Fanasaveraverana | : | (saveravera) a : Fanasarirahana (ny akanjo), tsy fisampinana tsars ny lamba.
Ahitsio |
Fanasaviliana | : | (savily) a. : Fanakiviliviliana; fanolahana.
Ahitsio |
Fanasavily | : | (savily) a. : Fomba entina manasavily, manakivilivily.
Ahitsio |
Fanasavoana | : | (savoana) aa Fomba entina manasavoana, mandefa hiakatra eny amin' ny habakabaka, manipy ambony. 1 p, t. : Azo asavoana.
Ahitsio |
Fanasavoanana | : | (savoana) a. Fandefasana hiakatra eny amin'ny habakabaka, fanipazana ambony.
Ahitsio |
Fanasavohana | : | (savoka) a : Fanasiana na fanosorana savoka.
Ahitsio |
Fanasavoka | : | (savoka) a : Fomba entina manasavoka, manisy na manosotra savoka.
Ahitsio |
Fanasavorovoro | : | (savorovoro) a. : Fomba entina manasavorovoro, manasaritaka, manasafotofoto.
Ahitsio |
Fanasavorovoroana | : | (savorovoro),a. : Fanasafitahana, fampisafotofotoana.
Ahitsio |
Fanasavovohana | : | (savovoka) a.: Fanaovana antontany tsy misy kitotony.
Ahitsio |
Fanasavovoka | : | (savovoka) a. Fomba entina manasavovoka, manao antontany tsy misy kitotony.
Ahitsio |
Fanasavovona | : | (savovona) a. Fomba entina manasavovona, mampiavosa. ?p,t. : Azo asavovona.
Ahitsio |
Fanasavovonana | : | (savovona) a: Fampifangaroana, fanavosana.
Ahitsio |
Fanasaziana | : | (sazy) a. : Fanomezana sazy.
Ahitsio |
Fanasazy | : | (sazy) a : Fomba entina manasazy. ? p, t : Azo sazina, mendrika hosazina.
Ahitsio |
Fanaselahana | : | (selaka) a. : Fanendahana isan'elakelany, fanasilahana.
Ahitsio |
Fanaselaka | : | (selaka) a. : Fomba entina manaselaka, manendaka isan' elakelany.
Ahitsio |
Fanaselarana | : | (selatra) a. : Fampandalovana zavatra haingana dia haingana eo anoloan' olona.
Ahitsio |
Fanaselatra | : | (selatra) a. : Fomba entina manaselatra, mainpandalo zavatra haingana dia haingana eo anoloan' olona.
Ahitsio |
Fanasendahana | : | (sendaka) a. Fanendahana hoditra, lamba.
Ahitsio |