t.i.f.: Manaroka / anarohana, fanarohana / mitaroka, fitaroka. ¶ M.h.: Tsimoka, laingo. Ahitsio
Taroma: (Ski) a.: Hazo meloka mivolantsinana atohitohy hametahana ny hazofisaka amin'ny fanaovana botry. Ahitsio
Tarozaka: a.: Toetran'ny zavatra lava miraviravy, misy miramborambo eo am-pihantonany. - t.i.f.: Mitarozaka, fitarozaka. Ahitsio
Tarozaroza: a.: Jar. Tarozaka. Ahitsio
Tary: (fit.-p.) a.: Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin'ny n'lapa izy (hoditra tokana eo amin'ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary, Ahitsio
Tary: (Mer.) a.: Ny kely indrindra amin'ireo amponga efatra nampiasaina tamin'ny famorana ka natao hipetrahan'ny zaza hodidiana. Ahitsio
Tary': p. mt.: Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "aryr" raha enti-milaza ny lasa: Tari, Ankadindambo izahay afakomaly. Avy ar?: Efa tari, ue ianao? Ahitsio
Tasiaka: p. t.: Fisaka marivo aty, saliaka, talesaka. Ahitsio
Tasy: (fr. tasse) a.: Villa kely atao tsikalan'ny kaopy: Tasin-kafe. Ahitsio
Tasy: (fr. tache) a.: Pentina mandoto: Tsy sahiko entina io lambako io fa misy tasy. Ahitsio
Tatafoka: a.: Fahapotrahana mitsotra mivalandotra amin' ny tany (jer. Tatavoka). - t.i.f.: Miantatafoka. Ahitsio
Tatahana: (tataka) mt. ih. (tataho): Didiana na rovitina manaraka ny lavany: Notatahan'ny ankizy ny kibon' ny tanalahy, / Asiana loaka na banga na tatatra: Notatahan'ny fokonolona haingana tao Ananona ny rano fa efa saiky uaky ny fefiloha. Ahitsio
Tatàka: a.: Paipaika kely mitohitohy; pipika heno rehefa manantsody landy. - t.i.f.: Atatàka / manatatàka / mitatàka. Ahitsio
Tataka: p.t.: Rovitra somary lavalava, mitsifaka: Tataka ny zipony. 1 Misy banga na tatatra na loaka somary lava-lava: Tataka ny fefiloha ka lasa namonjy daholo ny uatan-dehilahy, 1 Nahafahana betsaka (harena), foan-tanana, lany harena: Tataka ny haren-dRakoto. / Tataka Ra-koto. - t.i.f.: Tatahana, atataka, voatataka / manataka, fanataka, mpanataka / anatahana, fanatahana / mitataka, fitataka, mpitataka / itatahana, fitatahana / mahatataka. Ahitsio
Tatamo: a.: Voninkazo volomparasy, vonin'ny voahirana, izay misandrahaka mahafinaritra eny ambony rano: Tatamo anie aho ka tatamo, tatamo am-parihin-dRasahala: raha tezitra, miara-mihodina; raha faly, miara-mirona (haintenin'ny Ntaolo). Ahitsio
Tatao: (Atm) a.: Harona hasiana ny vary voajinja. Ahitsio
Tatao: o.: Izay rehetra toa mandondona eo ambony Ioha, toy ilay hazo eo ambonin'ny tolana atao hoe: "tataombaravarana", 1 Vola ambonin'izay efa raikitra: Mbola nasiana tataony indray ny hetra, ka nimenomenona ny uahoaka. 1 Vary amin-dronono tondrahan-tantely izay nololohavina kely aloha vao nohanina tamin'ny firariana amin'ny andro fandroana. - t.i.f.: Tataovina, atatao, voatatao, tafatatao / manatatao, fanatatao, mpanatatao f anatataovana, fanatataovana f mitatao, fitatao, mpitatao / itataovana, fitataovana f mahatatao. * Tataon-karama: fanampin-karama raisina. Ahitsio
Tataovina: (tatao) mt. ih. (tataovy): Asiana na ametrahana zavatra eo amboniny. Ahitsio