Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanapatrapatraka: (patrapatraka) a. : Fomba entina manapatrapatraka, maniera vongan-javatra vaventiventY na vongan-drano mitete mahalankalana. Ahitsio
Fanapatsitsirana: (patsitsitra) a. : Fampifantsitsirana, fandefasana rano hitifitra sady hiely. Ahitsio
Fanapatsitsitra: (patsitsitra) a.: Fomba entina manapatsitsitra, mampifantsitsitra, mandefa rano hitifitra sady hiely. Ahitsio
Fanapelapelahana: (pelapelaka) a. : Famisahana, fampanifisana. Ahitsio
Fanapelapelaka: (pelapelaka) a. : Fomba entina manapelapelaka, mampanifinify. • p. t. : Azo pelapelahina. Ahitsio
Fanapelipelehana: (pelipelika) a. : Fanetsiketsehana manketsy mankeroa. Ahitsio
Fanapelipelika: (pelipelika) a.: Fomba entina manapelipelika, manetsika manketsy mankeroa. Ahitsio
Fanapentena: (pentina) a. :Fandotoana, fanasiana pentina. Ahitsio
Fanapentina: (pentina) a, . Fomba entina manapentina, manisy pentina. it p.t. : Azo asiana pentina. Ahitsio
Fanapepo: (pepo) a. : Fomba entina manapepo, manisy lempona. Ahitsio
Fanapepoana: (pepo) a. : Fanaovana izay hahapepo, fanasiana lempona; fanakiviana. Ahitsio
Fanaperana: (tapitra) a. : Famitana, fandoavana (vola) hatramin'ny farany : Anio no fanaperana ny trosanoo. ? a. $y p.t. : Tsy fisian-kilemana haratsiana hotsinina na kely akory aza; vita tomombana, tanteraka : TsY misy hokianina ny hiran'ny ankizy anikeheo, tena fanaperana marina. ¶ M.h. : Tomombana, tanteraka, lavorary, safatsiroa, tokana aman-tanY, tsy roa aman-tany, tapitra ohatra, tapitra efatra, tsy misy toa azy, tsy manan-tsahala, tsY manam-paharoa, tonga lafatra, ary fenitra,farafaramPonY, baka lany sahaza, tsy misy tomika, maty paika, mangidy vato, lani-datsaka. Ahitsio
Fanapihana: (pika) a. : Fampipitihana, fanalana; fanakombonana (elo...); famonoana jira mirehitra amin'ny herim-baratra. Ahitsio
Fanapika: (pika) a. : Fomba entina manapika, mamPipitika, manala, manakombona (elo...), mamono jiro mirehitra amin'ny herim-baratra. Ahitsio
Fanapindiana: (pindy) a. : Famelezana amin'ny fanondro izay aforitra eo amin'ny ankibe ka atsotra tampoka sy mafy (tsipindy). Ahitsio
Fanapindy: (pindy) a. : Fomba entina manatsipindy, maniely amin'ny fanondro izay aforitra eo amin' ny ankibe ka atsotra tampoka sy mafy. Ahitsio
Fanapiritihana: (piritika) a. : Fandefasana zavatra hifantsitsitra. Ahitsio
Fanapiritika: (piritika) a. : Fomba entina manapiritika, mandefa zavatra hifantsitsitra. Ahitsio
Fanapitihana: (pitika) a : Fanalana zavatra hiendaka ka mampifantsitsitra azY. Ahitsio
Fanapitika: (pitika) a. : Fomba entina manapitika, mana-la zavatra hiendaka ka marnpifantsitsitra azY. Ahitsio