Akatsaka | : | (katsaka), mt. fit. (akatsaho): Asaina mikatsaka, mitady, ilazana olona ampitadiavana zavatra: Ikoto no nakatsaky ny zokinay io boky io fa tsy nahita izy.
Ahitsio |
Akavina | : | Jar. Akaina.
Ahitsio |
Akay | : | tenim-piontanana enti-milaza fanakorana na fandatsana; sakoa izay!: Akay ity! tsy mety norarana ha voa tery'
Ahitsio |
Akefona | : | (kefona), mt. at. (akefony): Asaina mievina.
Ahitsio |
Akehina | : | (kehina), mt. at. (akeheno): Avala hitomanimany, hikonetaka.
Ahitsio |
Akejokejo | : | (kejokejo), mt. fit. (akejokejoy): Entina manangolingoly, manolikoly: Vola no nakejokejony azy.
Ahitsio |
Akekena | : | (akaiky: jar. Akekezina).
Ahitsio |
Akekezina | : | (akaiky), mt. ih. (akekezo): Tsy halavitina, tomorina: Akekezo ny latabatra fa sao raraka amin'ny akanjonao ny rony.
Ahitsio |
Akemo | : | (kemo), mt. at. (akemoy): Akainkona: Akemon' ny sokatra ny lohany raha uao hatonina izy.
Ahitsio |
Akenda | : | (kenda), mt. fit. (akendao): Entina manakenda: Lamba landy, hono, no nakendan'ireo namono azy andRadama II.
Ahitsio |
Akendry | : | (kendry), mt. fit. (akendreo): Entina mikendry, mitily.
Ahitsio |
Akentsona | : | (kentsona), mt. at. (akentsony): Atao kentsona: Aza akentsona ny e amin'ny teny hoe mitepo.
Ahitsio |
Akepakepaka | : | (kepakepaka), mt, at. (akepakepaho): Atao mikepakepaka, na miala amin'ny toerany ka kely foana sisa mitana azy: Akepakepaky ny rivotra it? uarauarankely niala tamin'ny savily t?. 1 Atao mikemokemo, mihetsiketsika milentika na mihemotra: Akepakepaky ny fitsakoany ny molotr'io antidahy banga io.
Ahitsio |
Akepikepika | : | (kepikepika), mt. at. (akepikepeho): Asavilivily.
Ahitsio |
Akepoka | : | (kepoka), mt. fit. (akepohy): Entina mikepoka, mikarepoka: Ny nify anoloana no nakepony ny taolana fa tsy ny uazana, ka tsy nahalaitra. 1 mt. at.: Hanina, lanina: Nakepony ny uolako dia tsy niuerina izy.
Ahitsio |
Aketa | : | a.: Anarana ilazana ny lahy amin'ny karazam-balala iray izay atao hoe adrisa ny vavy. * Ohab.: Matin-drobon'ny adrisa ka fola-pen'ny aketalahy: sendra ny fatsora iray trano ka ny sasany mandroboka, mitaona; ny sasany kosa mamely.
Ahitsio |
Aketoka | : | (ketoka), mt. fit. (aketohy): Entina miketoka, manaikitra.
Ahitsio |
Aketraka | : | (ketraka), mt. at. (aketraho): Atao miketraka, migedragedra: Aketraho ny kofehy fa henjan-doatra.
Ahitsio |
Aketrona | : | (ketrona), mt. at. (aketrony): Asiana ketrona, asiana miforitra na mivalona: Naketrony ny moron-tongotr'akanjon-dRamatoa iny ka lasa fohy ny akanjony. 1 A-tao toy ny mihorongorona na mivalombalona ny hoditra: Naketrony ny handriny raha nahare izany izy.
Ahitsio |
Aketsa | : | (ketsa), mt. at. (aketsao): Afindra: Mbola kely loatra, anaka, ny uarintsika ha tsy azo aketsa. 1 Atao ketsa: Tsy manana vary aketsa akory izy ka mba mihambo erg.
Ahitsio |